Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Jolay, 2009

tsiaro kely

Anisan’ny fianakaviam-be tokoa ny mpiara misera @ ity aterineto ity kann, saika mifankahalala aby ny olona eto na dia tsy mifanerasera mivantana aza.

Tsiaro kely fotsiny ity ataoko eto ity fa dia isaorana mihintsy ny FOKO MADAGASIKARA @ ASA rehetra ataony ho fampiroboroboana ny fifaneraserana eran-tany sy ny asa fampandrosoana ny firenentsika


No comments

Ny zanaka!

Eo @ fiainan’ny zanak’olombelona dia mitsimbadimbadika ary mitohy hatrany ny fitomboan’ny taranaka,

Amintsika Malagasy dia zava-dehibe tokoa ny fananana ‘zanaka’, rehefa manorina tokan-trano mantsy ny lahy sy vavy ( ireo aloha no ho resahiko fa tsy ny lahy sy lahy na ny vavy sy vavy) dia arahina fomba fiteny hoe :”… arahin-javavavy sy zaza-lahy e! miteraha 7 lahy 7 vavy é!” sns e!!! ekeko fa tsy ho @ izao vanim-potoana iainantsika izao intsony izany fomba fisainana izany, nefa dia tsy lavina fa niainan’n’ireo ray aman-drenintsika avy izany! @ izao mantsy dia misy ny tokan-trano tsy mametraka ho laharam-pahamehana @ fananana zanaka, ny antony veh???, mmhh samy manana ny azy, fa eo koa anefa ny fitiavan-tena na ny faha mombana tsotra izao e!, tsy hidirako lalina ny à iny fa tsy manaitra ahy.

Ny tena nanaitra ahy sy ny maha variana ahy dia @ izoa fotoana izao dia tahakan’ny ‘Andriamanitra’ kely ny zanaka na koa tahakan’ny ‘sampy’ kely ihany koa! ny tiako hambara dia ny hoe toa izay mahafinaritra ny ray aman-dreny ka tian’ny zanany na dia tsy mifanentana @ fomba fiainany aza ohatra dia toa azo ary manodidina ilay zaza intsony!!!!! tsy hoe fialonana ny mahatonga aho hilaza izany tsy akory ann, manana zanaka vavy efa 10 taona aho @ izao fa na amiko manokana aza dia stapako fa mahery lanja ilay ‘gourou’-keliko io hihih, izany hoe toa tsy hitandroana hasasarana na koa ahavizanana fa dia toa izay teneniny sy izay mba hany takiany dia toa azony daholo na dia zavatra tsy ilainy akory aza!!! tena tsy mitovy @ fomba ftaizana azoko mihintsy e! tsy miteny akory aho hoe dia fadiranovana izahay ann tsia, nanana ny ampy tokoa ary izay sahaza ho anay t@ taonanay avy izahay, moa veh ny fiainana ankehitriny no manosika antsika ray aman-dreny @ izao fotoana tsy hahay hametra ny filàna eo @ fiainan-janantsika avy?????

Teny kely tsy aritro ireo nahita ity lahatsoratra ity aho.

Am-bava homana tokoa ny fiainana ary am-po mieritra!


4 comments