Patsa 1 tsy omby vava
Tsy tena nanana fifaliana ny hiarahaba olona tratry ny taona aho t@ ity taona 2010 ity!! lasa somary sauvage kely veh?? tsia, tsy te hiteny fotsiny hoe : hitondra soa sy fanambinana ho antsika anie ity taona ity’, izay hatrany moa no hirariana anefa fa dia tsy te hiteny izay aho t@ ity indray mitoraka ity!!!!
Ny antony veh??
Mba nivoaka tahakan’ny fanaonay izahay ny alin’ny 31/12/2009 iny, mmh tena soa ny fiarahana, niaraka t@ malagasy taty Lille ihany, ny fiangonana katolika malagasy aty Lille moa no tompo-marika t@ izany fikarakarana izany, tena nahafa-po tanteraka, ny sakafo sy ny ambiansy dia tsy nisy nokianina fa tao à patsany tsara tokoa,
Ny indro kely nony vita ny fety!!!! teo no tankina ny dômiko!!!! nody t@ 4h30 izahay ny marainan’ny 01/01/2010! akory ny fahataizana raha nahita ny trano mirehitra jiro sy misokatra varavarana??????, tsy nino aloha aho t@ voalohany hoe nisy niditra tao an-trano, dia navelako aloha i José no niditra voalohany, niverina izy dia nilaza fa dia izay izany e! nanjavona tao daholo ny entana azo lazaina fa manana ny lanjany ara-bola amiko. Dia misy ny tsy matahotra ny atahorako lahy e!!!!!!!! izao mihintsy ilay tonga @ fitenenana hoe nisasatra ho an’ilaizafy aho hatrizay!!!!!, efa mba nifohy volo ery aho nanangona ireny entako lasan’ny mpangalatra ireny anefa!!!! akory atao e!!! mety haha sambatra an’ireo tsy valahara 1 andro angamba ny saran’ny entako fa dia fahaverezana tsy roa aman-tany amiko kosa, satria dia very t@ izany ihany koa ny firavako manontooolo, ohatran’ny tsy miakanjo aho ankehitriny tsy manana firavaka afatsy ny peratra tokana ety an-tanako sisa tavela!ary bracelet izay!
Angoniko ato ity hilazako fa tsy naharesy ahy akory ireo mpangalatra ireo satria dia mitraka hatrany aho fa tsy ketraka!!!!! haiko koa fa misy mpitsinjo hatrany ny diako sy ny fiainako, ka tsy ho ory aho eo @ fiainako.
Janoary 12th, 2010 |
Category:
Tsy hita ity izay holazaina fa dia manoratra milaza hoe voavakinay ny lahatsoratrao. Tsy hitondra azy mankaiza tokoa ny harena azo tamin’ny tsy nisasarana e!
Aza kivy na de mafy aza ny manjo fa tsy hitondra ireo tsy matahotody lavitra akory ireny. Mahereza fa tsy maharesy anao izany.
“mitraka hatrany aho fa tsy ketraka!!!!! haiko koa fa misy mpitsinjo hatrany ny diako sy ny fiainako, ka tsy ho ory aho eo @ fiainako.”
Mampahery anareo mianakavikely no sady mirary ny fiadanana aminareo.