Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Novambra, 2008

ADY @ SIDA

 

Tsy arito ny hanamafy etoana na dia efa feno aza ny peta-drindrina aza manamafy fa mila mitandrina isika rehetra @ io aretina io. Mahagaga tokoa mantsy fa araka ny hita @izy ireny dia misy ny mieritreritra fa dia hoe mahamenatra hono ny manontany ‘fimailo’ @ ilay olona miaraka aminy!! amiko anisan’ny porofom-pitiavana izany, satria miaro azy sy miaro ny tenanao ianao!, koa aza atao antsirambina aza fa ny ho avinao anie no lalaovinao @ io aretina io e!!!!!! tsy mba miharihary ohatra ny vay an-kandrina mantsy ny olona misy azy io koa mahaiza mitandrina e!

 

ANDRO IRAISAM-PIRENENA IADIANA @ SIDA NY FAHA 01/12 KOA AZA HADINOINA NY MAMPIHATRA IZANY @ FIAINANAO AN-DAVANANDRO.


1 comment

Fahasambarana (dika mitovy)

Efa nandalo teto moa ity blaogy ity fa araka ny teniko teny am-piandohana, dia mihinam-bary aza misy latsaka, ka dia somary latsaka kely ilay blaogy teo aloha ka dia manohy ato indray izany, nefa dia mbola alaiko sy sokiriko tsikelikely ao ihany ireo lahatsoratra taloha hihihihih (efa hoe ny ho avy banjinina hihih tsss)

jery todika t@ blaogy taloha:

Be ny zava-bita hihihi izay angaha no azo lazaina, na teo @ maha olona ahy na teo @ ara panahy ihany koa.Tsy adinoko koa anefa fa tao anatin’izay 17 taona izay dia nisy foana fotoana nahafahako nahita ny ray aman-dreniko, na t@ fotoana fandalovan’izy ireo taty izany na koa tamin’ny fotoana vitsy nandehanako tany. Tsaroako lalandava ny fisian’izy ireo na dia tsy nifanaraka t@ fitaizana napetrany tamiko aza ny lalana nizorako, sy nosafidiko, atao ahoana moa e! nanoro ry zareo fa izaho no tsy nahay nisafidy fa nanao di-doha ngamba (hihih). Amin’ny maha ray sy reny niteraka azy ireo tokoa mantsy dia maro ny zavatra nokasainy sy ny planina namboariny hizorako, nefa dia tsy narahiko izany. Tsy kivy ary tsy nanary ahy anefa ry zareo t@ izany fa toa izaho aza no nisintaka sa nihataka tsy haiko hoe nahoana. Nohon’ny fanarahan-teny be loatra an’i DR ve?? tsy haiko. Soa ihany tsy naharitra izany fa niserana ihany e! ankehitriny tsy manaiky i neny raha tsy manoratra efa ho in-4 isan’andro aty aminay mirahavavy ary mila valiny hatrany @ ireo mailaka alefany ireo, izahay indray matetika no tsy maharaka manoratra ka manontany izy hoe fa misy inona sns…

Raha bangoiko dia nahafinaritra ny nitaizako tena irery taty am-pita nandritra izay 17 taona lasa izy e! tsy tena very tanteraka ny anatra nomena ahy talohan’ny nandaozako ilay ankaninay “fonenantsoa 77″ eny Mahamasina. Tsy very tanteraka satria afaka nanatsoahako lesona izorako @ izao fotoana indray satria mitaiza aho, manabe, ary mpanolo-tsaina ihany koa.

Tsy haiko ny tsy hisaotra ireo nahitako masoandro @ izao fotoana izao e!misaotra azy ireo aho, ary mbola manantena fa tsy mbola nifarana teo ny fanabeazana nataony anay fa mbola mitohy hatrany @ alalan’ny mailaka sy ny fomba fifandraisana isan-karazany misy koa. Fianarana tokoa mantsy ny fiainana ka tsy hifarana izany raha tsy ho tapitra koa ny aiko. Faly aho fa mbola samy velon’aina afaka miriaria miaraka aminay zanaka aman-jafy ny ray aman-dreniko. Vita aloha ny antsasa manila teo @ fisarahan-toeranay mianakavy fa dia ny ho avy indray no hitantara ny zavatra hiseho any aoriana any e!

Misaotra hatrany.

Ho an’i Maeva zanako tsy foiko e!

Antsasa-manila

Dia variana aho androany, sady tonga saina ihany koa fa ny antsasaky ny fiainako izany dia niainako tsy teo an-kilan’ny ray aman-dreniko, fa dia “nanabe tena irery aho”. T@ taona 1990 tokoa mantsy no nandaozako ireo nahitako masoandro hiampitako ho aty Frantsa, handratovako fianarana sy fiainana.

Maro ny dingana nolalovana tao anatin’izay 17 taona tsy niarahako niaina t@ ireo ray aman-dreniko izay, teo ny tsara teo ny nangidy ihany koa. Tantely amam-bahona ny fiainana moa ka tsy dia atao mampalahelo izany fa araka ny fiteniko matetika hoe “fiainana izany e!”

Tsaroako tokoa mantsy 17 taona lasa izay raha vao nanitsaka izany atao hoe frantsa izany aho dia variana be nandinika ny manodidina, dia tahakan’ireny hita @ fahita lavitra ireny tokoa, ny trano mijoalajoala, sy ny tsitokontokon-trano ihany koa ho any @ faritra miala kely ny renivohitra. izahay mirahavavy moa no niaraka tonga taty t@ io taona io, izany hoe ny zandriko vavy dia efa tonga herinandro mialohan’ny nahatongavako. I Hoby (zandriko) moa izany dia nivantana tao Cachan rue Marx Dormoy tany @ zokin’i neninay vavy matoa, ary izaho kosa dia tany Les Mureaux rue André Breton tany @ fara vavin’i neninay ihany koa, 4 mirahavavy moa ry zareo no aty Frantsa, ka dia nifandamina ry zareo t@ fandraisana anay mirahavavy.

Tsy ho lava resaka aho fa dia bango tokana no ataoko ireo 17 taona niainako ireo.

Tany St Quentin en Yvelines (78) aho no nianatra, ary 3 mianadahy izahay no tera-tany malagasy tafaraka nianatra tao, dia i Rocco, sy i Tompokovavy Marson Erica. i Erica moa dia mpiara-mianatra tamiko hatrany @ Providence Amparibe, tany Soanierana ihany koa, tsy dia nifanalavitra moa ny trano nipetrahanay tany Madagasikara, ka tsy nahagaga raha tena mpinamana tokoa izahay, izy rahateo tsy nisy rahavavy ka dia nifampitondra tahaka izany izahay, na dia nifanimpaka aza ny rivotra politika niainany sy ny tao an-tranonay, tsy naha sakana anay tsy ho mpinamana, mpirahavavy izany. Nizotra tsara ny fianaranay 3 mianadahy nandritry ny 3 taona nianaranay tao, izahay mirahavavy moa ny taona voalohany dia kilasy mandry ka tsy mody any @ fianakaviana raha tsy ny zoma hariva ary miverina indray ny alahady hariva, nahafinaritra ny fianarana satria dia tena izay tokoa ny nokendreko sy notadiaviko hatao any aoriana. Rehefa vita sy azo ny BTS t@ taona 1993 dia samy niparitaka izahay 3 mianadahy, samy nanana ny lalany avy. Izaho moa nanohy teny @ IUT n’i Evry mikasika ny “gestion hotellière”, ka naharitra 2 taona izany nahazahoako ny Diplome de Technologie Approfondie DTA.

Nandritra ny 3 taona niofanana anefa dia sahala @ tovovavy rehetra ihany aho ka mba nisy ny nahasarika akoatran’ny fianarana, taty tokoa mantsy aho vao niaina izany hoe fananana sipa izany, (tsy dia tara loatra hihih). Sahala @ ankizy mitovy taona amiko dia mba nanana sipa aho, tsy mpiara mianatra fa dia ivelan’ny fianarana tokoa, satra malagasy ny niaraka tamiko, ndeha antsointsika hoe Bema ny anarany mba tsy tena hilazako ny momba azy, mbola mpianatra koa izy t@ izany saingy tsy tena hoe mpianatra fa efa niasa. Ny ankamaroan’ny namako moa t@ izany dia saika malagasy avokoa ka hitako fa dia tsy mora tamin’izy ireo tokoa ny sady mianatra no mivelona satria dia tsy maintsy arahin’asa ny fianarana, nefa ny fotoana hianarana sy hamerenan-desona tsy ampy akory. Izaho kosa dia niadana satria ny rahavavin-dreniko dia tsy mba nitondra anay tahakan’ny zana’olon-kafa fa dia tahakan’ny zanany naterany tokoa, nahazo jiolahim-paosy izahay ka tsy nila izany hoe niasa izany sady nianatra, tena isaorako azy ireo izany, fa saingy tsy tsapako hoe “avantage” izany fa noheveriko fa zavatra ara-dalàna ihany, tsy voatery tokoa mantsy ry zareo hanao izany satria efa nosokajiana ho olon-dehibe aho ka tokony, ngamba, hisahana ny fiainako irery.

I Bema dia tsy iray fihaviana, tsy iray firazanana ary tsy iray finoana aminay ka dia sarotra ihany ny fifandraisany t@ fianakaviako, ny fitiavana nefa nisy teo aminay ka tsy dia nahoanay loatra izany fa dia niaraka teny ihany izahay niaraka namakivaky ny lala-kely nosoritanay. Tsy nisy “raharaha” natao moa taminay fa dia niaraka niaina tahakan’ny mpivady izahay, tokatrano maso hoy isika. Izaho moa t@ izay dia tsy mba niraika loatra t@ izany hoe mariazy sns izany na dia pastera aza ny zokin’i Bema, izay manontany lava anay ny antony tsy mbola irosoanay eo @ fiainan-tokantrano kristianina. Samy tsy nahita havaly izahay t@ izany, asa tsy vonona ve? sa ahoana, tsy hay be ihany!. Nandalo fisedrana anefa ny ankaninay ka dia rava tery ny nokasaina atao rehetra. T@ taona 1995 teo ho eo avy naka fialan-tsasatra tany an-tanindrazana aho no rava tsimoramora ny zavatra natsanganay sy i Bema, tsy nohon’ny fianakaviana akory fa nohon’ny antony izay azoko lazaina fa tsy nisy dikany firy satria dia elanelan-tany no nisarahanay. Voatery nisintaka tany Italie tokoa mantsy i Bema no nipetraka fa nanahirana ny fanamboarana na ny fanavaozana ny taratasy fahazahoan-dalana ipetrahany teto t@ izany. Lasa izy izany, izaho niverina nipetraka tany @ vavy matoan’ny neninay tany Rueil malmaison (92) vita ihany koa ny fianarana nataoko mikasika ny fitantanana trano fandraisam-bahiny, ka niroso t@ fianarana teny vahiny aho, izay tsy tena mbola voafehiko tsara t@ izany.

Niditra tao @ Fac de la Sorbonne aho sampana LEA Anglais. Somary mafy ny fianarana satria dia t@ teny angisy ranoiray izany, izaho efa zatra ilay teny Frantsay teo hihihi. Ny ankamaroan’ny fianarana dia tany Clignancourt no natrehana, somary lavitra ihany noho izany i Rueil malmaison sy i Clignancourt, ka dia nitady trano taty ivelany aho ho ahy manokana. Nahita tokoa aho tao @ Paris XVI, efitrano iray ambany tafo,na chambre de bonne moa ny fiantso ireny aty, ary ny sarany kosa dia mikarakara be antitra mivady izay in 3 isan-kerinandro. Nifindra trano ary aho izany nonina tao @ io efitra io, nisy ny rehetra tao amiko, nampian’ny nenitoa isany ihany koa moa aho t@ izany. Nahaleo tena tanteraka indray aho, indray hoy aho satria hatramin’ny nisarahanay sy i Bema dia izao indray aho vao hanana ny tokan-tranoko izaho samy irery.

T@ izany fotoana izany ihany koa no nifankahalalako t@ i DR. Olona somary tahaka an’i dadanay ny fomba fihaingony, izany hoe avy niasa moa ny nahitako azy voalohany izany e!, niakanjo complet izy, mihaja, tena sariaka ary manintona maso raha jerena tampoka, tovolahy e! :). Nifanakalo laharana telefaonina teo izahay dia samy lasa. Izaho nody moa dia nientanentana be ihany satria dia tena nahataitra ahy ny nahitako azy e!, izaho sy i Bema moa t@ izany na nisara toerana aza tsy tena natao hoe nisaraka tanteraka. I DR dia somary be resaka izay ihany, tsy haiko, izay ngamba ny fanaony “manjono” vehivavy. Mazava ho azy moa izany fa tsy maintsy niteny ny olana nisy taminay sy i Bema aho t@ i DR raha toa ka afaka manampy ahy izy. Tsy izay anefa ny tany an-dohany fa ny hiaraka amiko, ka dia roboka koa aho, babo e! Adino tanteraka i Bema. Nanomboka teo dia nihamafy ny fifandraisanay sy i DR, nahafinaritra satria izy dia somary be resaka ka hainy tsara ny mandangolango anao sy milaza izay tianao ho heno ihany koa. T@ taona 1995 moa izany no niseho ka tena tao anatin’ny fotoanan’ny fikarakarana ny fifidianana ny frantsay, i DR dia anisan’ny nizara “tracte” ho an’ny RPR t@ izany, mpikambana @ io antoko politika io mantsy izy. Matetika no niaraka izahay rehefa nisy fivoriana t@ izany, roboka tanteraka aho e!, samy nanana ny trano ipetrahanay izahay t@ voalohany. Naleoko tokoa mantsy nahaleo tena aho e! hafa ihany izany manana ny an’ny tena izany. Nahafinaritra ny fiarahana t@ DR na dia tena nisy aza ny ambony ambany teo @ fiainanay e! tsy mbola nankasitrahan’ny fianakaviana ihany moa izy nohon’ny fihaviany, nefa dia tsy mbola nahoakokoa izany ka dia nanaiky tsy sazoka izany safidy izany ny fianakaviako. Olona nalaza t@ androny tany M/car i DR mpanao baolina izy taloha, ary fantatr’olona maro koa taty Frantsa. Anisan’ny nanampy olona maro koa izy t@ izy mbola tany M/Car t@ fandefasana ny komorianina nody tany Comores t@ rotaka t@ 1975.

Nisy lafiny tsara sy ratsy anefa i DR fa nisy ny nilaza fa mpisoloky ihany koa izy, izany hoe @ maha mpiasam-panjakana azy dia somary nanararaotra ihany izy @ toerana misy azy sy ny antoko politika nisy azy t@ fikarakarana taratasy fahazahoan-dalana mipetraka eto Frantsa, nisy ny tafavoaka soa aman-sara ary nisy koa anefa no tsy nety fa dia nataony fakam-bola fotsiny.

@ pejy hafa ato anatin’ity sehatra ity aho milaza fa hoe sambatra ankehitriny ary milaza ihany koa fa voavaha ilay fangejako. Nony taty aoriana mantsy 2 taona taorinan’ny nifankahitanay sy i DR voalohany dia niara-nipetraka izahay, nifamadibadika teny ny mamy niarahanay, ny fitsangatsanganana isan-karazany, ni fijerena tany maro teto frantsa…, nefa nisy ihany koa ny nafaitra niainako, somary malama tanana izay ihany i DR taty aoriana tsy haiko ny anton’izany fiovana izany, tsy natetika anefa izany ka dia nahitako fialan-tsiny foana isaky ny niseho. Tsy nahatanty izany kosa ny fianakaviako, izany hoe ry nenitoa isany sy ny rahavaviko, ka dia nanao sinto-mahery ahy tao an-trano matetika, nefa dia nifamerina hatrany izahay.

Ny taona 1999 no teraka i Maeva lalaina, tokan’ny aiko, sy tsy foiko. Dia mety efa hainareo ny tohiny satria efa voasoratro ato ihany.


Sainte Rita

Izaho moa araka ny notaizana anay mianadahy avy dia manaraka ny fivavahana katolika. Tany @ sekoly katolika hatrany koa ny nianarako afatsy ny t@ faha kilasy de 2nd, izay nidirako teny @ lycée Andohalo, talohan’izay moa dia tao @dry masera tao Amparibe Providence, avy teo tany Soanierana tao @ Sainte Chantal, ary tany @ kolejy Maria Manjaka eny Andohalo ihany koa. Tsy ho lazaiko eto intsony ny taona nandehanako t@ ireo sekoly ireo fa hitanareo ao @ www.sipagasy.tk izany e!(mamelà hafatra rehefa mitsidika ao ann)

Araka izany dia azo lazaina fa dia niaina sy nilomano t@ fiainana kristianina izahay mianakavy. Tsy tena tao an-trano anefa no nahafantarako ny fisian’i Sainte Rita fa vao taona vitsivitsy ihany izay. T@ taona 1998 teo ho eo aho raha niasa tao @ dry masera ( ) ) tao Rueil malmaison, mpiara miasa tera tany antillaise izay no nanoro ahy io raha sendra nandalo fahasahiranana ny tenako. Ny fiangonana tao Paris 15ème no natorony ahy t@ izany, tena nahafa po ahy tokoa ny nandehanako tao, nahatsiaro faha toniana aho, sady fanasitranana ara-panahy ihany koa.

Tsy haiko aloha ianareo fa izaho raha vao niha tony ny zavatra niseho tamiko, dia adinoko ihany koa ny fivavahana ( ( ). Tsy hoe adino akory ny fisian’Andriamanitra, tsia tsy izay ny tiako lazaina, fa ilay fahazotoana miditra any am-piangonana, teo ihany koa moa ny fampiononan-tena hoe; tsy izay rehetra mandeha any am-piangonana akory no atao hoe “mpivavaka” fa izay rehetra mahatsiaro Azy kosa @ toerana n’aiza n’aiza misy azy. ka saika nijanona t@ io andiany faha 2 io aho dia ilay hoe mivavaka n’aiza n’aiza misy ahy ary raha toa ka sendra mahatsiaro koa aho, mahamenatra tokoa mantsy fa dia indraindray dia tsy mahatsiaro ny fisian’ny Tompo raha tsy maheno maharary na sahirana na misy zava-tsarotra isika olombelona, mba tsy hilazako hoe izaho irery. Maro amintsika ngamba ny toa ahy. nefa dia tsy mbola nanary antsika ny Tompo, teny lalandava izy nahita antsika, ary mbola eo lalandava koa izy hitsimbina antsika, hitarika ny lalantsika.

I sainte Rita moa raha bangoina tokana dia tovovavy nanam-bady ama-janaka, fa nohon’ny pahon’ny fahafatesana ny vadiny, ary nanaraka izany koa ny zanany dia nirona tanteraka @ fanokanan-tena izy, na izany aza alefa dia hatry izay izy no naniry ny hanokan-tena ho an’ilay Mpahary. Fony izy mbola kely ihany koa araky ny tantera dia efa nisy fambara niseho taminy, t@ izy mbola kely tokoa mantsy dia nisy tantely niditra ny vavany raha izy nampatorian’ny reniny iny teo ambany vodi-hazo, satria niasa teny an-tsaha ry zareo, nefa dia tsy nametraka fanjaitra taminy ireo biby ireo na ny kely aza, maro ny fambara fa io no tena nanaitra ahy.

Nahasarika ahy manokana ny fiainany satria dia tsy nifankaiza @ iainako,  t@ ara-panambadiana izany, miezaka ny hanova ny toetra’ilay vadiny izy ary tojony ny tanjony, niezaka ihany koa hikatsaka ny izay mba hampiadana ny manodidina azy ….. Tsy midika akory izany fa tsy takatry ny “ota” izy satria dia olombelona ihany koa. Ka io no tiako nalaina tahaka, ny fitiavana ny manodidina sy ny fanaovan-tsoa ihany koa ny mpiara-belona, anisan’ny ezahiko atao tokoa mantsy ireo araka izay mba kely tratrako sy vitan’ny aiko.

Taona 2007 isika izao hafaliana ny ahy raha nisy nilaza tamiko tato am-piasana fa misy fiangonana Sainte Rita aty akaikinay aty, tsy hoe akory hatrizay aho dia tsy niditra fiangonana ann hihih, fa ilay izy hoe Eglise Sainte Rita, no tena nahafaly loatra ahy. Vao tsy ela izay dia nitsidika io fiangonana io aho, ary nanao ny fomba atao rehefa mangataka vavaka, fa talohan’izay aloha dia nanao ny fanekena nolazain’ny vavako aho izay izaho sy i Sainte Rita ary ny Tompo ihany no mahay azy. Na dia katolika aza aho dia taty Frantsa vao nahay izany “neuvaine” izany, sy ny fombafomba @ fandrehetana labozia any am-piangonana sy ny tena dikany, ity takelaka ity moa nataoko indrindra ho an’ny zanako mba hahitany ny fihetsam-poko sy ny taratra kelin’ny zavatra iainanay @ izao fotoana, mba ho indrindra indrinda koa ho fahatsiarovana tsy natao hadinoina.

Anisan’ny ataoko mandritra izao fotoana izao io “neuvaine” io ary somary maro ihany ny fangatahana nataoko, nefa inona no hasetriko izany??????? tsy haiko, ny ho avy no hamaly azy ireny anie…..

Manasa antsika rehetra aho rehefa mba misy fotoana kely iny isika ao anatin’ny andro mba hanokana fotoana na dia 1 minitra monja aza ahatsiarovantsika fa misy ny Nahary antsika, misy ny Mpiahy antsika, ary misy ny Mpamonjy antsika, apetraho eo am-pelantanany lalandava ny andro sy ny zava-mavesatra entinareo fa ho hitanareo fa hihamaivana izany, ary izy hatrany no hanoro anareo ny zavatra tsara indrindra tiany ho tanterahina @ alalantsika.

Amen.

fahasambarana

Ity takila ity moa dia nataoko hanoratana izay mety ho fisainako na izay faniriako na koa hetahetako mandalo amiko ka tiako koa mba ifampizarana amin’ny rehetra e!

Lasa saina aho izay andro vitsivitsy izay mandinika sy mamakafaka ny atao hoe “inona moa ny fahasambarana?” Fahenoko matetika tsinona ny hoe “sambatra ianao” teo ho eo izay. Inona tokoa moa ny nahatonga izany??? maro @ ireo namako sy havako moa ny mahay ny fotoana nijaliako izay nolalovako teo @ fiainana, nefa dia efa nilaozako alavitra izany ankehitriny. Tsy tanteraka anefa izany rehetra izany raha tsy teo ny Tompo nitarika ny lalako, nanoro ahy ny tokony hataoko, nibitsika ahy mangina ka naha tonga saina ahy, nampisokatra ny masoko, ary niverenako taminy indray.

Ny nahay ny tantara moa izany hoy aho no miteny io @ izao hoe “sambatra ianao“, inona moa ny fahasambarana hoy aho namaly azy ireo, teo vao hoe inona tokoa moa izany???? ny nialàna t@ fangejana aloha voalohany, izany hoe ny nisarahako t@ rain-janako izany, nifamahofao tokoa mantsy ny tsara sy ny ratsy nandritran’ny niarahanay sy i DR izay,izay angamba ny lahatra e!, ny faharoan’izay indray dia ny asako, izay mifandraika tsara @ fianarana izay nataoko, ka tsy lany andro aho izany nianatra hihihihi, firifiry tokoa moa ny ankizy tonga mandrato fianarana aty ivelany no mivelona @ fianarana nataony??? tsy milaza akory izany fa vitsy , tsia, tena maro tokoa ary misy ny mitana toerana ambony aza @ tera-tany malagasy aty Frantsa (io aloha ny haiko)fa dia rehereheko sy an’ny ray aman-dreniko io izany e!, ny fahateko manaraka dia ny hoe fananako zanaka hendry hihihih izay mahagaga ahy ihany fa dia ny fahitako azy dia rehefa miaraka amiko ny zanako dia ohatran’ny diso hanta izany nefa rehefa any @ olona hafa any, ny mpitaiza azy ohatra, dia variana ny manodidina fa dia tsara taiza sy tia fihavanana ary fatra-mpanaja olona ilay zanako, ny faha efatra kosa dia ny nahitako ny olona hiara-dia amiko hamakivaky ity fiainana miserana ity.

Izaho tokoa mantsy dia tsy mba nieritreritra ny hiara-dalana @ olona izany intsony taorian’ny nisarahako t@ rain-janako, tsy hoe akory tofoka lehilahy aho, tsia, fa tsy dia hitako izay nilana izany teo @ fiainako an-davan’andro. Toa vitako samy irery ihany mantsy ny fiainanay mianaka, sady i Maeva rahateo koa moa manana mpitaiza tena azo itokisana sady nandray anay mianaka tahakan’ny havana mihintsy. Ka tsy dia hitako izy nilana izany atao hoe ‘lehilahy’ izany teo @ fiainako. Izaho araka ny voalazako teo ambony miasa ary ampy ho anay mianaka ny karama izay azoko, izahay rahateo koa tsy nozarina niaina tao anatin’ny filibana fa teo @ antonona hatrany ka izay foto-pisainan’ny ray aman-dreniko izay ihany ny mbola entiko miaina ankehitriny, ka hitako tokoa fa mahasambatra ahy hihihihih.

Niova tokoa mantsy ny fiainanay mianaka hatramin’izay niarahako dia t@ ity olona iarahanay miaina ity e! eto angamba no mahatonga ireo mpijery ivelany mahay ahy hiteny hoe “sambatra ianao”. Niova nanao ahoana moa izany?? izany hoe raha efa nanana ny ampy izahay mianaka teo aloha dia lasa misy ambiny na misy tombony izany ankehitriny. T@ taona lasa tokoa mantsy dia mba nanabe isa ny tompon-trano izahay mianaka, ka voatery nifindra trano sy toerana noho izany, tena nahafaly ahy tokoa aloha io e! mety zavatra tsy misy dikany @ sasany fa tena zava-dehibe tokoa amiko satria io ny mba ho anjara avelako @ zanako indray andro any tsy ety an-tany intsony aho, tsy voatery ny hanofa trano lava fa mba ho tompony @ izay e!, anisan’ny hafasambarana tsapako izany, niova koa ny rivotra ianana, izany hoe tsy niha nadio akory ann, hihihih, tsy izay fa hoe ny manodidina izany e!, tsy hoe nankahalaiko akory ny toerana nisy ahy taloha, fa tsapako milamina kokoa ny toerana ipetrahanay @ izao fotoana izao e!

Azoko lazaina hoe sambatra aho fa miara dalana sy momba izay ataoko rehetra ny Tompo ary tsara mpanotrona aho miaraka @ andefimandriko sy ny zanako, fa toa ohatran’ny tsy mety ho tonga @ izany fara-tampon’ny fahasambarana izany ny fahitako ny tenako, ohatran’ny mitsiriritra tsy hay izany lava, vao tsy ela tokoa mantsy no nahitako ny lahatsoratra tao @ sombim-piainan’i Soanja mikasika io, ka nahatonga resaka taminay tao an-trano.

Moa tokoa ve izay ho takian’ny saintsika tsirairay avy dia ho vitan’ny vatantsika ny hanatontosa izany?? ary ny maha sambatra ny vatantsika ve ho zakan’ny saintsika ny hanatatreraka izany??, azo raisina @ fiainana an-davan’andro tokoa mantsy ny ohatra. Azo raisina izao hoe tian’ny saintsika ny handeha hitsangatsangana hitsingevana eny an’habakabaka (fa izany no malaza @ izao fotoana izao) moa ve ny vatantsika haharaka izany?? izany hoe raha tiana ny ho tody @ io tanjona io dia tsy maintsy miasa mafy ny vatana ahazahoana ny rehetra (vola) hahafahana hanatontosa izany. Ary raha hoe hanome fahafinaretan’ny vatana indray isika (???) moa ve ho zakan’ny saintsika ny fitaovana  hampiasaina hahatratrarana izany??, na ny toerana hanaovana izany??? na ny tsy haiko ihany koa e!???

Teo aho vao tonga saina sy namaly irery ny fanontaniako hoe , tsia, tsy mety hisy ny fara-fahasambarana, eny fa na dia eo aminao aza ny rehetra, ny vola aman-karena, na ny finoanao ny Tompo, izay tokony hoe fiononana!!!!!!, toa tsy mety ho afa-po ny zanak’olombelona!!!, mety hoy ngamba ianareo hoe misy mifandimpatra izany resako izany, satria sady mino ny Tompo ho fiononana aho no mitaky ny fahasambarana izay takian’ny zanak’olombelona tsy mety tratra……hhihih aiza ihany re ity hombako e!!! mmhhhh maha lasa saina kannnnn sa ahoana hoy ianareo???

Hatreo indray aloha, asa ao anatin’ny sokajy inona no mety hisitrihan’ny soratanako eto?


No comments

Sokajy inona ary ê!

Lasa ihany ny saiko mahita ny fifamoivoizana ety @ totolon’ny aterineto ety. Hoy aho matetika manontany tena hoe inona ary no manosika ny olona hitoraka blaogy e! marina fa hoy i Hery hoe inona no misakana anao tsy hanokatra, nefa dia mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe inona ary ny ho soratana ao??.

  • HItantarana fiainana veh?
  • ny nahafinaritra sy ny nampa-ory ihany koa?
  • fihetseham-po?
  • fangalana hevitra?
  • fampianarana?
  • sns…. tsy haiko intsony…

Misy ny manoratra mba hahatsapany fa misy izy (EXISTER): eto dia mipetraka ny fanontaniana hoe karazana fitsaboan-tena veh ny ataon’ilay mpanoratra? mba tsy handehanana mijery psy sns?? izany hoe amiko manoratra izy mba hanehoany ny aminy.

Misy koa ny manoratra mba hiresadresahana fotsiny (PAPOTER): misy dia lasandavitra mihintsy @ fampiresahana @ itony akora itony (msn, messenger, karajia 🙂 …)

Misy koa ny manoratra mba hifampizara (PARTAGER): tahakan’ny ireny vohikala ahitana toro hevitra isan-karazany ireny na ho an’ny sakafo, izany na ho an’ny fahasalamana, na ho an’ny fiainana an-davan’andro fotsiny koa aza(truc et astuce).

Misy koa anefa ny manoratra mba hanehoany ny heviny (MILITER), na koa mba hanohanany tsangan-kevitra iray, fa tsy tsangan’olona akory annnn hihihi. Maro karazany ireo na eo @ sehatra politika na sehatry ny finoana na ara-toe-karena ihany koa.

Misy ny manoratra mba hoe hihoarana eo @ fiainana manokana (PASSER UN CAP DANS LA VIE): ohatra hoe raha hifindra monina ianao dia @ alalan’io no mba hifampizaranao ny zavatra ataonao, ary ahalalan’ny olona indray toerana misy anao; karazana carnet de voyages izany e!

Fa raha ny tena fahitako azy dia tsotra ihany e! manoratra ny olona iray mba hitanany na hitazomany ny tady @ manodidina azy (GARDER LE LIEN): io angamba no teny mora st tsotra indrindra manosika antsika rehetra ireto hanoratra e!

Koa ho an’izay mbola tsy manana ny azy dia asa raha misy àireo sokajy ireo mba nanaitra anao ka hanosika anao hanoratra??

 


No comments