Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Martsa, 2019

Fandalovana ny ety an-tany

Tsy hay ny hiteny, vahotra ny lela, fa dia izay no lahatra ary dia ekena satria dia Izy Tompo no nanome, ary Izy ihany koa no maka, isaorana Azy ny 45 taona nomeny anay niarahana niriaria taminy,

Veloma razandriko izany

Izao aho vao miverina mamaky tsara ny soratra teny fampiononana nosoratan’ny tapaka sy namana maro, ka anisan’ny nanohina aho tokoa ity misy rohy ahitana an’i Hoby ity

https://www.facebook.com/groups/108170892853387/permalink/790080881329048/

tena hoe tsy lasa izy fa ohatran’ny hoe mbola ho avy hihira na hiantso ahy hanontany hoe ahoana nety ve ny poziko, dia ho avy aho hamaly hoe ny artiste ve hanontany pozy izany moa fa izay ataony eo dia mety foana, hihihi misy mpankafy foana iny na pataloha rovitra aza anaovany….. eeehhhh, tsy misy mpanontany izay intsony aho ity rey olona annn… malahelo ilay zandriko aho izany e!!!


506 comments