Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Martsa, 2021

Reny, Renibe,Anabavy vehivavy e!

Andron’ny 8 martsa androany, asa raha mbola misy lanjany ihany izany vanim-potoana izany eo @ mpiara monina na tsia. Fa raha tsy nitolona ry Simone Veil sy ny tariny taty Frantsa dia tsy ho tahaka izao ny fomba fiainan’ny vehivavy raha ny eto Frantsa fotsiny no ho resahiko aloha.

Tsy mora ny mitondra tena ho vehivavy, satria na inona na inona no ataonao, dia tsy maintsy hisy hatrany ny kiana ho azonao. nefa mety io ho kiana hanatsarana zavatra, ary mety ho kiana koa fialonana, satria dia tsy miala amintsika olombelona izay fialonana, na fiatsaram-belatsihy izay.

8 mars hoy aho anio dia mihetsika daholo ny fikambanana rehetra mampiseho ny asa vita sy izay ho hatao rehetra, tsy ho tanisaiko fa efa hitanareo eny rehetra eny daholo, (ity moa ahy dia izay tiako apetraka eto).

Mbola tsaroako foana ilay nandika ilay boky “Monologue du vagin” ho @ teny malagasy fa dia fihomehezana ny an’ny troupe des zazavavy ….

Asa manao ahoana re raha vakiana @ malagasy iny boky iny izao e! ho menatra ve ny mpamaky sa ny mpihaino e!, tiako ho hita be ny fihetsiky ny olona izany, Iza re no ho afaka hanao izay miaraka amiko e! ho ataoko izay miaraka @ i Tatisy atsy ho atsy enga anie…..

 

Faly koa aho fa renibenjaza moa izany e… afaka mifanakalo aminy na dia tsy eo akaikiny aza fa afaka manao izany @ alalan’ny téléphone…

afaka mampianatra azy ny fiainana, ho mahaleo tena, tsy hiankina na @ iza na @ iza, hahay hanaiky ny fahasamihafana, hahay hijoro @ heviny ihany koa….

mbola hitohy

Tonga kely ny inspiration androany nahita fa hoe nisara-panambadiana ny mpivay iray izay anisan’ny manan-karena be eto an-tany. Tsy iza izany fa ry BIll sy Melinda Gates, izy ireo moa dia anisan’ny mpanao asa soa maneran-tany ihany koa, ny tiako ho raiketina eto fotsiny dia hoe manana fondation i Melinda, izay miasa betsaka tokoa any Afrika eo amin’ny sehatra ara-pahasalamana, tsy mba sakana ho azy izany hoe misaraka @ vadiny izany na dia efa 27 taona nivadiana ary mety ho efa ho maherin’izay nifaneraserana aza izy mivady ireo. Ny an’ny tatsinanana tokoa dia tsy mba sakana ho an’ny fiaraha miasa ny fisarahana, nanambara mantsy izy ireo fa dia mbola hitohy hatrany ny fiarahan’izy ireo miasa fa ny fiainan-tokan-trano no mijanona hatreo. 

 


598 comments