Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Janoary, 2009

2009

Tsy  odian-tsy hita intsony ny zava-miseho any an-tanindrazana @ izao fotoana izao, Mahonena ny vahoaka atao tohatra fiakarana, Mahonena ny firenena latsaka anaty ady an-trano tahaka izao, ary Mahonena ny mahita ny entana sy ny trano rava sy may @ izao fotoana izao ihany koa.

Tsy any an-toerana moa ny tena ka dia eto à aterineto no manovo ny fahalalana ho @ izay zavatra rehetra miseho any ankoatry ny antso an-tarobia ifanaovana @ fianakaviana sy namana any an-toerana.

Indro ny rohy fanarahako akaiky ny zava-miseho any an-tanàna!

Fa masina ny tanindrazako.

MIJOROA  MAHASAHIA  FA MASINA NY TANINDRAZANA.


3 comments

Fandaharana TF1

Enquêtes et Révélations

Prochaine diffusion le : 20/01/2009 23:20:00
Produit par Eric Hannezo et Jacques Aragones
Proposé par TAP
Présenté par Magali Lunel
Reportage : Sébastien Spitzer

Madagascar… Ses plages de sable fin, ses paysages volcaniques et ses eaux turquoises tournées vers l’Océan Indien accueillent chaque année des dizaines de milliers de touristes. Des familles françaises, des amateurs de pêche au gros… mais aussi des prédateurs, de plus en plus de prédateurs. Ces dix dernières années, l’île située au large de l’Afrique attire en effet de plus en plus de touristes sexuels.
Les jeunes “proies” malgaches ont entre quinze et vingt-cinq ans. Elles sont belles, métissées mi-africaines, mi-asiatiques et leur plastique de rêve est devenue leur seul chance de survivre dans un des pays les plus pauvres du monde. Eux, sont Français pour la plupart, ils ont entre cinquante et soixante dix ans et pour moins de vingt euros la nuit, ils profitent de la misère de toutes ces proies faciles.
Nous avons traqué ces nouveaux prédateurs prêts à se payer quelques jeunes filles, parfois mineures, pourvu qu’elles se plient à leurs fantasmes sexuels. Nous avons interviewé ces jeunes filles, tenté de comprendre comment elles pouvaient en arriver là, découvrant que la plupart d’entre elles croyaient encore que l’un de ces “vazahas” (étrangers) voudrait bien les emmener en France, les épouser, fonder une famille.
Pendant le tournage de notre reportage, les autorités malgaches ont voulu frapper fort et se sont lancées dans une campagne de répression sans précédent. Pour que Madagascar et sa petite île de Nosy Be ne riment plus avec tourisme sexuel, la police et la justice malgaches ont décidé d’éradiquer ce fléau.
Le résultat est stupéfiant : arrestations massives de touristes français, incarcérations abusives, justice expéditive… En l’espace de quelques semaines, des dizaines de Français se sont ainsi retrouvés enfermés dans les prisons malgaches, des geôles d’un autre âge. Les uns après les autres, ils ont été condamnés à cinq ans de prison ferme. Madagascar a créé un nouveau délit : celui de ” tourisme sexuel “. Il s’applique aux étrangers qui ont payé des jeunes filles malgaches, qu’elles soient mineures ou majeures…
Les journalistes ont pu filmer ces vagues d’arrestations. Ils ont retrouvé ces Français, médecins, postiers ou chefs d’entreprise. Enfermés dans la prison de l’île malgache de Nosy Be où certains s’attendent à passer leur cinq prochaines années, ils nous ont confié leur angoisse, leur peur de mourir là, de finir leur vie entre les murs délabrés de prisons décrépies, héritage d’un autre âge, celui de la colonisation française.


No comments

Ngidin’ny safidy!

An investigation into sex tourism in Madagascar
Nanaitra sy nanohana ny foko loatra ity sangan’asa kely ity ka zaraiko aminareo, ny fanafodiny veh??? hhmm ngamba ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay handray ny andraikitra tandrify azy avy.

 

 

Ato koa misy lahatsoratra mahafinaritra sy mahatalanjona ho an’izay liana  jereo eto


1 comment

serasera.org

Atao hoe kilema veh?? tsia ann, samy manana ny mahavantana azy ny tsirairay, ahoana tokoa moa no nahatonga ahy t@ io vohikala lalaiko loatra io??

jereo eto==>  (voasoratra t@ :Novambra 26th, 2007)

Araka ny tantara moa dia nankalazaina ny faha 24/11/2007 teo ny faha 5 taonan’ny ‘namana.serasera.org’ tsy hivalampatra hitantara aho fa efa hitantsika izany ao @ rohy etsy @ sisiny havanana,

Vao tonga taty Lille aho fa satria moa tany @ faritra manodidina an’i Parisy fona no nitoetra hatrizay dia nitady hoe ‘namana’ fa dia tena irery taty e! tsy nahay an’iza n’iza izany aho i DR dadan’i Maeva no nahafantatra olona maro taty, nifindra monina taty moa izahay araka ny efa voalaza any ambany any @ ‘post’ hafa any nohon’ny asa izany tsy maintsy nosahaniny, ka izaho tsy nisy natao ankoatran’ny asako, dia ny lalana mody, ggrrr hihi dia iny ary aho fa nanita-kevitra ny hitady namana, dia tojo ny serasera.org aho ary dia nanomboka teo ihany koa ny nankafiziko io vohikala io.

Tsy ho lava taria aho fa indro ny santionan’ny sary izay mba tena nankafiziko tao, efa ho 400 mahery moa ny sary ato

ankafizo ary e!


1 comment

Antsasa-manila/dika mitovy

Dia variana aho androany, sady tonga saina ihany koa fa ny antsasaky ny fiainako izany dia niainako tsy teo an-kilan’ny ray aman-dreniko, fa dia “nanabe tena irery aho”. T@ taona 1990 tokoa mantsy no nandaozako ireo nahitako masoandro hiampitako ho aty Frantsa, handratovako fianarana sy fiainana.

Maro ny dingana nolalovana tao anatin’izay 17 taona tsy niarahako niaina t@ ireo ray aman-dreniko izay, teo ny tsara teo ny nangidy ihany koa. Tantely amam-bahona ny fiainana moa ka tsy dia atao mampalahelo izany fa araka ny fiteniko matetika hoe “fiainana izany e!”

Tsaroako tokoa mantsy 17 taona lasa izay raha vao nanitsaka izany atao hoe frantsa izany aho dia variana be nandinika ny manodidina, dia tahakan’ireny hita @ fahita lavitra ireny tokoa, ny trano mijoalajoala, sy ny tsitokontokon-trano ihany koa ho any @ faritra miala kely ny renivohitra. izahay mirahavavy moa no niaraka tonga taty t@ io taona io, izany hoe ny zandriko vavy dia efa tonga herinandro mialohan’ny nahatongavako. I Hoby (zandriko) moa izany dia nivantana tao Cachan rue Marx Dormoy tany @ zokin’i neninay vavy matoa, ary izaho kosa dia tany Les Mureaux rue André Breton tany @ fara vavin’i neninay ihany koa, 4 mirahavavy moa ry zareo no aty Frantsa, ka dia nifandamina ry zareo t@ fandraisana anay mirahavavy.

Tsy ho lava resaka aho fa dia bango tokana no ataoko ireo 17 taona niainako ireo.

Tany St Quentin en Yvelines (78) aho no nianatra, ary 3 mianadahy izahay no tera-tany malagasy tafaraka nianatra tao, dia i Rocco, sy i Tompokovavy Marson Erica. i Erica moa dia mpiara-mianatra tamiko hatrany @ Providence Amparibe, tany Soanierana ihany koa, tsy dia nifanalavitra moa ny trano nipetrahanay tany Madagasikara, ka tsy nahagaga raha tena mpinamana tokoa izahay, izy rahateo tsy nisy rahavavy ka dia nifampitondra tahaka izany izahay, na dia nifanimpaka aza ny rivotra politika niainany sy ny tao an-tranonay, tsy naha sakana anay tsy ho mpinamana, mpirahavavy izany. Nizotra tsara ny fianaranay 3 mianadahy nandritry ny 3 taona nianaranay tao, izahay mirahavavy moa ny taona voalohany dia kilasy mandry ka tsy mody any @ fianakaviana raha tsy ny zoma hariva ary miverina indray ny alahady hariva, nahafinaritra ny fianarana satria dia tena izay tokoa ny nokendreko sy notadiaviko hatao any aoriana. Rehefa vita sy azo ny BTS t@ taona 1993 dia samy niparitaka izahay 3 mianadahy, samy nanana ny lalany avy. Izaho moa nanohy teny @ IUT n’i Evry mikasika ny “gestion hotellière”, ka naharitra 2 taona izany nahazahoako ny Diplome de Technologie Approfondie DTA.

Nandritra ny 3 taona niofanana anefa dia sahala @ tovovavy rehetra ihany aho ka mba nisy ny nahasarika akoatran’ny fianarana, taty tokoa mantsy aho vao niaina izany hoe fananana sipa izany, (tsy dia tara loatra hihih). Sahala @ ankizy mitovy taona amiko dia mba nanana sipa aho, tsy mpiara mianatra fa dia ivelan’ny fianarana tokoa, satra malagasy ny niaraka tamiko, ndeha antsointsika hoe Bema ny anarany mba tsy tena hilazako ny momba azy, mbola mpianatra koa izy t@ izany saingy tsy tena hoe mpianatra fa efa niasa. Ny ankamaroan’ny namako moa t@ izany dia saika malagasy avokoa ka hitako fa dia tsy mora tamin’izy ireo tokoa ny sady mianatra no mivelona satria dia tsy maintsy arahin’asa ny fianarana, nefa ny fotoana hianarana sy hamerenan-desona tsy ampy akory. Izaho kosa dia niadana satria ny rahavavin-dreniko dia tsy mba nitondra anay tahakan’ny zana’olon-kafa fa dia tahakan’ny zanany naterany tokoa, nahazo jiolahim-paosy izahay ka tsy nila izany hoe niasa izany sady nianatra, tena isaorako azy ireo izany, fa saingy tsy tsapako hoe “avantage” izany fa noheveriko fa zavatra ara-dalàna ihany, tsy voatery tokoa mantsy ry zareo hanao izany satria efa nosokajiana ho olon-dehibe aho ka tokony, ngamba, hisahana ny fiainako irery.

I Bema dia tsy iray fihaviana, tsy iray firazanana ary tsy iray finoana aminay ka dia sarotra ihany ny fifandraisany t@ fianakaviako, ny fitiavana nefa nisy teo aminay ka tsy dia nahoanay loatra izany fa dia niaraka teny ihany izahay niaraka namakivaky ny lala-kely nosoritanay. Tsy nisy “raharaha” natao moa taminay fa dia niaraka niaina tahakan’ny mpivady izahay, tokatrano maso hoy isika. Izaho moa t@ izay dia tsy mba niraika loatra t@ izany hoe mariazy sns izany na dia pastera aza ny zokin’i Bema, izay manontany lava anay ny antony tsy mbola irosoanay eo @ fiainan-tokantrano kristianina. Samy tsy nahita havaly izahay t@ izany, asa tsy vonona ve? sa ahoana, tsy hay be ihany!. Nandalo fisedrana anefa ny ankaninay ka dia rava tery ny nokasaina atao rehetra. T@ taona 1995 teo ho eo avy naka fialan-tsasatra tany an-tanindrazana aho no rava tsimoramora ny zavatra natsanganay sy i Bema, tsy nohon’ny fianakaviana akory fa nohon’ny antony izay azoko lazaina fa tsy nisy dikany firy satria dia elanelan-tany no nisarahanay. Voatery nisintaka tany Italie tokoa mantsy i Bema no nipetraka fa nanahirana ny fanamboarana na ny fanavaozana ny taratasy fahazahoan-dalana ipetrahany teto t@ izany. Lasa izy izany, izaho niverina nipetraka tany @ vavy matoan’ny neninay tany Rueil malmaison (92) vita ihany koa ny fianarana nataoko mikasika ny fitantanana trano fandraisam-bahiny, ka niroso t@ fianarana teny vahiny aho, izay tsy tena mbola voafehiko tsara t@ izany.

Niditra tao @ Fac de la Sorbonne aho sampana LEA Anglais. Somary mafy ny fianarana satria dia t@ teny angisy ranoiray izany, izaho efa zatra ilay teny Frantsay teo hihihi. Ny ankamaroan’ny fianarana dia tany Clignancourt no natrehana, somary lavitra ihany noho izany i Rueil malmaison sy i Clignancourt, ka dia nitady trano taty ivelany aho ho ahy manokana. Nahita tokoa aho tao @ Paris XVI, efitrano iray ambany tafo,na chambre de bonne moa ny fiantso ireny aty, ary ny sarany kosa dia mikarakara be antitra mivady izay in 3 isan-kerinandro. Nifindra trano ary aho izany nonina tao @ io efitra io, nisy ny rehetra tao amiko, nampian’ny nenitoa isany ihany koa moa aho t@ izany. Nahaleo tena tanteraka indray aho, indray hoy aho satria hatramin’ny nisarahanay sy i Bema dia izao indray aho vao hanana ny tokan-tranoko izaho samy irery.

T@ izany fotoana izany ihany koa no nifankahalalako t@ i DR. Olona somary tahaka an’i dadanay ny fomba fihaingony, izany hoe avy niasa moa ny nahitako azy voalohany izany e!, niakanjo complet izy, mihaja, tena sariaka ary manintona maso raha jerena tampoka, tovolahy e! :). Nifanakalo laharana telefaonina teo izahay dia samy lasa. Izaho nody moa dia nientanentana be ihany satria dia tena nahataitra ahy ny nahitako azy e!, izaho sy i Bema moa t@ izany na nisara toerana aza tsy tena natao hoe nisaraka tanteraka. I DR dia somary be resaka izay ihany, tsy haiko, izay ngamba ny fanaony “manjono” vehivavy. Mazava ho azy moa izany fa tsy maintsy niteny ny olana nisy taminay sy i Bema aho t@ i DR raha toa ka afaka manampy ahy izy. Tsy izay anefa ny tany an-dohany fa ny hiaraka amiko, ka dia roboka koa aho, babo e! Adino tanteraka i Bema. Nanomboka teo dia nihamafy ny fifandraisanay sy i DR, nahafinaritra satria izy dia somary be resaka ka hainy tsara ny mandangolango anao sy milaza izay tianao ho heno ihany koa. T@ taona 1995 moa izany no niseho ka tena tao anatin’ny fotoanan’ny fikarakarana ny fifidianana ny frantsay, i DR dia anisan’ny nizara “tracte” ho an’ny RPR t@ izany, mpikambana @ io antoko politika io mantsy izy. Matetika no niaraka izahay rehefa nisy fivoriana t@ izany, roboka tanteraka aho e!, samy nanana ny trano ipetrahanay izahay t@ voalohany. Naleoko tokoa mantsy nahaleo tena aho e! hafa ihany izany manana ny an’ny tena izany. Nahafinaritra ny fiarahana t@ DR na dia tena nisy aza ny ambony ambany teo @ fiainanay e! tsy mbola nankasitrahan’ny fianakaviana ihany moa izy nohon’ny fihaviany, nefa dia tsy mbola nahoakokoa izany ka dia nanaiky tsy sazoka izany safidy izany ny fianakaviako. Olona nalaza t@ androny tany M/car i DR mpanao baolina izy taloha, ary fantatr’olona maro koa taty Frantsa. Anisan’ny nanampy olona maro koa izy t@ izy mbola tany M/Car t@ fandefasana ny komorianina nody tany Comores t@ rotaka t@ 1975.

Nisy lafiny tsara sy ratsy anefa i DR fa nisy ny nilaza fa mpisoloky ihany koa izy, izany hoe @ maha mpiasam-panjakana azy dia somary nanararaotra ihany izy @ toerana misy azy sy ny antoko politika nisy azy t@ fikarakarana taratasy fahazahoan-dalana mipetraka eto Frantsa, nisy ny tafavoaka soa aman-sara ary nisy koa anefa no tsy nety fa dia nataony fakam-bola fotsiny.

@ pejy hafa ato anatin’ity sehatra ity aho milaza fa hoe sambatra ankehitriny ary milaza ihany koa fa voavaha ilay fangejako. Nony taty aoriana mantsy 2 taona taorinan’ny nifankahitanay sy i DR voalohany dia niara-nipetraka izahay, nifamadibadika teny ny mamy niarahanay, ny fitsangatsanganana isan-karazany, ni fijerena tany maro teto frantsa…, nefa nisy ihany koa ny nafaitra niainako, somary malama tanana izay ihany i DR taty aoriana tsy haiko ny anton’izany fiovana izany, tsy natetika anefa izany ka dia nahitako fialan-tsiny foana isaky ny niseho. Tsy nahatanty izany kosa ny fianakaviako, izany hoe ry nenitoa isany sy ny rahavaviko, ka dia nanao sinto-mahery ahy tao an-trano matetika, nefa dia nifamerina hatrany izahay.

Ny taona 1999 no teraka i Maeva lalaina, tokan’ny aiko, sy tsy foiko. Dia mety efa hainareo ny tohiny satria efa voasoratro ato ihany.

voasoratra ny: Jiona 10th, 2007


No comments

Iza moa aho/dika mitovy

Ity lahatsoratra manaraka ity dia notsoahina avy t@ bolongana teo aloha.

Miarahaba antsika rehetra tonga mitsidika ato e!

Iza moa aho,

Rajaonarison Mavoseheno Hanitra no anarana entiko, mpampianatra ny ray amandreniko, ary ny dadako ihany koa dia mpandrindra ny antoko OTRIKAFO any Madagasikara.

Efatra mianadahy izahay no natareky ry zareo, roa vavy ary roa lahy, izahay mirahavavy no monina aty ivelan’i Madagasikara izany hoe aty Frantsa izahay e!

Ny nahatonga ny fiantsoana ahy hoe “sipagasy” kosa dia taty am-pita ihany, izany hoe tany am-pianarana izany dia hoe manontany ny ankizy hoe avy aiza aho sns e!!! dia namaly aho hoe avy any Madagasikara, eo @ izay moa dia mifampitady @ carte ny sasany hoe aiza moa ny misy izany …. ka rehefa hita dia hoe ary inona ny fiantsoana ny mponina any aminareo?? dia hoy aho hoe Malagasy na azo afohezina hoe “gasy” ary ny hoe ahoana kosa ny hoe tovovavy?? mmhhh tsy naita notenenina aho fa hoe “sipa” dia raikitra izany fa hoe “sipagasy” ny hiantsoana ahy satria tovovavy any any Madagasikara aho. Azafady tsy voateniko teo fa mpiara mianatra tamiko tao @ Lycée Hotelier de Guyancourt tany @ 78000 no nisian’izany resaka kely izany.

Ankehitriny moa izany aho dia miasa @ Hotel aty Lille izay tsy mifanalavitra @ toerana onenako e!

Vao manomboka ity moa aho ka tsy dia hitako loatra izay hoe apetrako ato fa mbola ho dinihina eo ihany angamba e!!! asa mety ho santionany @ onjam-piainana iainako no apetrako ato fa tsy ny rehetra kosa angamba e! (ny soa fianatra akia Mme Soanja ann)


No comments