Blaogin’ny Namana Serasera weblog

RNS NANTES 2009

Efa somary ela ihany aho no tsy nanoratra ka asa raha ho tafavoaka ihany ny tiako hambara etoana,

Vita soa aman-tsara iny ny RNS (Rencontre  Nationale Sportive et Activités Culturelles) izay natao tany Nantes, mba anisan’ny nahazo ‘stand’ t@ izany lanonana iznay ny serasera.

Inona moa no tena antony?

Mora ihany, maro amintsika aty ivelan’i Madagasikara no manembona ilay tany nihaviana, (tsy niteny aho akory hoe mpanao valalan’amboa daholo ny diaspora rehetra an!) koa niforona t@ izany ny site serasera.org izay natsangan’i Hery. Tsy hitantara ny niforonan’ny tranonkala aho fa efa hitantsika ao @ lisitra izany.

Ny dia tany Nantes!

Nitana stand hoy aho ny serasera tany @ rns 2009, ny tena tiako navoitra t@ izy io mantsy dia ny fifankatiavana sy ny fiaraha-miasa misy @ samy mpiara-belona na dia tsy mifankahalala avy aza ny mpikambana ao anatiny. Avy @ serasera.org tokoa mantsy no nipoiran’ny fiaraha-miasa @ ‘association’ sasantsasany, tahaka ny ‘tetezana onlus‘, ny EDSAT, ny FOKO Madagascar . Tsy ho tanisaiko eto avokoa ny asa vitan’izy ireo fa efa ireo ny rohy ahitanareo azy, ny tena mahafinaritra ahy dia ny finiavan’ny vondron’olona namorona ireo associantions ireo, samy manana ny andraikiny avy izy ireo, ary manentana izay tsy mbola ao anatiny na koa izay mbola vonona ny hiara-miasa mba hanao izany. Azoko lazaina hoe tao @ serasera.org no loharano nifankahitan’ireo mpikambana ireo. Izany hoe voavolavola avy tao @ io tranokala io ny mpiara-miasa ao @ ireo assoc ireo e! (tao no nifankahitana sy nahitana fa misy hevitra itovizana ka niarahana novolavolaina sy notanterahina). Samy manana ny hanitra ho azy avy ireo associations notsongaiko manokana ireo,

Tsy adino ihany koa anefa ny fiarahana miasa t@ telomiova, izay tena foto-drafitrasa ilaina koa hampandrosoana ny firenentsika, satria dia any @ EPP na sekoly fanabeazana fototra, no iompanan’ny tetik’asa sahaniny.

tatitra kely tany Nantes!

Tsy afaka hiteny aho hoe vitsy na kely ny olona niserana teo @ stand satria tsy misy anoharana ny isa, vao sambany no nisy hetsika tahaka izao ka andraisan’ny serasera anjara aty ivelany. Ny sabotsy maraina moa dia natokana ho an’ny fanokanana ny fanombohan’ny lalao, ary koa fisokafan’ny stands, nandalo nitsidika araka izany ny manam-pahefana teo an-toerana izay nahitana ny consul mivady izay mampiantrano moa, ny solo-tenan’ny ville de Nantes, ary ny mpikarakara ny rns. Gaga arak’izany ry zareo rehefa maheno fa avy @ site virtuel, no nipoioran’izao assoc izao. Ary mbola talanjona ihany koa izy ireo @ zava-bitan’izy ireo avy, tsy nisy teny nambaran’izy ireo afatsy ny hoe manohana anareo izahay, sy ny hoe tohizo fa tsara (tsy midoka tena aho annn!) .NY mpitsidika moa dia nisy ny nilaza fa ny tononkira, na ny ohabolana, na koa ny karajia no tena mahaliana azy @ io vohikala io, (serasera io), maro mba tsy hilazako hoe izay rehetra nitsidika teo dia nahalala ny fisian’ny na  efa naheno ny vohikala serasera.org, izay tsy afa-misaraka @ fisian’ny radiovazogasy.com. Ho fehin’ny voalazako aza dia hoe nahafinaritra ny tany Nantes e! nahita namana avy tao @ serasera aho, nahafinaritra ihany koa ny fiarahana miasa t@ ireo assoc voatanisa eo ambony ireo! ny sary ngamba no aoka hiteny sisa !!!!! sao manjary hamorona eto ny hiafarako!!!!!

Misaotra e!!!!!miala tsiny fa tsy manay manao tatitra fa tsy mpanao gazety e!!!!!


No comments

No Comments It's lonely here, please leave a comment

Leave a reply