Archive for Oktobra, 2009
SERASERA.ORG FENO 10 TAONA
Vanim-potoana lehibe eo à fiainan’ny zanak’olombelona ny fahatratrarana ny tsingerin-taona nahaterahana, tsy latsa-danja @ izany ihany koa anefa ny zava-bita, tao-zavatra, asa tanana asa soratra sns….
Omena lanja manokana eto ilay tranonkala nahitako ny mamy sy nifikirako mafy raha sendra tafio-drivotra aho indray andro izay!!!(lol tadiavo any ambadimbadika any ny nahatonga ahy ho tonga teo @ tora-pasiky ny serasera.org)
Nankalazaina t@ fomba manetriketrika mantsy izany faha 10 taonan’ny takila izany, nanafana ny lanonana t@ izany ny Tarika AMBONDRONA, JOBILY WEBER, FAMAKY, ny DJ koa teo an-daniny nahitana an’i SIM JAY ary ny ekipan’ny MOVE MADA.
Tsy ho lava resaka aho fa indro ny rohy nosoratan’ny tompon-takelaka ho @ izany faha 10 taona izany!
ouups miala tsiny fa nisy fahatapahana ny aingam-panahy ka tsy mahita soratana intsony indray e!!!! ouupss
Marihina fa maimai-poana ny serasera.org, nefa na izany aza dia misy ny vola aloha ho @ loha milina sns koa tsy hoe mitarain-tana-miepaka izy ireo (mpikarakara) @ izany na koa manao antso avo, fa mba manainga antsika kosa ho an’izay te handray anjara fitia tsy mba hetra ny @ fanohanana ny takelaka.
http://www.hostingpics.net/viewer.php?id=782537fety1.jpg
soa hatrany ny fiarahatsika e!!
“tsiky dia ampy” hoy i sefo izay!
2 comments
Oktobra 04th, 2009 |
Category: