Archive for Jolay, 2010
Shoan
Tsy zoviana amintsika intsony i Shoan, fa dia nanana ny anjara toerany lehibe teo @ diaspora Malagasy aty Frantsa izy, mpaka sary, mpanoratra lahatsoratra ihany koa, ary mpikambana ao @ gasy Tsy Very ihany koa,
Ndesin’ny fahafatesana tokoa mantsy izy rehefa avy niady mafy t@ aterina homamiadana, izay nikiky azy mangina tao, akory atao, apetrantsika an-tanan’ny Avo ny mandray azy hitoetra eo anilany.
Ny nahalalako an’i Shoan dia t@ fifaninanana http://www.bestofmalagasyblogs.com/, nandray anjara izy, ary nahafinaritra sy nanaitra ahy ny tao @ tranonkalany, ary dia nahazo loka moa izy t@ izany.
Ity lahatsoratra ity dia ho fisaorana azy t@ nahalalako azy, ny zavatra nentiny tamiko, dia ny fifankatiavana sy ny firahilahiana izany,
mahaiza mionona ry izy mianakavy
Mandria am-piadanana Shoan!
1 comment
Jolay 05th, 2010 |
Category: