Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Shoan

Tsy zoviana amintsika intsony i Shoan, fa dia nanana ny anjara toerany lehibe teo @ diaspora Malagasy aty Frantsa izy, mpaka sary, mpanoratra lahatsoratra ihany koa, ary mpikambana ao @ gasy Tsy Very ihany koa,

Ndesin’ny fahafatesana tokoa mantsy izy rehefa avy niady mafy t@ aterina homamiadana, izay nikiky azy mangina tao, akory atao, apetrantsika an-tanan’ny Avo ny mandray azy hitoetra eo anilany.

Ny nahalalako an’i Shoan dia t@ fifaninanana http://www.bestofmalagasyblogs.com/, nandray anjara izy, ary nahafinaritra sy nanaitra ahy ny tao @ tranonkalany, ary dia nahazo loka moa izy t@ izany.

Ity lahatsoratra ity dia ho fisaorana azy t@ nahalalako azy, ny zavatra nentiny tamiko, dia ny fifankatiavana sy ny firahilahiana izany,

mahaiza mionona ry izy mianakavy

Mandria am-piadanana Shoan!


1 comment

Hevitra 1

  1. ikalamako ikalamako :: Jolay 6th, 2010 11:03 pm

    Dia ny loka “Prix coup de coeur” tamin’ny BOMB’S 2010 dia nomena ny anarana Prix Shoan izay norombahan’i kdaombaramita.

    Handry ampiadanana izy fa vita ny hazakazany

Leave a reply