Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Jolay, 2012

fialan-tsasatra 2012

Toy ny mahazatra isan-taona dia lasa indray i rakalakely namonjy ny namany any am-panaovana colonie de vacances ka t@ ity dia any Habere-Poche ry zareo no mitoby, maharitra 3 herinandro any izy ary hisy fotoana aza hiondranandry zareo any Soisa satria dia akaiky eo ny misy azy ireo, efa tsindrin-daona ery izy ny handeha hahita ireo namany izay tsy hitany raha tsy fialan-tsasatra satria tsy mitovy ny sekoly misy azy ireo avy.

Izaho sy i José kosa indray dia hielinelina any Amsterdam sy Bruxelle rehefa misy fotoana fa ireo no tanàna akaiky anay eto izao aloha, i José moa tsy dia naka fotoana fialan-tsasatra firy t@ ity taona ity fa dia varianan’ny asa, mampivady asa koa moa tsy mora ka na vakansy @ asa iray aza mety tsy ho vakansy @ asa hafa hihihih izany rehefa be ierehana e!!! akory atao fa tsy moramora ny mitady vola hoy ilay hira izay e!!!

Dia variana tanteraka ao àikala facenjavatra ao tokoa aho ka tsy mba niserana teto akory raha tsy izao indray, tsy dia misy zavatra ho raiketina koa moa e!

Zavatra tokana ihany kay no saika adinoko tokoa ny nandrakitra azy ato dia ny nahalasanan’i zokin’i neny dia i tonton Loulou izany, vizana sy tsy dia salama intsony izy faramparany izay ka dia fahasoavana ho azy ny nakan’ny Tompontsika azy tety an-tany.

Izay indray ary aloha fa dia mirary fialan-tsasatra finaritra ho an’ny rehetra e!


No comments