Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Novambra, 2012

Io fihetseham-po io hoy aho…….

Ela tsy nandalo indray nefa dia vao² tsy dia tsara loatra no indro raiketina indray. Soa moa fa misy ny fifaneraserana miaraka @ itony solosaina itony fa raha tsy izany angamba dia tsy ho hay ny hamefy ny fo!

Niditra hopitaly ny Alarobia14/11/2012 teo mantsy i Neny ary tsy nivoaka raha tsy ny Alatsinainy 19/11/2012, dia ny antony nahatonga izany dia noho ity tosi-drà tsy dia mety ho marina loatra fa dia manao tahakan’ny dian-tsofa hoy i Dada izay, mbetina ambony ary mbetika ambany. Ny eritreriny moa no tena mahatonga azy manao toy izany, ahoana tokoa moa no hamehezana io eritreritra io?? fa ny manjo an’i Neny dia vinavinainy daholo ny hoavin’janany sy ny zafikeliny ka sahirana ambony ihany ny sainy mieritreritra izany, hoe hanao ahoana ireo rehefa tsy ho eo intsony aho?,! efa notenenina mantsy izy tsy hieritreritra izany nefa dia akory atao?!

Ny tena henjana na dia mifandray an-tsofin-davitra isan’andro aza izahay dia ilay fahatsapana hoe banga zanaka vavy eo anilany na dia misy ny zanaky ny mpiray tampo sy ny zao-bavy aza any dia tena tsapa fa tsy mitovy izany. Izaho zokiny koa no tena mahatsapa izay angamba e! asa noho izaho vehivavy veh? fa nasaiko nalain’ilay zandriko sary daholo ny tao @ efitra nisy an’i Neny tany @ hopitaly Girard et Robic ao @ ny pavillon Rocques ch 15., fa asa raha vitany ihany izay na tsia izao,….

Efa tonga any ihany koa ny bulbes de tulipes ka asa rahoviana no hanitrika azy an-tany ry zareo toa tsy fotoanany izao fa mafana any raha tsy diso aho ê! Tonga any ihany koa ny logitech g25 an’i Laidama ka dia raikitra ny run tsy an-kamaly skype ao hihihihihi,  variana milalao ao izy, ny an’i Chloé ihany koa efa tonga ny ordinateur keliny ahafahany milalao sy mianatra ihany koa, ny an’i Johary moa dia asa raha vitan-drainy na ny dadatoaany ihany ny nanamboatra ilay disc dur externe hilalaovany @ console wii-ny fa misy jeux efa tsy ho latsaky ny 30 anatiny any miampy ny cd efa ananany ihany koa.

Izay sy izay indray ary aloha ny tafasiriko anio fa miandry ny fety Noely indray isika izao e!


No comments