Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Janoary, 2013

Ny 31/12/2012 nay

Nahafinaritra ny famaranana ny taonan’ny 2012 nay taty Lille. Tsy dia mpivoaka intsony mantsy izahay hatramin’ny nisian’ny famakian-trano nanjo anay tà taona 2009 izay fa natahotra ny sao dia….. dia naleo nijanona an-trano ihany aloha, fa ity indray mitoraka ity kosa dia niampita arabe fotsiny dia tonga tao à trano filanonana izahay.

Ny ankizy mpianatra tao @ fiangonana katolika no nandray an-tanana ny fikarakarana ny lanonana, samy nandray anjara daholo ny mpilanonana t@ izany, izany hoe nisy ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay avy ankoatran’ny saram-pidirana 10€ naloha dia samy nitondra ny sakafo niarahana nizara ny mpianakavy, ka dia tahaka ny mahazatra dia tsy lany ny sakafo. Tokony ho niisa teo @ 80 teo ho eo izahay mianakavy no niaraka nikorana, singaniko manokana ny niaraka taminay tao an-trano moa izany dia ry Delesalle mivady sy ry Nanick Rakotovelo mianakavy kely ary i Solo no fanampinay 3 mianaka, nahafinaritra ny fety fa dia nibahana tokoa ny hira vaovao tsy dia faheno matetika indrindra moa fa ny hira avy any @ faritra Betsileo iny fa avy any ny ankamaroan’ny ankizy mpianatra teo.

Izay indray ary aloha fa dia mirary taona finaritra 2013 ho an’ny rehetra e!


No comments