Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Martsa, 2013

Ny Fitaizana

Tsy haiko na izaho no tsy mahay mitaiza na ahoana mihintsy fa dia somary miadiady lava izahay mianaka izay tato ho ato, sa va ka ny zanako izay efa 14 taona izao no tonga à ilay hoe sakan-jaza ka efa mitady tsy ho arako intsony?

Toa tsikaritro ohatran’ny somary be famaliana izay mantsy izy tato ho ato ary miantraika any @ fianarany izany hany ka tsy dia zarizary ny naoty entiny mody avy any. Ary rehefa anontaniana izy dia ny ‘tsy haiko’ hatrany ny valy boraingina azoko, asa mba manao ahoana ny zanakareo re e?

Toa atao ihany izay mba mahafalifaly azy, nalefa t@ fisehoana an-tsehatra natao tany Paris izay nataon’ilay mpanakanto tiany izy (Justin BIEBER) nefa toa zara raha mba faly izy avy tany fa hoe nanipy t-shirt izao hoe io mpanakanto io ka tsy mba azony satria dia teny @ ‘gradin’ izy no niepetraka fa tsy tao @ ‘la fosse’ faly ampahany ihany izy izany, nefa dia akory ataoko………

Ohatran’ny tsy mahazo sitraka izany foana ny ray aman-dreny à zanaka sa veh ka ny ray aman-dreny no mametraka ny sata ho avo loatra ka tsy takatr’izy ireny? mmhhhhhhh enga anie ka mba hiova io zanako io fa dia éééé hihihi aleo asiako tsiky kely ihany ity fiainako ity annnn


2 comments