Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Ny Fitaizana

Tsy haiko na izaho no tsy mahay mitaiza na ahoana mihintsy fa dia somary miadiady lava izahay mianaka izay tato ho ato, sa va ka ny zanako izay efa 14 taona izao no tonga à ilay hoe sakan-jaza ka efa mitady tsy ho arako intsony?

Toa tsikaritro ohatran’ny somary be famaliana izay mantsy izy tato ho ato ary miantraika any @ fianarany izany hany ka tsy dia zarizary ny naoty entiny mody avy any. Ary rehefa anontaniana izy dia ny ‘tsy haiko’ hatrany ny valy boraingina azoko, asa mba manao ahoana ny zanakareo re e?

Toa atao ihany izay mba mahafalifaly azy, nalefa t@ fisehoana an-tsehatra natao tany Paris izay nataon’ilay mpanakanto tiany izy (Justin BIEBER) nefa toa zara raha mba faly izy avy tany fa hoe nanipy t-shirt izao hoe io mpanakanto io ka tsy mba azony satria dia teny @ ‘gradin’ izy no niepetraka fa tsy tao @ ‘la fosse’ faly ampahany ihany izy izany, nefa dia akory ataoko………

Ohatran’ny tsy mahazo sitraka izany foana ny ray aman-dreny à zanaka sa veh ka ny ray aman-dreny no mametraka ny sata ho avo loatra ka tsy takatr’izy ireny? mmhhhhhhh enga anie ka mba hiova io zanako io fa dia éééé hihihi aleo asiako tsiky kely ihany ity fiainako ity annnn


2 comments

Hevitra 2

  1. Hery Hery :: Martsa 28th, 2013 12:09 pm

    Indraindray mila avela kely koa izy fa tsy ampihantaina be e. Avela hikarakara tena, avela hi-debra kely. Matetika mantsy raha vao azony mora foana daholo ny zavatra rehetra dia tsy misy maminy aminy fa mitady zavatra sarotra azo izy.

    Mahereza fa vao manomboka :-p

  2. ikalamako ikalamako :: Martsa 30th, 2013 8:05 pm

    miala sakana neny oooo…. aza manahy fa rehefa tafaresaka ny samy reny manana zanaka tonga amin’io sala-taona io dia mitovy olana… hihihihi kôpy njy zay an, hatraty io hoy ny fitenenana.
    Tsy hoe mihanta loatra zareo, fa toa tsaroako ihany koa fa tsy mba nahazo n’inon’inona aho tamin’ny taonany fa toa niala sakana nahakivy an’i mama ihany koa an…
    Hery o, mahereza fa mbola handalo eo koa – hihihihihi

Leave a reply