Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Jiona, 2013

10 taona lasa izay

Eny 10 taona lasa izay no nandao anay tokoa i Bébé Marivelo renin’i Neny, mandeha tokoa sy mihodina ny tany amam-bolana, toa ohatran’ny vao omaly izy no taty aminay taty Frantsa namangy nitsidika, vao teraka kelikely i Maeva t@izay asa angamba vao 2 taona raha tsy diso ny fitadidiako,

Mitamberina ato an-tsaina ny zava-nisy t@izany fotoana iznay, ny taona 2003 tokoa mantsy no fotoana nifanomezanay mianakavy taty teny hoe ndeh hanao rodo-be ho any an-tanàna mba hiala sasatra, sy hijery akaiky ihany koa ny fahasalaman’i Bébé fa sao tsy hahita azy eo intsony, kinanjo naleony nandeha talohan’ny nahatongavanay rehetra andro vitsy talohan’ny nahatongavanay tokoa izy no niala ity tany ity, herinandro monja, tsy tiany ho hitanay ngamba ny vatany efa tsy salama intsony fa tiany hipetraka ao an-tsainay sy ho lova ao anatinay kosa ny vatany tomady sy mbola matanjaka mmiaraka @ endriny sariaka sy mitsiky lava na dia inona manjo azy aza.

Tadidiko ny fihinanana vovo-dronono any @ Bébé, ny fihinanana soja ihany koa sy ny mofo katsaka sy ny hanikotrana isan-karazany rehefa avy mianatra fahiny, any no maka ny fanalahidy moa alohan’ny hodiana ao an-trano, dia faly ery rehefa hoe ho any @ i Bébe fa hahazo gouter aloha vao mody, na dia efa misy gouter miandry aza any an-trano dia hafa ihany ilay “any avaratra”,

Any any izao faly ery miaraka @ ilay Ray tsy toa narahiny sy arahintsika hatrany,

veloma mandra-pihaona Bébé an!


No comments