Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Septambra, 2013

Braderie de Lille

Isaky ny voalohan’ny faran’ny ferinandron’ny volana Septambra moa dia misy ny atao hoe “Braderie de Lille” izay tsena be tokoa aty aminay, ary dia mahavory olona maro tokoa, misy tantarany izy io, izany hoe t@ andro fahiny, dia nomena alalana ny mpiasa an-trano mba hivarotra ny fitaovana tsy ampiasain’ny tompon-trano intsony ka mibahan-toerana fotsiny ao amin’ny ‘grenier’ izany, ka isaky ny 1er WE ,’ny volana Septembra no anaovana io, fa ankehitriny kosa, dia toa nivadika ho tsena be izany, na dia mbola eo ihany aza ilay finiavan’ny olona hitana ny maha ‘braderie’ azy, izany hoe hivarotana tokoa ny entana tsy ampiasaina intsony ao an-trano.

Ankehitriny dia ny Mairie de LIlle no misahana ny fandrindrana io sehatra io, ary dia fety tokoa mandritry ny 2 andro sy tapany aty aminay, ny marathon no manokatra ny fety @ izany avay eo vao mahazo mivarotra ny rehetra. Fa mialohan’izany anefa dia mila mamandrika toerana fa satria dia ifampitadiavana ny toerana hivarotana @io fotoana io, fa ankoatran’ny olona ety an-toerana dia maro ihany koa ireo avy any ivelany tonga mba hanao varo-mandeha kely @ ireo andro ireo.

(tapaka ny feeling nanoratra tsss tapaka adiny 3 beh izao tsy haiko intsony inona ny tiako nosoratana teo)

 

Fa ankehitriny kosa dia niova ny endriky ny ‘Braderie’ fa dia maro ny mpivarotra enta-madinika vita avy any Chine sy tsy hay fihaviana any, ary dia niha vitsy ihany koa ny olona tonga satria raha teo @ 5 million teo ho eo ny mpitsidika t@ taona 2001 tany ho any , taona nahatongavako taty dia hitako sy tsikaritra miha mihena izany, eo ny Antony ara-bola ngamba hoy aho, ary eo ihany koa ny antony hoe  tsy dia misy endriny tena izy intsony ilay braderie fa ohatran’ny tsena be sisa ilay izy, eo ihany koa moa ny nanasiana ny ‘zone rouge’ tsy azo hivarotana fa natokana hifaamoivoizana fotsiny……

 


No comments