Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for Janoary, 2014

Tratry ny taona 2014

Tonga indray ity ny taona 2014, taona vao² taona feno fifaliana ihany koa.

Fa taona saika nanomboka t@ loza izay saika nanjo an’i dada raha nandray fiara fitateram-bahoaka izy, satria dia ny 08/01/2014 dia nieren-doza izy. Isaorana an’Andriamanitra lehibe tokoa izany. Nipetraka tao anaty fiara izy ary teo akaikin’ny fitaratra ety @ sisiny, ary rehefa nijanona iny ny fiara be ka ilay mifanesika maka ny entany eo ambony tafo ny olona dia vaky ny fitaratra ary vaky teo @ tarehin’i dada tsy alavitry ny masony ary teo @ tendany ihany koa, izay tsy dia alavitra ny carotide  izay teo @ ho sahabo ho 2cm miala teo (tena saika ratsy be). Ilay namaky fitaratra moa dia tsy hita fa dia rifatra nandositra ka dia ny mpamily sy ny mpanampy azy no nitondra an’i Dada tany à toeram-pitsaboana tsy alavitra teo ary dia nahazo fitsaboaha haingana izy. Ry zareo rahateo ihany koa no niantoka ny rehetra ary nanatitra an’i dada tany an-trano nony vita izany rehetra izany, tsy nametraka fitoriana moa i dada …………………..

Ny 12/01/14 kosa no nitodi-doha ho any Antsirabe ho any @ ranomafana i neny sy i Raelina hitsabo tena kosa. Faly aho fa mba nahatsiaro tena ho azy i neny, mba ho azy samy irery, fa tsy ho an’izay rehetra izao akory, ny azy mantsy dia tsaroany daholo i babay sy i Lohavohitra rehetra izao, fa ny tenany dia ataony tsinontsinona matetika, fa ity kosa dia mba ho azy irery ihany ka dia mahafaly ahy izany, sady tena ilainy tokoa fa aiza ka vao 66 taona monja izy dia mitady hitondra tehina sahady………

Izahay aty ampita kosa izahay 3 mianaka aloha dia salama tsara, tahaka ny mahazatra dia nahazo izay niriany sy notadiaviny i Maeva, t@ andron’ny Noely.

I Hoby kosa dia ao Paris ao seriny ery @ asa aman-draharaha sahaniny ao. Ny havana rehetra dia samy salama avokoa.

Irariana mba ho taom-pahasambarana ho antsika ity taona 2014 ity.

Ho anao mamangy eto dia tsy adio ihany koa ny mirary soa ho anao sy ny ankohonanao.


No comments