Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Fahabangana!

Tsy haiko ianareo , fa izaho tato ho ato izay dia mahatsiaro tena ho ‘foana’ tanteraka any anatiko any. Mifangaro ao daholo na ny tahotra na ny hafaliana na ny ahiahy, tsy hay ny hamborahana azy na iza no hizarana azy.

 

lasa fenoiko @ fihainoina hira izany nefa toa tsy mety feno fa vao maika aza mandoaka ny anatiko miafina any…

 

.

 

Misaotra an’i KR ihany koa anefa aho nampahatsiahy ahy ireo hira t@ taona 80-90 fa tena ohatran’ny nanova ny fomba fijeriko kely ny fiainako an-davan’andro ny fihainoana ireo hira ireo, nahatsiaro tena ho ‘mbola velona’ aho hahaha, (crazy me).

Niasa kely ho azy aho mantsy t@ volana Avril 2015 ary dia nahafinaritra ny fiaraha-miasa na dia tsy mbola nifankahita aza izahay, sarahan’ny elanelan-tany. ny andron’ny Paka no nila fanampiana izy ary sendra teo @ tandrifiko izany ary dia noraisiko, maimaim-poana, vita ny asa dia mbola nitohy ihany ny fifandraisana aloha hatreto.

Misaotra an’i Zoky Fanja ihany koa @ resaka nifanaovana rehetra fa nampisokatra ny masom-panahiko izany.

 


1 comment

Hevitra 1

  1. hery hery :: Mey 20th, 2015 10:05 am

    Tsy maintsy misy foana ny fiakarana sy fidinana… Ny important dia ny mahay manararaotra mameno lasantsy rehefa ilay milamindamina iny ny saina mba hahafahana miatrika ilay fotoana maha reraka.

Leave a reply