Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Foy ny atody e!!! hary elatra ny ankizy

Ela izay,

tsy haiko hoe ahoana ny hanombohako azy, fa dia hoe hary elatra ny ankizy… mahafaoka zavatra betsaka izay,….

Ny volana novembre 2018 i Maeva no nifindra lasy tany Paris Ile de france, tsy mora anefa vao tonga t@ izany izahay, vita ny fanadinana Bacc taty Lille ny été 2018 dia nandeha naka rivotra niaraka t@ fianakaviana malagasy namanay aty Lille ho any Madagasikara izy. Nahita izany hoe tena fialan-tsasatra izany tokoa, satria dia tao Antananarivo, dia avy teo lasa tany Toamasina, ary dia nifarana tany Mahajanga ny diandry zareo t@ izay…..

Nony niverina avy tany izy dia nijerijery fianarana mety hataony aloha….. tsy tiany ny hifanerasera @ ankizy mpiara mianatra taminy taty Lille koa dia nanapa-kevitra izy fa ho any an-drenivohitra hono…. ohatran’ny nataoko izaho reniny sy ny rahavavin-dreniny izay reniny à batemy,

Rafitra aza izahay 3 mianaka nitady trano ho azy, nahita tokoa fa dia feno fitaka, ka dia tsy nidirana akory…. nahita formation tany anefa ilay zanako ka dia tsy maintsy nijanona tany ihany, ary dia tao @ Hoby izay reniny   @ batemy izy no nitoby mandra-hoe pahita trano aloha. samy tia fety izy mianaka ka dia nifankahazo tsara, fa na izany aza eo an-daniny @ maha zaza an i Maeva dia nisy ihany tsy fitovian-kevitra matetika teo à izy mianaka, toy ny fanasana lovia rehefa avy misakafo na koa ny fampirimana ny trano, na koa ny ora fodiana ao an-trano, ka matetika miantsy ‘polisy’ aty Lille ny iray @ izy mianaka, dia manao mpanelanelana indray aloha ny tenako.

 

Indrisy anefa fa dia zara raha niray toerana izy mianaka satria dia nilaozan’i HOby haingana loatra izahay….. lasa tsy niverina intsony izy, lasa tsy ho hay antsoina ihany koa….

Tampoka be taminay tokoa ny fahalasanany, na izaho aza tahaka ny tsy nino raha tsy nahita azy teo an-tokontaniny….. tsy hiverina @ iny intsony aho fa mbola misy fery tsy mety sitrana ao anatiko ao,Misaotra ny Tompo aho nanome azy anay nandritra izay 45 taona izay…. ny vola famangiana nomena anay dia nahatontosana zavatra maro @ anaran i Hoby, na teo anivon’ny vianakaviana na eo anivon’ny firenena … tsy hitsanga menatra ny anarany…. nahavita fambolen-kazo in 2 miantaona aho, ny voalohany dia niarahana nanatontosa niaraka t@ ireo mpanakanto tany antoerana teny @ tanindrazanay, any Amboniriana, ary ny faharoa kosa dia niarahana t@ association tetezana sy ny namana serasera Dago teny Ambohidratrimo, Maniry tsara ny eny ambanivohitra satria dia misy mpiahy, ary misy mpanondraka, raha ilaina izany, ny teny Ambohidratrimo kosa dia somary nisy ‘perte’ kely satria tsy dia nisy nanara maso nandritry ny fambolena ka dia voatery i Maminiriana mivady no nijery sy nanarina ny tsy mety volana taty aoriana, fa iriana fa haniry tsara ihany koa ireo….

Santatra ambava rano iny fa ny tanjona dia ho isan-taona dia hiaraka hamboly hazo sy handrakotra io firenentsika io i Maeva satria raha voafidy ho Miss Madagascar en France 3ème dauphine izy dia io no foto-drafitrasa nosakainy hatao. Izay no no izy satria hainy fa efa misy namana aho afaka miaraka miasa aminay eny an-toerana, ka dia manohy izay ihany izy. (efa niresaka izay ihany moa aho teo aloha)

Ankehitriny dia any  @ 92500 izy no mipetraka ary dia isaorako eram-po eran-tsaina ireo mampiantrano azy tokoa izany, tsy vitan’i Maeva mantsy ny hipetraka irery ao @ tranon’i Hoby…

 

(mbola hitohy)

 


No comments

No Comments It's lonely here, please leave a comment

Leave a reply