Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for the 'Fidirana' Category

Iza moa aho/dika mitovy

Ity lahatsoratra manaraka ity dia notsoahina avy t@ bolongana teo aloha.

Miarahaba antsika rehetra tonga mitsidika ato e!

Iza moa aho,

Rajaonarison Mavoseheno Hanitra no anarana entiko, mpampianatra ny ray amandreniko, ary ny dadako ihany koa dia mpandrindra ny antoko OTRIKAFO any Madagasikara.

Efatra mianadahy izahay no natareky ry zareo, roa vavy ary roa lahy, izahay mirahavavy no monina aty ivelan’i Madagasikara izany hoe aty Frantsa izahay e!

Ny nahatonga ny fiantsoana ahy hoe “sipagasy” kosa dia taty am-pita ihany, izany hoe tany am-pianarana izany dia hoe manontany ny ankizy hoe avy aiza aho sns e!!! dia namaly aho hoe avy any Madagasikara, eo @ izay moa dia mifampitady @ carte ny sasany hoe aiza moa ny misy izany …. ka rehefa hita dia hoe ary inona ny fiantsoana ny mponina any aminareo?? dia hoy aho hoe Malagasy na azo afohezina hoe “gasy” ary ny hoe ahoana kosa ny hoe tovovavy?? mmhhh tsy naita notenenina aho fa hoe “sipa” dia raikitra izany fa hoe “sipagasy” ny hiantsoana ahy satria tovovavy any any Madagasikara aho. Azafady tsy voateniko teo fa mpiara mianatra tamiko tao @ Lycée Hotelier de Guyancourt tany @ 78000 no nisian’izany resaka kely izany.

Ankehitriny moa izany aho dia miasa @ Hotel aty Lille izay tsy mifanalavitra @ toerana onenako e!

Vao manomboka ity moa aho ka tsy dia hitako loatra izay hoe apetrako ato fa mbola ho dinihina eo ihany angamba e!!! asa mety ho santionany @ onjam-piainana iainako no apetrako ato fa tsy ny rehetra kosa angamba e! (ny soa fianatra akia Mme Soanja ann)


No comments

Inona no andrasana?

Miarahaba ny mpitsidika eto.

Tsy vao androany moa ny tena no mody nanoratsoratra teto fa nohon’ny lafiny teknika dia nisinda avy izay voasoratra, tsy olana izany satria ny fiainantsika ety an-tany dia fanavaozana sy fitohizana hatrany.
Miomehy ihany aho manoratra satria efa ela ny lafiny teknika no voavaha fa izao vao mody miverina eto indray, marihiko aloha fa ny ho hitanao eto dia ny fiainako @ maha olon-tsotra ahy, izany hoe ny fiainako an-davan’androko, mety ahitana tsiahy, topi-maso, jery todika, ary fibanjinana ny ho avy. Izany no hataoko indrindra dia mba hahitan’ny fara aman-dimbiko izay mba santionam-piainako tety.
Mety ahitana ihany koa anefa fiaraha-miasa @ namana sasantsasany izay teto @ ity kirakira ity no nahalalako azy ireo, ary dia lasa mifampitondra tahakan’ny olona efa nihaona vatana izahay rehetra ireo, izay moa ilay hoe fianakaviam-be @ alalan’ny kirakira solosaina e!
Ezahiko hatao ihany koa ny hiteny Malagasy, sy ny hanoratra Malagasy satria toa manavanana ahy kokoa io.

Misaotra anareo mitsidika, dia raha misy arina reh an-tavako, dia aza misalasala mampahafantatra izany amiko e!


11 comments