Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Archive for the 'izaho' Category

Io fihetseham-po io hoy aho…….

Ela tsy nandalo indray nefa dia vao² tsy dia tsara loatra no indro raiketina indray. Soa moa fa misy ny fifaneraserana miaraka @ itony solosaina itony fa raha tsy izany angamba dia tsy ho hay ny hamefy ny fo!

Niditra hopitaly ny Alarobia14/11/2012 teo mantsy i Neny ary tsy nivoaka raha tsy ny Alatsinainy 19/11/2012, dia ny antony nahatonga izany dia noho ity tosi-drà tsy dia mety ho marina loatra fa dia manao tahakan’ny dian-tsofa hoy i Dada izay, mbetina ambony ary mbetika ambany. Ny eritreriny moa no tena mahatonga azy manao toy izany, ahoana tokoa moa no hamehezana io eritreritra io?? fa ny manjo an’i Neny dia vinavinainy daholo ny hoavin’janany sy ny zafikeliny ka sahirana ambony ihany ny sainy mieritreritra izany, hoe hanao ahoana ireo rehefa tsy ho eo intsony aho?,! efa notenenina mantsy izy tsy hieritreritra izany nefa dia akory atao?!

Ny tena henjana na dia mifandray an-tsofin-davitra isan’andro aza izahay dia ilay fahatsapana hoe banga zanaka vavy eo anilany na dia misy ny zanaky ny mpiray tampo sy ny zao-bavy aza any dia tena tsapa fa tsy mitovy izany. Izaho zokiny koa no tena mahatsapa izay angamba e! asa noho izaho vehivavy veh? fa nasaiko nalain’ilay zandriko sary daholo ny tao @ efitra nisy an’i Neny tany @ hopitaly Girard et Robic ao @ ny pavillon Rocques ch 15., fa asa raha vitany ihany izay na tsia izao,….

Efa tonga any ihany koa ny bulbes de tulipes ka asa rahoviana no hanitrika azy an-tany ry zareo toa tsy fotoanany izao fa mafana any raha tsy diso aho ê! Tonga any ihany koa ny logitech g25 an’i Laidama ka dia raikitra ny run tsy an-kamaly skype ao hihihihihi,  variana milalao ao izy, ny an’i Chloé ihany koa efa tonga ny ordinateur keliny ahafahany milalao sy mianatra ihany koa, ny an’i Johary moa dia asa raha vitan-drainy na ny dadatoaany ihany ny nanamboatra ilay disc dur externe hilalaovany @ console wii-ny fa misy jeux efa tsy ho latsaky ny 30 anatiny any miampy ny cd efa ananany ihany koa.

Izay sy izay indray ary aloha ny tafasiriko anio fa miandry ny fety Noely indray isika izao e!


No comments

fialan-tsasatra 2012

Toy ny mahazatra isan-taona dia lasa indray i rakalakely namonjy ny namany any am-panaovana colonie de vacances ka t@ ity dia any Habere-Poche ry zareo no mitoby, maharitra 3 herinandro any izy ary hisy fotoana aza hiondranandry zareo any Soisa satria dia akaiky eo ny misy azy ireo, efa tsindrin-daona ery izy ny handeha hahita ireo namany izay tsy hitany raha tsy fialan-tsasatra satria tsy mitovy ny sekoly misy azy ireo avy.

Izaho sy i José kosa indray dia hielinelina any Amsterdam sy Bruxelle rehefa misy fotoana fa ireo no tanàna akaiky anay eto izao aloha, i José moa tsy dia naka fotoana fialan-tsasatra firy t@ ity taona ity fa dia varianan’ny asa, mampivady asa koa moa tsy mora ka na vakansy @ asa iray aza mety tsy ho vakansy @ asa hafa hihihih izany rehefa be ierehana e!!! akory atao fa tsy moramora ny mitady vola hoy ilay hira izay e!!!

Dia variana tanteraka ao àikala facenjavatra ao tokoa aho ka tsy mba niserana teto akory raha tsy izao indray, tsy dia misy zavatra ho raiketina koa moa e!

Zavatra tokana ihany kay no saika adinoko tokoa ny nandrakitra azy ato dia ny nahalasanan’i zokin’i neny dia i tonton Loulou izany, vizana sy tsy dia salama intsony izy faramparany izay ka dia fahasoavana ho azy ny nakan’ny Tompontsika azy tety an-tany.

Izay indray ary aloha fa dia mirary fialan-tsasatra finaritra ho an’ny rehetra e!


No comments

Profession de Foi Maeva 17/05/2012

Andro Alakamisy maraina ny 15/05/2012 dia vonona ny mpianakavy fa hanotrona indray an’i Maeva @ dingana sedrainy anatin’ny fiainana Kristianina, dia ny Profession de Foi izany , somebiseby arak’izany ny mpianakavy, tsy ny rehetra anefa no afaka nanatrika t@ ity fa dia vitsy ihany izahay no teo, ny tany Madagasikara dia an-tsofin-davitra ihany no niresaka kely mialohan’ny fotoana sy taorian’ny fotoana, fa dia saika ny mpiray tampo à i Neny ihany no teo ary ny zanaky ny mpiray tampo @ i Dada ihany koa, ary namana vitsivitsy,

Faly ihany koa aho fa tonga à izay dingana izay ny fitondrako sy ny fanabeazako ilay zanako, hoy mantsy ny Baiboly hoe “…. zaro à lalana tokony halehany ny zaza…..”, ny teny nofidianay mianaka dia ny tao @ Psaume 25: “Le seigneur est mon Berger” ary koa ny ao @ 1Kor 15,10: “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izaho ahy”.

NY nanotrona azy t@ ‘remise de croix’ dia i Nenifara Rafarasoavahoaka, izay sendra nandalo taty aminay.

Nandritry ny lamesa fanasoavana kosa dia nasaiko niredona ny “Allelouia” an’ny tarika Mahaleo ny mpiangona ka faly ery.

Fiaraha misakafo, dihy sy korana moa no namarana ny fotoana t@ izany.


No comments

Noely 2011

Tonga indray ity ilay andro firavoravoana.

Efa nambarako teto ihany moa hoe somary nanao tsy dia salama tsara i dada volana vitsivitsy lasa izay, dia mba lasa ihany ny saina, ny tany fandalovana, ny toerana misy anay somary mifanalavitra ihany, koa dia tapaka ny hevitra fa ndeh hitsidika ny any an-tanindrazana kely aloha!

Tsy izaho loatra koa moa no nisaina ilay dia io fa i Maeva, hoy izy hoe sao mba tokony handeha hijery an’i dadabe tsy salama isika ry neny, zah mba te hiaraka aminy kely any hoy izy. Tany mena nefa tsy hirehitra hoy aho anan-kampo, ka dia tapaka ny hevitra fa dia ho i Maeva irery ihany no alefa, izaho sy i José handeha à andro hafa!!!! (asa rahoviana io hihih)

Teo am-pikarakarana ny dia dia efa maro ny sakantsakana, ggrrrr, nisy olana mantsy ny billat saika handehanan’i Maeva, raha efa tà volana octobre tany no efa niresaka t@ havana hoe handeha fa mila billet mora, kinanjo namotsotra ny tany efa volana desambra vao hay, teo vao nikorapaka, nisy fifandrifian-javatra ihany koa tao @ agence nividianana ny billet ka nanjavona ny billet efa voafandrika hiainga aty ny 17/12/2011, nahita toerana ihany anefa fa dia miala aty Lille ny 13/12/2011, nety ihany satria dia surprise ho azy mivady ray aman-dreniko ilay dia, tsy nampilazainay mihintsy mantsy ryz areo raha tsy efa tany anaty fiaramanidina i Maeva. Saika tsy nolazaina mihintsy anefa moa fa sao indray dia taitaitra eo izy ka dia nolazaina ihany, fa ny anadahiko anankiroa no efa nahalala, satria ry zareo no tsy maintsy hitsena an’i Maeva eny Ivato.

Ka faly ery hono i dadabe nahita saribakoly miteny hoe ‘bon anniversaire dadabe’ vao tonga, satria mantsy dia anniversairen’i dada ny 14 desambra, faly ery ry zareo fa mba teo daholo ny zafikeliny ananki-telo mianadahy. Nijanona kely tao Ivato aloha ziany moa i Maeva avy eo dia nanara-dia an’i Dama sy i Muriel ho any Toamasina, fa mba haka rivotra kely, toa hoe naharary kibo hoe tany (hihihihi) tsy mahagaga ahy fa tendan-kanina koa moa fa zava-baovao avy ny ho hita any kouhhh. Faly ery hono i Maeva any am-pialana sasatra any ary dia mivonona ny ho any isan-taona hono izy (mmhh mbola ketrika hafa koa izay)

Izay aloha ny anio fa à manaraka indray tohizana ny tantara raiketina an-tsoratra.


No comments

Oktobra

Dia tsy tana tokoa ny andro sy ny alina mifandimby fa dia misosa tokoa izany e!

Tsaroakoa tampoka teo fa nisy zavatra tokony noraiketiko tato dia varimbariana teo aho dia adinoko e!!!!

Nisy fotoana t@ fialan-tsasatra 2011 teo dia nisy fikorontanana tany Toamasina teo anivon’ny samy mpianatra, fisavorovoroana taoriana lanonana nisy tany izy io, ny faritra avaratra no nifanandrina t@ mpianatra avy any à faritra atsimo, nisy ny naratra ary nisy tovolahy 1 namoy ny ainy t@ izany fifanjevoana izany. Nandaha hampandry tany tany ny ray aman-dreny tao @ OTRIKAFO, anisan’ny nandeha tany ny raiko. Teny am-pandehanana anefa dia nisy lozam-pifamoivoizana izay soa fa nisy andry zareo nandalo mba hahafahan’ny tra boina ndeha ho tsaboina any @ toby, anisan’ny nitazona ilay naratra mba tsy ho sahirana tao anaty fiara ny dadako, asa nohon’ny fihetseham-po sy ny havizanana dia nony naraina ny andro raha hiomana iny izy dia toa nahatsiaro fanina, tsy tsaratsara ary dia nentin’ny namany teny @ hopitaly ho zahana aloha, ary dia nijanona tany izy ny alin’iny. Raha sendra tafaresaka t@ i neny aho ny hariva tahakan’ny fanaonay à skype dia hoy izy hoe:’antsoy hoe retsy i dada fa ohatran’ny vizana izy izay?’ dia nantsoiko tokoa aza, dia henoko t@ feo fa somary ‘hafahafa’ dia natsafaiko hoe:’ary ianareo tsy mbola nahavita ny fampandrian-tany akory dia efa misantatra ny betsabetsa?’ hihihi somary niomehy izy namaly ahy fa tsy dia tsaratsara loatra izy ary any @ hopitaly ny misy azy fa tsy manahy ary efa an-dalana ihany koa i Faly zandriko sy i dadafara Patou dokotera rahalahiny sy zandriny.

Izaho veh nahalala hoe tsy nahalala i neny hihihihih dia somary niteny kely aho fa tonga kosa dia henon’i Dama ilay zandrinay anankiray ny resakay mianaka ka somary tonga dia nasiaka kely izy niantso an’i neny hoe ‘efa hisakafo isika fa izao resaka izao veh tsy mety vita?’, nony lasa i neny vao niteny tamiko izy fa tsy mahalala zavatra i neny fa aza resahina aloha. Ouuupssss, avy teo koa aho nahazo ilay zandriko nitodi-doha ho any atsinanana hamonjy ny rainay. Voatsabo ara-dalàna izy ary tsy nisy atahorana ny aminy, ary die mbola be hatsikana ihany aza izy rehefa tafaresaka @ sofin-davitra izahay mianaka, tadidin’ny hatramin’ny hoe hanala fanadinana i Hoby fa aza lazaina aminy ny manjo ahy sao hikorontana ny sainy …… tsy inona akory fa itony aretina ggrr AVC itony ny nahazo ny dadako

Nandeha teny ny fitsaboana ary dia Isaorana ny Tompo fa dia  tena mahavita ny tokony ataony rehetra izy ankehitriny, na ny miteny izany (efa tsy adalan’ny zandriny intsony izy hoe manao fitenin’anadahin-dreny), na ny manoratra ihany koa.

t@ volana Septambra izany rehetra izany no niseho t@ 19/09/2011 raha ny tena marimarina kokoa, raiketiko ato mba ho tsiaro any aoriana any

Misaotra Tompo ô fa mbola hainao fa tsy mbola vita ny adidiny ety!


No comments

Fialan-tsasatra 2011

Toy ny mahazatra dia ny volana Jolay no mitsahatra ny fotoam-pianarana, ary dia andro vitsivitsy taorian’izay dia lasa colonie de vacances i Maeva, t@ ity dia niova toerana izy, ka tany @ La Drome, somary any ambanimbanin’i Frantsa any ny misy io toerana io, rémuzat moa izany e!

Niala t@ 8 ora hariva taty Lille ny fiara nitondra azy ireo ary tonga tany an-toerana ny maraina t@ 9ora. Ny hany hamehezako azy dia hoe faly izy e! nisy namany vitsivitsy izay efa fantany ihany koa moa tafiara-dia t@ ndry zareo ka dia nahafinaritra ny fotoana niarahana,

Ary tahakan’ny mahazatra koa  dia mbola miasa aho ny volana Jolay. ka dia izaho sy i José izany no niambina trano tato aloha mandra paha lasany ihany koa ho any Algerie, naharitra 15 andro tany izy.

Nony niverina ireo olona keliko ireo dia mba anjarako @ izay kosa no mba maka sasatra, ka dia tena nanara-po tokoa moa izany, na dia tsy nandeha alavitra aza izahay fa teto à manodidina teto ihany, nitsidika tranom-bakoka tsy hita isan’andro, nitsangatsangana teny amoron-dranomasina, nitsidika tanàna maro ihany koa, fa hay ka mamizana honon’ny miasa ity fialan-tsasatra ity kann …..

Tsy haiko fa t@ ity fotoana ity koa aho dia nahatsiaro matetika ary dia tena nifikitra t@ Andriamanitra, tsy hoe tsy akory tsy tsaroako izy andavan’andro ann, fa tena nahatsapa ny heriny aho izany e! Tsapako ny fitahiany ahy isan’andro miposa-masoandro io. Niady mafy tokoa aho ny ho @ izany, ary dia tsy nanary ahy Izy.


No comments

Aza mba manary toky!

Somary nisedra zava-tsarotra aho tato ho ato, ka nalaina nandalondalo tato ihany koa, nefa nohon’ny finoako, na dia marefo aza izany dia mino aho ary miandrandra hatrany fanampiana avy @ Ray tsy toha.

Naniasia no ondry, very, diso lalana, nefa dia mbola notsimbininy hatrany, inona tokoa reh no hasetriko izany e?

ity hira ity dia nanampy ahy betsaka tokoa,

Misaotra Tompo ô tsy manary!

Amen!


No comments

Facebook

Ela aho izany tsy namangy ny tranoko tato fa dia variana sy sodoka @ io Facebook io!!!! inona moa reh no nahatonga ahy ho tao e!!!!!

Tsaroako ikala ‘purple’ kay no niteny ahy hoe maninona raha mba mandeha any ianao fa mahafinaritra any??, Dia tahakan’ny zavatra vao² rehetra dia tsy nazoto mihintsy aho sady sadaikatra ihany koa hoe tsy hahafehy ny teknolojia any!!! hihih kay moa ka kilalaon-jaza izy ity tao!! ka nahavariana hatramin’izao!!

Maro mantsy ny olona efa nisara-toerana an-taonany maro no mifankahita ao indray e! anisan’izany olona tena tsy nampoiziko ho hita mihintsy nefa dia indro tazako ao ary mifanerasera mifampizara traikefa sy teny mamy ao izahay mianakavy kely, mahafinaritra e!

Fa @ izao kosa dia manjary tsy mahay manoratra intsony aho hhihi, asa naninona!!!lasa very tany veh ny mba hany fahalalako mba hanoratra hamela rangotra/dian-penina ho an’i Maeva e!

Mbola ho hotizako ity fa aty am-piasana aho izao ka tsy dia mifantoka loatra ny saiko!

soava andro daholo izay miserana monja eto


3 comments

13 mai 2010

Faly aho, izay no voalohan-teniko

Faly aho fa dia vita ny dingana faha 2 eo @ fiainana kristianina izay diavin’i Maeva zanako, tsy inona moa izany fa dia ny fandraisany ny komonio, natao komonio voalohany androany tokoa mantsy ikala e! mba efa niezaka sy nianatra nahafantatra ny tantaran’i Jesoa Zoky izy ary dia niteny fa vonona ny hanaraka ny diany koa dia roso koa izany ny dianay lehibe hiantsoroka izany miaraka aminy!

Hafaliana ihany koa satria dia natako fanahy iniana ho karazana ambohim-pihaonan’ny tiako sy ny tia ahy ity indray mitoraka ity, izany hoe niantso ny fianakaviana izay tratrako antso sy afaka namaly ny antsoko aho, ary ireo namana tapaka tsy mahafoy mifampizara ny manta sy ny masaka aty Lille, Isaorako manokana etoana ny mpianatra aty Lille ny @ izany izy ireo tokoa mantsy dia tanako faha 2 eo @ fiainako e! tahaka ny tsy irery ny zanako fa manana ireto zoky vavy maro sady taviny avy no volony hihihih. Noraisiko tahaka ny zandry zoky izy ireo mba hiarahana mamakivaky ny fiainana aty alavitra aty mantsy e!

Hafaliana ihany koa satria dia tonga tao ihany koa ny namako niaraka nianatra tamiko hatramin’ny 1990 ka hatramin’ny 1994, dia i Marie Noëlle izany. Efa somary ela ihany izahay mirahavavy no tsy nifankahita vatana na dia mifandray an-tsofin-davitra matetika ihany aza

Mbola fisaorana an’Andriamanitra ihany koa no atako nohon’ny fahatongavan’i Neny izay tonga nanotrona anay mianaka @ izao hafaliana izao, fahasoavam-pianakaviana tokoa ve moa ka tsy ho eo i Neny e!

Ny sary angamba dia mbola ho avy à manaraka ihany e!


No comments

Tontolin’i Jogany!

I ra Jogany moa dia tsy zoviana amintsika intsony, fa dia tena ikoizana @ resaka fifandraisana eto @ eterineto ity, nahafinaritra ahy ity lalao/sondage, nataony farany ity ka dia noraisiko, ary adikako ato amiko:

 

mirindra toy izao:

 

 

Indray andro izay taty Madagasikara…tadidin’i Hanitra

January 12th, 2010

[doty! x3000] [daka!] [bex?]

Efa nisy 50 taona amin’ny 2010 izao ny fahaleovantenan’ny Madagasikara. Betsaka ny fihovana ary betsaka tokoa ny zavatra mbola mila amboarina. Tadidinareo vê ny tamin’ny 1960? Hoy ny olona hoe tamin’iany fotoana izany no tsara indrindra ny fiainana taty dago. Hoy dray ny sasany hoe ny tolona tamin’ny 1975 no tena nampiova zavatra. Izaho kosa dia tsy nahita firy ny tamin’ny 80 satria mbola kely lotra fa ny 1991 no tadidiko tsara teo @ 13 mai. Misaotran’ireo namana be dia be zay nandray anjara tamin’ity lalao ity aho ary mbola miandry an’izay te hamaly an’ireto fanitanina telo mora kely ireto.

Iza moa ianao?

Hanitra no anarana hiantsoana ahy, sipagasy kosa no anaram-bositra entiko, reny aho, ary ny anton’asako dia miandraikitra trano fandraisam-bahiny. 17taona sy tapany aho no niala; nohon’ny fianarana norantovina; ny ankanin’i dadanay sy neninay, notaizana t@ finoana katolika aho ary tany @ ndry masera hatrany no nianatra fony mbola tany an-tanindrazana. Aty Lille no anabeazako ny zanako ankehitriny.

Tamin’ny ahoviana ny taona tsara indrindra taty Madagascar?

Hanitra : Sarotra tamiko ny namaly ity fanontaniana ity satria tsapako tsy mbola vory saina tsara aho no nandao ny tanindrazantsika ka dia nila ‘vonjy’ tany à ray aman-dreniko aho ary izao ny fahitan’izy ireo ny valiny homena anao: ”
Nenin’i Hanitra (par téléphone) : les + belles années qd même ce sont les premières années 60 où les malgaches se sentaient + libres! ils n’avaient plus à saluer les chevaux, sans cavaliers! ils n’avaient plus à saluer les belles voitures rutilantes des vazaha!!! même s’ils avaient peur encore qqfs!!belles annés 60 pendant lesquelles les étudiants à l’université se sentaient libres d’acheter ce qu’ils voulaient: ils pouvaient se payer des morceaux de terrain à tana! des voitures!! perso! pas au père mais à eux!!! et ce avec l’argent de ‘bourses’ d’études!!! c’est quoi 20.000frs en ce temps!!?? l’essence ne coûtait même pas 20frs le litre!!! 15 si j’ai bonne mémoire! on pouvait faire bcp de choses avec! vivre indépendemment de nos parents! acheter des livres, manger au restau U pr 75frs le plat avec du vin, résistance et entrée et dessert: fromage et petits suisse! la belle vie quoi:!! même des petits fours le dimanche ou samedi!!!
et question sécurité: on pouvait circuler librement la nuit!!!! sans peur de se faire dévaliser ni vandaliser!!! on allait au ciné le soir à 21h! et ne rentrait que vers minuit! aucun pblème!
question relations parents /enfants: bien sûr, conflilts de générations oblige mais on se respectait bien! pas comme maintenant! on avait peur de ce que diraient les parents!! les voisins? on s’en foutait!
questions études? les bibliothèques et autres centres culturels abondaient et on avait le choix entre différentes places pr étudier si les livres et autres documents nous faisaient défaut!

Ahona no fieveranao an’ny Madagasikara amin’ny taona 2010 tamin’izany fotoana izany?
2010? un pays de rêve! hoy i neninay!

Inona ny havatra homenao hoan’ny ankizy ankehitriny


Ny teny tiako asongadina dia ny hoe ‘Aza mba manary toky ry tanora’. Ianareo tanora no ho antoky ny firenena koa samia mandray ny andraikiny avy!atomboy @ fihetsika ao an-tokantrano izany; ohatra hoe @ fomba fanarianao ny fako, mba manao sivana veh ianao @ izany?? dia tarito mankany @ fiaraha monina misy anao koa avy eo, fa ho planeta/ bolabolan-tany madio no tanjona ajanontsika ho an’ny taranaka fara aman-dimby.
Ny resaka politika indray mmhhh aleo ny tsirairay hahatsapa ny tokony hataony avy fa tsy hiditra lalina aho ankoatran’ny hoe: tsy misy miala @ fitiavan-tanindrazana eo, ary ny tena vondron’olona hitako fa manakaiky ny hevitro @ izany dia ny OTRIKAFO, fa tsy izao antoko rehetra milaza fa tia tanindrazana rehetra izao akory.

 

 

vita tompoko!


1 comment