Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Fanokafam-bavony.

Ato kosa ny entrée.

Ny tena ataoko ato moa izany dia ireo fanaoko, na fihinanay matetika e!

Ka rehefa mandray olona moa izany aho dia tsy miala @ mahazatra e!( hihihih)

Hors d’oeuvre n-drazana: Io moa dia ny macedoine de légumes (karaoty, haricots verts, navet petits pois,tsaramaso, betteraves) no miaraka tetehina ho efa-joro kely, avy eo dia ampangotrahina kely, tsy atao modaka be ann, ampangatsiahina, rehefa mangatsiaka dia laroina mayonnaise @ izay, ravahana persil sy voatabia voatetika boribory sy atody nandrahoina @ akorany boribory ihany koa. Aza hadinoina ny sira rehefa mampangotraka ny legioma ianao.

Lasary: Ito kosa dia lasary tsotra e! izany hoe ny karaoty sy ny laisoa ary ny haricots verts no ampiarahina ary tetehina kilavalava madinika (io no asa be amiko hihih). Rehefa izay dia afanao anaty lapoaly ny menaka kely ary endaso mitokana avy ny karaoty, laisoa, haricots verts; ampiaraho @ carry hatrany izany fanendasana izany. aorian’izay kosa dia avelao hangatsiaka kely ny legioma, ary ampifangaroy miaraka @ saosy vinaigitra avy eo, izany hoe (citron + menaka + dipoavatra kely). Arosoy @ izay e!

Voatabia sesika:Ny fanaoko moa dia arakarak’izay akora misy eo no ahodiko ho zavatra hafa. Silahana 2 mitovy zara ny voatabia (manta) loarana avy ny ao anatiny tsirairay, ary soloina sesika, ioa dia araka izay misy ao aminao na macedoine de légumes na koa ohatra ambina vary masaka ampiarahina @ thon en boite ary laroana maoynnaise, tsinginina persil kely atao haingony, na koa ciboulette voatakatapaka. Aza hadinoina ny manatsara ny tsirony @ sira sy dipoavatra kely.

Atody sesika: tsy mifankaiza @ voatabia sesika ny fanaoko azy fa matetika dia ny tamenany iny rehefa alaina tao dia ampiarahiko @ nofon’ny crabes na hazan-drano tsotra, laroiko mayonnaise sy zava-maintso dia averiko ao anatin’ny tapotsiny @ alalan’ny “poche patisserie” mba hanome endrika vao² azy indray.

Endives sesika: Izaho moa taty ivelany vao nahay io endive io, somary mandidingidy izay izy fa rehefa mikarakara azy ianao dia somary loahy key ny vodiny iny anesorana ilay fotsi² ao anatiny iny, sasao madio @ izay, ny fanaoko azy dia esoriko tsirairay ny raviny ka iny no asiako zavatra ao anatiny, tahakan’ny fromage bleu ohatra izay avy nampifangaroina t@ crème épaisse miaraka @ ciboulette voatetika.

Mety atao miaraka @ fromage à pate dure ihany koa izy toy ny emmentale ohatra dia tetehina atao salades miaraka @ vinaigrette ihany koa.

Fanaoko ihany koa ny mahandro ovy dia rehefa Masaka iny dia potserina tahaka ny purée dia mahandro nofon-trondro ihany koa aho dia ampiarahina ireo avy eo miaraka à mayonnaise sy hanitra izay tiana, kotomila sy ciboulette ary sira sy dipoavatra dia rahefa handroso azy dia tonga dia anaty lovia ary anaty ‘poche à douille’ ny fanaoko azy.

 


No comments

No Comments It's lonely here, please leave a comment

Leave a reply