Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Sakafo

Mitondra otrik’aina sy manome hery ny sakafo. Tsy maintsy misakafo toy ny zava-manana aina rehetra isika. Ary anisan’ny antony iasana ny fitadiavan-tsakafo hameloman-tena hihihih (velona mba hihinana sa hihinana mba ho velona???)

Maro karazany ny sakafo.

Ireo vokatry ny fiompiana sy ny fambolena, ( vary, anana, akoho, bitro…) ary ny sakafo namboarina avy @ izy ireny, ( menaka, dobera….).

Azo sokajiana 6 ny sakafo, (vao hitady injay ny anaran’ireo @ teny malagasy izany hihihihi)

Fa amiko kosa ny sokajiny dia miankina indrindra @ ao anatiny sy ny fomba nandrahoana azy ireny, ka misy ny :

* ny sakafo mahavelona: ronono, atody…
* ny sakafo mahasolo ny hena: voa maina isankarazany…
* ny sakafo mahavoky: ny ovy, vary…
* ny sakafo matsiro: trondro, vorona…
* ny sakafo maha-tofoka: ny sakafo be menaka bahhhh!!!!

Ary saika adinoko ny RANO fa io no loharanon’aina mampijoro antsika rehetra, mahonena sy mampalahelo tokoa ny mahita ny faritra sasany eto ambonin’ny tany tsy misy na ahitana azy io!!!! Inona anefa hoy isika ny antony???? satria isika zanak’olombelona dia tsy mahasoa zavatra!!! hhihi!!! nosimbaintsika izao tontolo izao, indrisy anefa fa isika sy ny taranatsika ihany no mioty ny vokany avy eo e!!!.

Tsy ny fambolem-bary izay azo lazaina fa foto-tsakafontsika Malagasy ihany anefa no azo lazaina hoe fambolena ilaina fa eo ihany koa ny voly haninkotrana.

Natao ho famenon’ny vary mankony haninkotrana. Mahavoky, azo atao tsara ny manolo ny sakafo 1 ao anatin’ny andro aminy.

Hiezaka hampiseho ny sakafo @ endriny tsy dia mahazatra antsika loatra aho izany e! efa maro mantsy ny takila mety ahitana ny fanamboarana ny koba na ny fomba fandrahoana ny vary @ anana na koa ny hena ritra, fa ny kasaiko ho zaraina amintsika dia ny nahandro tsotra sy ngamba efa adino nefa dia sakafo tena malagasy ihany koa.

SAKAFO FETY:

Ho avy ny fety famaranana ny taona(2007) sy hisantarana ny ho avy(2008), hihinana sakafo mafilotra tsy dia fanao an-davan’andro isika, koa tandremo aza ny tsy mahalevon-kanina, sy ny aretim-bavony isan-karazany e! Misy moa ny manao ‘regime’ nkely mialohan’ny fety tahaka izao, nefa tsy dia hitako loatra ny tena ilaina izany, satria rehefa avy eo dia ‘hisesika’ ihany koa hihihi!

Ny tena fanaoko, satria matetika mandray vahiny moa aho rehefa tahaka izao nohon’ny @ maha’matoan’olona’ ahy e! dia zavatra tsotra nefa koa be mpankafia:

* tsy miala @ karazana legumes aho ary afaka atao kisari² izany/atao sarina sapin ohatra ny haricots verts, miaraka @ rodelles de carottes atao solona boules, mayonnaise atao solona guirlandes.
* tsy miala @ karazana charcuteries ihany koa ary ny foie gras ihih fety ny andro e!
* ny karazana toast kely tsy adino miaraka @ oeufs de lomps fa lafo loatra ny caviar hihi, ampiarahana @ rondelle voatabia sy atody sns, ary koa saumon fomé sy truite fumé tiako kokoa nohon’ny saumon fumé!, rehefa tena be loatra moa izahay dia tonga dia maka ireny karazana pains surprises ireny aho tonga dia mamantam-bonona, tsy tena tiako loatra fa ilay preparatif iny ny ahy no tena ankafiziko mantsy e!
* afaka manao karazana pizza sy quiches kely ihany koa moa avy eo dia tetehina iny ho atao in-dray mihinana
* ny zava-maitso tsy azo avela fa mora mandevon-kanina iny(salades isan-karazany io)
* ny karazam-boankazo ihany koa e!indrindra fa ny voaloboka, sy ny clementines ary ny manga, sy ny litchies izay ahatsiarovana manokana ny tanàna e!!
* anondrahana ireo moa dia ny zava-pisotro isan-karazany, ahitana ny ranom-boakazo indrindra ho an’ny ankizy, avy eo ny sauternes ho an’ny lehibe sy ny champagne mazava ho azy, fety ny andro, ary ny whisky ho an’ndry zareo matanjaka, ny anay vehivavy dia ny malefaka ihany hihihihi
* ireo moa amiko taitain-kanina ihany hihih fa ny sakafo andro fety tahaka izao dia @ noely dia vorontsiloza, na koa chapon, na gisa, natao anaty lafôro ary miaraka @ ovy sy champignons kely, tsy adino ny vary
* ary rehefa @ faran’ny taona kosa ny matetika fanaoko dia ny lelan’omby miaraka @ petits pois sy roti de boeuf, ary ny an’ny akizy satria ireo moa be fiangetsana dia bavette sauce mayo sy ketchup ny tiany, ampiarahina @ frites
* fa rehefa mihoatran’ny 3 trano izahay no tafiaraka dia tsy maintsy raikitra ny kitonotono, hena sy fen’akoho, maskita io tsy mety hajanona e!!!!, sady aty izao efa nahitana ilay mpivarotra hena sinoa mivarotra ‘trafony’ hono, hihih aiza moa no hisy trafony ny omby aty fa mba hoe hena matavy be izany e! fa dia ifandrombahan’ndry zareo mpanao tsaky moa io e!
* ary hamaranana ny sakafo dia ny mofomamy, ka ny ahy tsy mba gateau bûche fa glace hatrany hatrany, izay be mpankafia kokoa nohon’ny mofomamy

Apetrako ato ity rohy ity fa dia karazan-tsakafo malagasy daholo ny ao, singaniko manokana ny “mofo gasy” izay mba nandraisako anjara t@ nanampiako an’i Lemurbaby .


1 comment

Hevitra 1

  1. Joker Joker :: Martsa 16th, 2009 8:06 am

    Hello,
    Thanks for article. Everytime like to read you.

    Have a nice day
    Joker

Leave a reply