Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Tsakitsaky

Tsakitsaky

Efa manangasanga sy tena mitady toerana hijanonana mafy moa @ izao fotoana izao ingahibe masoandro, koa indro ary aho mba manolotra tsaky kely maivana azonao aroso ny ao an-tokantrano. Sakafo maivana, nefa tena mahasalàma tokoa!

Azonao karakaraina sady mora tokoa ny karazana legumes isan-karazany: ohatra ny

* karôty tetehina somary atao lavalava ary tsy andrahoina fa avela ho manta, izany hoe tetehana somary atao batonet izany e,
* ny courgettes ihany koa dia azo kikisana madinika ka tsy andrahoina koa fa somary alona anaty vinaigrette fa iny no manamasaka azy,
* ny voatabia kely koa na ny tomates cerises, na koa ny voatabia somary lavalava ireny ary elanelanina fromazy mozarella sy concombre ohatra
* ny concombre ihany koa azonao tetehina boribory na lavalava tahakan’ny karôty
* handravahana ireo dia aza adinoina ny zava-maintso e! azonao atao koa ny mitetika ny tongolo be na ny poivrons koa atao haingo.
* Ny tena tsara azo ampiarahina amin’ireo moa dia zavatra tena tsotra sy mahasalama dia ny kitonotono e! hanomanana izany dia azonao atao ny mandona ny hena na ny trondro araka izay tianao miaraka:
* @ sira, dipoavatra, ahimaintso tahakan’ny thym, laurier,voasary makirana
* @ sira dipoavatra, tantely, saosy soy (eny @ sinoa)…..Io moa dia samy manana ny fahazarany ny tsirairay fa eto dia izay mahamaika sy izay azo raisina ao an-trano maika ihany ny omeko e!

Ampiarahinao @ ireo aza hadinoina ny zava-pisotro e!!! samy manana ny tiany io fa ny ahy aloha dia ny divay rosé mangatsiaka tsara no tiako e! hhihi akoatran’ny rano mazava ho azy…

Mazotoa homena ary e!!!

Tandremo anefa ny ankizy sao manakaiky ny afo ka ahitan-doza indray ann, aleo isika lehibe ihany no hanantona ny afo fa ny ankizy ho mpitazana alavitra raha tiany izany e!

Ary izao kosa dia tonga ny hatsiaka, koa inona indray ny tsara aroso?

* @ maha be ankizy ny trano moa dia zavatra tsotra sy mora vita ihany ny ady eo hihih, manao asan’ny kamo be tenda e!, toy izao ary ny fanaoko:efa misy eny an-tsena moa ireny karazana pates fanao lasitra pizza na quiche ireny, koa raha hanao pizza
* pizza vita ao an-trano, sady mahafinaritra ny ankizy koa ny miaraka mikarakara azy eo e! dia tsy adino ny purée de tomate efa vita ihany koa fa tsy mila manamboatra akory, avy eo kosa dia rarahana izay fangaro tianao eo amboniny, ny matetika fanaon’ny ao an-trano dia: silaka nofon-kena, na silaka akoho, ary asiana olives, sy tongolo oignons, potika fromage, azo atao koa ny manolo ny hena ho trondro, ka ny matetika fampiasanay dia ny thon efa @ boite, na koa saumon fumé sy crème kely ary ravahana ravina aneth izany sy tetik’oliva, dia anaty four dia samy miandry izay ahavitany eo e!
* quiche maison, ny pate moa izany efa vita no alaina, avy eo dia ny laro ataoko dia 1/4 crème liquide + 1/4 lait + tamenak’atody 4 dia atody 1 lehibe, rehefa vita fangaro tsara ireo dia rarahako izay tiako (potika hena, lardon…) ao anaty lasitra efa misy ilay paty izany ary rarahako io laro io, dia miditra anaty la four koa dia mihinana mafana avy e!
* gratins isan-karazany ihany koa , indrindrafa ny gratin de courhette izay be mpankafia tokoa, afaka atao koa ny manelanelana ny courgette @ voatabia, arafitra tsara ireo anaty ny plat dia rarahana laro vita t@ atody ny crème liquide dia anaty la four dia arosoy
* tsy adino koa ny soupe isan-karazany izay tsy dia misy famaritana loatra ho ahy fa iza karazana legumes hitako dia afaka anaovako soupe daholo, rehefa vita tetika ny legumes dia somary endasiko kely @ menaka oliva faran’ny kely an, avy eo dia andrahoiko miaraka daholo, ary rehefa masaka dia mixeko ary tatavanina avy eo mba hiala ny faikany, rehefa alohan’ny handroso azy dia azonao ampiana eraky ny sotro lehibe @ crème épaisse fa ho hitanao fa hatsiro ary tsy hifidifidy intsony ny ankizy hoe tsy tia ito na iroa fa ho tiany ny tsirony!

 

  • Nanandrana nanao kaka-pigeon aho ka toy izao ny fangaro nampiasaiko:
  • 1kg farine de blé
  • 1 sachet de levure 5g
  • 2 oeufs
  • 150g de beurre
  • 1 yaourt nature
  • 1 cs de raz el hanout
  • sel / poivre
  • eau gazeuse

rehefa voafangaro ireo dia mivonona ny hanodina azy tanana @ izay ary dia tetehina manify ary endasina avy eo

 

 


No comments

No Comments It's lonely here, please leave a comment

Leave a reply