Blaogin’ny Namana Serasera weblog

2012

Tonga indray hono ny taona vao² koa dia am-pifaliana hatrany no ahatongavako eto hitantara kely ny mba fety niarahako t@ havana aman-tsakaiza e!

Ny 29/12/2011dia efa tonga ry Mr et Mme Berger, ireo moa no fandehanan’i Maeva nanao vakansy tany Soisa taloha e! fa efa nody any an-tanindrazana kosa ry zareo ary dia mandalo miserana ihany rehefa tonga aty, nandeha fiaran-dalamby izy ireo tonga taty dia faly nihaona moa izany e! vay teo moa ry zareo dia narahin’ny la famille Dalton-Rakorovao-Andrianantoandro t@ fiara, tonga t@ 19h00 tany ho any kosa ry zareo 5 mianaka ireo nandeha fiara. Nahafinaritra ny fiarahana fa na dia tsy omby aza ny farafara dia nahitana vaha olana hatrany lalandava izany

Ny 31/12 kosa no tena fiarahan’ny be sy ny maro tsy foiko taty dia ry Famille Bahl, izany ary ny Famille Delesalle ihany koa ary ny nanampy anay ireo dia ry Rasolofodera 3 mianaka, raha natambatra ny isam-batan’olona izany dia niisa ho 20 teo ho eo izahay ireo.

Nahafinaritra ny fiarahana, nihirahira sy nijerijery clip malagasy no tena natao ankoatran’ny fisakafoanana moa t@ izany, avy teo dia ni-skype niaraka t@ ndry zareo teny Ivato koa izahay,

Ny 02/01 kosa aho no nandeha nitsena an’i Maeva avy niala sasatra tany an-tanàna, tamàna ery hono izy tany ary mbola nanontany ahy hoe rahoviana indray izy no hiverina any!!!!!!

Dia tahaka izay ny fizotry ny fiandohan’ny taonanay, androany 03/01 kosa aho no nanomboka nandray asa, na dia mbola mahatsiaro vizana ihany aza.


No comments

Noely 2011

Tonga indray ity ilay andro firavoravoana.

Efa nambarako teto ihany moa hoe somary nanao tsy dia salama tsara i dada volana vitsivitsy lasa izay, dia mba lasa ihany ny saina, ny tany fandalovana, ny toerana misy anay somary mifanalavitra ihany, koa dia tapaka ny hevitra fa ndeh hitsidika ny any an-tanindrazana kely aloha!

Tsy izaho loatra koa moa no nisaina ilay dia io fa i Maeva, hoy izy hoe sao mba tokony handeha hijery an’i dadabe tsy salama isika ry neny, zah mba te hiaraka aminy kely any hoy izy. Tany mena nefa tsy hirehitra hoy aho anan-kampo, ka dia tapaka ny hevitra fa dia ho i Maeva irery ihany no alefa, izaho sy i José handeha à andro hafa!!!! (asa rahoviana io hihih)

Teo am-pikarakarana ny dia dia efa maro ny sakantsakana, ggrrrr, nisy olana mantsy ny billat saika handehanan’i Maeva, raha efa tà volana octobre tany no efa niresaka t@ havana hoe handeha fa mila billet mora, kinanjo namotsotra ny tany efa volana desambra vao hay, teo vao nikorapaka, nisy fifandrifian-javatra ihany koa tao @ agence nividianana ny billet ka nanjavona ny billet efa voafandrika hiainga aty ny 17/12/2011, nahita toerana ihany anefa fa dia miala aty Lille ny 13/12/2011, nety ihany satria dia surprise ho azy mivady ray aman-dreniko ilay dia, tsy nampilazainay mihintsy mantsy ryz areo raha tsy efa tany anaty fiaramanidina i Maeva. Saika tsy nolazaina mihintsy anefa moa fa sao indray dia taitaitra eo izy ka dia nolazaina ihany, fa ny anadahiko anankiroa no efa nahalala, satria ry zareo no tsy maintsy hitsena an’i Maeva eny Ivato.

Ka faly ery hono i dadabe nahita saribakoly miteny hoe ‘bon anniversaire dadabe’ vao tonga, satria mantsy dia anniversairen’i dada ny 14 desambra, faly ery ry zareo fa mba teo daholo ny zafikeliny ananki-telo mianadahy. Nijanona kely tao Ivato aloha ziany moa i Maeva avy eo dia nanara-dia an’i Dama sy i Muriel ho any Toamasina, fa mba haka rivotra kely, toa hoe naharary kibo hoe tany (hihihihi) tsy mahagaga ahy fa tendan-kanina koa moa fa zava-baovao avy ny ho hita any kouhhh. Faly ery hono i Maeva any am-pialana sasatra any ary dia mivonona ny ho any isan-taona hono izy (mmhh mbola ketrika hafa koa izay)

Izay aloha ny anio fa à manaraka indray tohizana ny tantara raiketina an-tsoratra.


No comments

hira mahafinaritra ahy

Mibebaha

http://www.dailymotion.com/video/x1kpwo_mifaly_music

Efa ela ihany izay nisy nandefa ity aho ary dia tehiriziko ato aloha

La Bible répond à toutes nos questions. Voici quelques numéros de téléphone d’urgence, pour que la Bible devienne réellement le livre de Vie dans notre quotidien.

Quand vous êtes troublés, appelez Jn 14.
Quand les hommes vous harcèlent, appelez PS 27.
Si vous voulez porter du fruit, appelez Jn 15.
Quand vous avez péché, appelez PS 51, Mt 11.28-30, Luc 15, Jean 3.16.

Quand vous êtes inquiet, appelez PS 46. Mt 6:19-34, Philippiens 4.6-7, 2 Tm 4.16-18.
Quand vous êtes en danger, appelez PS 91.
Quand Dieu semble loin, appelez PS 139.
Quand votre foi baisse, appelez Hé 11.

Quand vous vous sentez seul et effrayé, appelez PS 23.
Quand vous vous sentez batailleur et critiqueur, appelez 1 Co 13, cela vous calmera.
Pour savoir le secret de Paul concernant le bonheur, appelez Col 3.12-17.
Pour avoir une idée de ce qu’est l’état de chrétien, appelez 1 Co 5.15-19.

Quand vous vous sentez abattu et dépassé par les événements, appelez Rm 8.31.
Quand vous avez besoin de paix et de repos, appelez PS 37, Mt 11.25-30, Jn 14, Rm 5.1-5.
Quand le monde vous semble plus grand que Dieu, appelez PS 90, vous verrez qui est le plus grand.
Quand vous voulez une assurance que la vie chrétienne est la seule vraiment valable ici-bas, appelez Rm 8.1-30.

Quand vous partez en voyage ou au travail et que vous voulez être rassuré sur votre sécurité durant votre absence de votre maison, appelez PS. 27; 121; Mt 10.16-20, Lu 15.11-32.
Quand vos prières vous semblent devenir mesquines et égoïstes, appelez PS 67.
Quand vous sentez que vous vous croyez plus intelligent que Dieu pour créer des choses, appelez Es 55.

Quand vous voulez du courage pour accomplir une tâche, appelez Josué 1
Quand vous vous sentez seul dans le monde ou dans l’Eglise, appelez PS 23, Jn 14, Rm 12,2.
Quand vous pensez aux richesses, à la débauche et à la puissance, éloignez-vous-en vite, et appelez Me 10, Lu 12.13-21.

Quand vos poches sont vides, appelez PS 37.
Quand vous vous sentez abattu, appelez PS 27.
Si vous perdez confiance et amour envers les gens, appelez 1 Co 13.
Quand les gens sont peu aimables à votre égard, appelez Jn 15.

Si vous êtes découragé dans votre travail, appelez PS 126.
Si vous pensez que le monde est médiocre et petit, et que vous vous croyez assez grand pour dominer sur lui, appelez Pi 19, et il vous remettra à votre juste place.
Quand vous êtes découragés, appelez Rm 8.28-29,1 Co 15.57-58,1 Pi 4.12-13,1 Jn 3.1-3.

Quand vous vous sentez abandonné par vos amis, appelez PS 27, Mt 10.24-31, 2 Timothée 4.16-18.
Quand vous êtes en difficulté, appelez PS 16, Jn 14.1-4, Hé 7.25.
Quand vous êtes las, triste ou chagriné, appelez PS 6;27;40;55, Mt 11.28-30, Jn 14.1-4, Rm 8.31-39, Hé 12.6-13.

Quand vous êtes malade ou souffrant, appelez PS 32:91 Rm 5.3-8, 2 Co 12.9-10.
Quand vous avez peur, appelez PS 4, Me 4.35-41, Hé 13.5-8,1 Jn 4.15-19.
Quand vous êtes tenté de retomber dans le péché, appelez PS 6:51; Mt 26.33-35,69-75, Jn 21.15-22.
Quand vous vous sentez reconnaissant, appelez PS 84:92,100,103.

Quand vous vous sentez exposée la tentation, appelez PS 1;73, Je 1.12, 2 Pi 2.9.
Quand vous êtes dans l’adversité, appelez Mt 10.16-39.
Quand vous avez des problèmes avec l’amitié, appelez Jn 15.12,17.
Quand vous avez des problèmes avec la lecture de ta Bible, appelez Jn 5.39, Mt 24.35.

Quand vous êtes en colère, appelez Mt 5.22-24.
Quand vous avez besoin de compassion, appelez Lu 10.30-37.
Quand vous êtes tenté par la médisance, appelez Mt 15.11,17,20.
Quand vous avez des problèmes avec les critiques, appelez Mt 7.1-5.

Quand vous avez des problèmes avec la cupidité, appelez Mt 6.20, Lu 12.15-21.
Quand vous avez des doutes, appelez Jn 20.24-29.
Quand vous avez des problèmes avec la droiture, appelez Mt 5.20, Jn 3.13-21.
Quand vous avez des problèmes avec vos ennemis, appelez Mt 5.10,43-48.

Quand vous avez des problèmes avec l’extravagance, appelez Lu 12.16-31.
Quand vous avez des problèmes avec l’amour fraternel, appelez Jn 13.34-35.
Quand vous avez des problèmes avec la haine, appelez Mt 5.43-48.
Quand vous avez des problèmes avec l’honnêteté, appelez Lu 19.11-26.

Si vous avez des problèmes avec l’honneur dû aux parents, appelez Mt 15.4, Me 10.19.
Si vous êtes intempérants, appelez Lu 21.34-37.
Si vous avez des problèmes avec le mariage, appelez Me 10.2-12.
Si vous avez des craintes au sujet de la mort, appelez Lu 16.19-31, Jn 11.25,26.

Si vous avez des problèmes avec le pardon, appelez Mt 18.21-35, Me 11.25,26.
Quand vous avez des problèmes avec le péché et que vous voulez en être délivré, appelez Jn 8.24,34-36.
Quand vous avez des problèmes avec la prière, appelez Lu 11.1-13.
Si vous avez des problèmes avec les serments, appelez Mt 5.33-37.

Si vous voulez savoir ce qu’est la sincérité, appelez Mt 7.15-27.
Si vous avez des problèmes avec la tromperie, appelez Mt 23.27,28.
Si vous avez des problèmes avec la vanité, appelez Lu 18.9-14.
Si vous avez l’esprit de vengeance, appelez Mt 5.43-48.
Pour savoir ce qu’est la vérité, appelez Jn 14.6.


No comments

Oktobra

Dia tsy tana tokoa ny andro sy ny alina mifandimby fa dia misosa tokoa izany e!

Tsaroakoa tampoka teo fa nisy zavatra tokony noraiketiko tato dia varimbariana teo aho dia adinoko e!!!!

Nisy fotoana t@ fialan-tsasatra 2011 teo dia nisy fikorontanana tany Toamasina teo anivon’ny samy mpianatra, fisavorovoroana taoriana lanonana nisy tany izy io, ny faritra avaratra no nifanandrina t@ mpianatra avy any à faritra atsimo, nisy ny naratra ary nisy tovolahy 1 namoy ny ainy t@ izany fifanjevoana izany. Nandaha hampandry tany tany ny ray aman-dreny tao @ OTRIKAFO, anisan’ny nandeha tany ny raiko. Teny am-pandehanana anefa dia nisy lozam-pifamoivoizana izay soa fa nisy andry zareo nandalo mba hahafahan’ny tra boina ndeha ho tsaboina any @ toby, anisan’ny nitazona ilay naratra mba tsy ho sahirana tao anaty fiara ny dadako, asa nohon’ny fihetseham-po sy ny havizanana dia nony naraina ny andro raha hiomana iny izy dia toa nahatsiaro fanina, tsy tsaratsara ary dia nentin’ny namany teny @ hopitaly ho zahana aloha, ary dia nijanona tany izy ny alin’iny. Raha sendra tafaresaka t@ i neny aho ny hariva tahakan’ny fanaonay à skype dia hoy izy hoe:’antsoy hoe retsy i dada fa ohatran’ny vizana izy izay?’ dia nantsoiko tokoa aza, dia henoko t@ feo fa somary ‘hafahafa’ dia natsafaiko hoe:’ary ianareo tsy mbola nahavita ny fampandrian-tany akory dia efa misantatra ny betsabetsa?’ hihihi somary niomehy izy namaly ahy fa tsy dia tsaratsara loatra izy ary any @ hopitaly ny misy azy fa tsy manahy ary efa an-dalana ihany koa i Faly zandriko sy i dadafara Patou dokotera rahalahiny sy zandriny.

Izaho veh nahalala hoe tsy nahalala i neny hihihihih dia somary niteny kely aho fa tonga kosa dia henon’i Dama ilay zandrinay anankiray ny resakay mianaka ka somary tonga dia nasiaka kely izy niantso an’i neny hoe ‘efa hisakafo isika fa izao resaka izao veh tsy mety vita?’, nony lasa i neny vao niteny tamiko izy fa tsy mahalala zavatra i neny fa aza resahina aloha. Ouuupssss, avy teo koa aho nahazo ilay zandriko nitodi-doha ho any atsinanana hamonjy ny rainay. Voatsabo ara-dalàna izy ary tsy nisy atahorana ny aminy, ary die mbola be hatsikana ihany aza izy rehefa tafaresaka @ sofin-davitra izahay mianaka, tadidin’ny hatramin’ny hoe hanala fanadinana i Hoby fa aza lazaina aminy ny manjo ahy sao hikorontana ny sainy …… tsy inona akory fa itony aretina ggrr AVC itony ny nahazo ny dadako

Nandeha teny ny fitsaboana ary dia Isaorana ny Tompo fa dia  tena mahavita ny tokony ataony rehetra izy ankehitriny, na ny miteny izany (efa tsy adalan’ny zandriny intsony izy hoe manao fitenin’anadahin-dreny), na ny manoratra ihany koa.

t@ volana Septambra izany rehetra izany no niseho t@ 19/09/2011 raha ny tena marimarina kokoa, raiketiko ato mba ho tsiaro any aoriana any

Misaotra Tompo ô fa mbola hainao fa tsy mbola vita ny adidiny ety!


No comments

Fialan-tsasatra 2011

Toy ny mahazatra dia ny volana Jolay no mitsahatra ny fotoam-pianarana, ary dia andro vitsivitsy taorian’izay dia lasa colonie de vacances i Maeva, t@ ity dia niova toerana izy, ka tany @ La Drome, somary any ambanimbanin’i Frantsa any ny misy io toerana io, rémuzat moa izany e!

Niala t@ 8 ora hariva taty Lille ny fiara nitondra azy ireo ary tonga tany an-toerana ny maraina t@ 9ora. Ny hany hamehezako azy dia hoe faly izy e! nisy namany vitsivitsy izay efa fantany ihany koa moa tafiara-dia t@ ndry zareo ka dia nahafinaritra ny fotoana niarahana,

Ary tahakan’ny mahazatra koa  dia mbola miasa aho ny volana Jolay. ka dia izaho sy i José izany no niambina trano tato aloha mandra paha lasany ihany koa ho any Algerie, naharitra 15 andro tany izy.

Nony niverina ireo olona keliko ireo dia mba anjarako @ izay kosa no mba maka sasatra, ka dia tena nanara-po tokoa moa izany, na dia tsy nandeha alavitra aza izahay fa teto à manodidina teto ihany, nitsidika tranom-bakoka tsy hita isan’andro, nitsangatsangana teny amoron-dranomasina, nitsidika tanàna maro ihany koa, fa hay ka mamizana honon’ny miasa ity fialan-tsasatra ity kann …..

Tsy haiko fa t@ ity fotoana ity koa aho dia nahatsiaro matetika ary dia tena nifikitra t@ Andriamanitra, tsy hoe tsy akory tsy tsaroako izy andavan’andro ann, fa tena nahatsapa ny heriny aho izany e! Tsapako ny fitahiany ahy isan’andro miposa-masoandro io. Niady mafy tokoa aho ny ho @ izany, ary dia tsy nanary ahy Izy.


No comments

Aza mba manary toky!

Somary nisedra zava-tsarotra aho tato ho ato, ka nalaina nandalondalo tato ihany koa, nefa nohon’ny finoako, na dia marefo aza izany dia mino aho ary miandrandra hatrany fanampiana avy @ Ray tsy toha.

Naniasia no ondry, very, diso lalana, nefa dia mbola notsimbininy hatrany, inona tokoa reh no hasetriko izany e?

ity hira ity dia nanampy ahy betsaka tokoa,

Misaotra Tompo ô tsy manary!

Amen!


No comments

Facebook

Ela aho izany tsy namangy ny tranoko tato fa dia variana sy sodoka @ io Facebook io!!!! inona moa reh no nahatonga ahy ho tao e!!!!!

Tsaroako ikala ‘purple’ kay no niteny ahy hoe maninona raha mba mandeha any ianao fa mahafinaritra any??, Dia tahakan’ny zavatra vao² rehetra dia tsy nazoto mihintsy aho sady sadaikatra ihany koa hoe tsy hahafehy ny teknolojia any!!! hihih kay moa ka kilalaon-jaza izy ity tao!! ka nahavariana hatramin’izao!!

Maro mantsy ny olona efa nisara-toerana an-taonany maro no mifankahita ao indray e! anisan’izany olona tena tsy nampoiziko ho hita mihintsy nefa dia indro tazako ao ary mifanerasera mifampizara traikefa sy teny mamy ao izahay mianakavy kely, mahafinaritra e!

Fa @ izao kosa dia manjary tsy mahay manoratra intsony aho hhihi, asa naninona!!!lasa very tany veh ny mba hany fahalalako mba hanoratra hamela rangotra/dian-penina ho an’i Maeva e!

Mbola ho hotizako ity fa aty am-piasana aho izao ka tsy dia mifantoka loatra ny saiko!

soava andro daholo izay miserana monja eto


3 comments

Vakansy 2010

Mba niala kely ny toerana mahazatra izahay mianaka t@ ity indray mitoraka ity, mba nitody doha kely tany an-tanindrazana, Izaho moa t@ Mai 2008 no tany farany nanao ‘surprise’ ho an’i Neny ary i Maeva kosa dia efa t@ 2003 no farany tany,

Niainga taty Lille ny 05/07/2010 izahay mianaka ary natory tany Rueil malmaison, ny ampitso atoandro vao naka andra-vorombe, niaraka teny @ seranana nanatitra anay mianaka ihany koa i Hoby,

(ho tantarako ny hitako, nataoko, sy nahafinaritra, nahasorena ahy tany)

Tonga teny Ivato t@ 6/07/10 ary izahay mianaka, nahafinaritra ny fahitana ny andian’ny lehilahy nitsena anay mianaka, tsy iza moa izany fa i dada sy ny zandriko 2 lahy, ny vehivavy kosa, ny vadiny avy dia nijanona niandry anay tany an-trano, Efa tsindrian-daona ery i Maeva fa hoe misy aliaka beh ao @ ndry dadabe, matahotra fadiranovana mantsy izy, nefa dia nahafinaritra azy indray ny nahita sy nilalao an’i Bounty. hafaliana no niarahana e!

NY faran’ny herinandro manaraka indray dia niaraka tà namana serasera aho, nahafinaritra fa tany @ tokan-tranon’i Anarim no nanaovana izany, tonga tany ny namana tratra antso, tsy ny rehetra ihany koa moa no nantsoina fa izay mba mifandraika sy akaikin’ny fo ihany e!. Indreto avy no nasaina t@ izany, ry anarim mianakavy (tompon-trano), avylavitra, ravatorano, glou (prezidà), arymalala, saholy, naritsimba, lobaka, ny tsy tonga dia ry angotiko sy maina (nandeha tany Anjeva nanannn tsy teneniko fa haiko hihihi) ry mamzelkely koa no tsy tonga fa nifanindry t@ raharaham-pianakaviana, dia i tianalove hihih diso daty ikala nefa dia hainy stara fa hoe hihaona, akory atao hihihi, nahafinaritra ny fihaonana, fa ankoatran’ny fifanatsana vao² sy fahasalamana, dia nijery ny cd serasera10 taona izahay, izay mantsy ny voan-dalana nentiko ho azy ireo e! nisy ihany koa moa fitantaràna ‘dessin animé’ t@ izany hihihi, hatrany anaty bus t @izahay nody dia mbola tsy nitsahatra ny” fiomehezana party” vao tsy tapitra mantsy ny tenin’i dadatoa dia indro tonga ilay tsy nampoizinay, euuhhh tsy azoko tantaraina eto daholo hono e!!!! mba misy tsiambaratelo an’ny serasera izany e!

 

Ny herinandro manaraka an’io moa dia nivezivezy eran’Antananarivo izahay mianaka nitsidika ny havana ela tsy hita, tsy afaka nandeha alavitra fa teo ihany koa ny fanoharana akanjo tsy azo nialàna (nohon’ny hajejoana hihihi)

Ny faran’ny herinandro manaraka indray dia niaraka nihaona t@ fianakaviam-be indray izahay rehetra, izany hoe fihaonana isan-taona an’ny teraka izy io, tsy latsaka ny 80 tany ho any izahay mianakavy tafavory teo ( terak’Andrianjafy sy Ranarivao) izay avy @ dadanay ary avy @ lafin-dreniny.

Ny herinandro nanaraka an’io indray dia mbola nivezivezy ihany izahay mianaka, fa ny nahatsikaiky kely dia izao: t@ voalohany izany dia nandray bus miakatra mankany an-tanàna izahay 3 miafy vehivavy, dia ilay zanako tsy dia tena mbola mahalala tsara hoe ahoana ny fitaingenana bus, efa mitaingina bus ihany izy aty Frantsa fa ilay any an-tanàna no tsy hainy loatra, ka navelany hiditra aloha izany ny olona dia niditra izy avy teo, akory anefa ny hagagany fa tapaka hazo izay no nomen’ilay receveur azy hipetrahany,

  •  hataoko aiza ity hoy izy mantsy ahy,
  • iny no hipetrahanao ‘eto’ hoy aho namaly azy ary natoroko azy ny fametrahana ilay ‘seza’
  • haiko izay @ manaraka fa izaho no hiakatra ny fiara voalohany hoy izy

Nahafinaritra fa tsy mba nitaraina ilay zanako nandritry ny fotoana naha tany anay, variana izy ary tonga saina nahita ny mpangataka, ny loto isan-karazany ihany koa eny an-dalàna, tsy mba naharikoriko azy anefa izany, fa hoy izy hoe: ‘mampalahelo ry neny ilay olona, fa maninona raha omena vola izy dia mandeha misasa? dia omenao akanjo madio? tsy ho vitantsika izany hoy aho namaly azy, andraikitry ny fanjakana izany fa tsy antsika hoy aho, satria tsy afaka ny hanao izany @ ilona tokana isika fa tsy maintsy ho avy koa ny hafa, marina tokoa izany hoy izy, fa efa mba misy olona taizan’i dadabe sy bebe ihany ao dia ireo no anaovantsika soa izany, eny hoy aho, atomboka @ manodidina sy olona hay hoy aho ny fanarenana fa tsy atsipy ho very an-kady fotsiny.

Ny faran’ny herinandro nanaraka io indray dia tonga i Hoby,  dia izay vao hoe ‘complet’ ny ekipan’dRajaonarison Jean Edouard, izahay 10 miafy no tafaraka tao an-trano @ izany. izay tokoa mantsy ny foto-dianay 3 mianaka avy aty Frantsa tany an-tanàna t@ io satria dia hampiaka-bady ny faralahinay, ary hankalaza ny faha 39 taonan’ny fanambadiany kosa ny ray aman-dreninay. teo dia mba nanararaotra ny fiarahanay mianakavy izahay mba hitsangatsanganana sy mba tsy hisakafoanana ambony latabatra, izay ny nahazatra anay mantsy rehefa faran’ny ferinandro, fony izahay mbola kely e! ka dia tany Ampefy izahay no nanatontosa izany. Saika handeha hitsidika ny ivon’i madagasikara kinanjo dia tena ratsy loatra hoe ny lalana mankany ka tsy ho tongan’ny fiaranay!

Andro mialohan’ny mariazin’i Ilaidama sy Muriel kosa no nankalazanay mianakavy tao an-trano ny faha 39 taonan’ny mariazin’i dada sy neny, hafaliana ny azy t@ izany satria dia tena tao @ ilay noeritreretin’i neny ny fanomezana nomenay azy. (fatana mixte gaz/ éléctricité)

Tonga ary ilay andro malaza, dia nahafinaritra e! tsy misy ho kianina.

Ny hany mba tsetsatsetsa tsy aritro azo kianina t@ iny dianay mianaka iny dia ny hasomparan’ny jirama, aiza veh ka vao maraina dia tapaka ny rano ary tsy miverina izany raha tsy efa hariva koa ny andro! heverindry zareo fa miaina @ alina angamba ny olona eny Mandrosoa sy ny manodidina fa faiziny rano ny atoandro! NY nanahirana kely ny saiko koa dia ilay fiadiana varotra teny an-tsena rehefa mba mividy ‘souvenir’ ho entina mody aho, dia zara raha mandatsaka anie ny mpivarotra rehefa izaho no mandeha miantsena, nefa rehefa i neny dia mmhhhh azony mira foana ny entana!!!! dia tena hoe arakaraky ny tavanao veh ny hanamorana na hanaovana lafo ny vidin-javatra e!

 

Fehiny, maika ny hiverina ho any Madagasikara indray i Maeva,


No comments

Shoan

Tsy zoviana amintsika intsony i Shoan, fa dia nanana ny anjara toerany lehibe teo @ diaspora Malagasy aty Frantsa izy, mpaka sary, mpanoratra lahatsoratra ihany koa, ary mpikambana ao @ gasy Tsy Very ihany koa,

Ndesin’ny fahafatesana tokoa mantsy izy rehefa avy niady mafy t@ aterina homamiadana, izay nikiky azy mangina tao, akory atao, apetrantsika an-tanan’ny Avo ny mandray azy hitoetra eo anilany.

Ny nahalalako an’i Shoan dia t@ fifaninanana http://www.bestofmalagasyblogs.com/, nandray anjara izy, ary nahafinaritra sy nanaitra ahy ny tao @ tranonkalany, ary dia nahazo loka moa izy t@ izany.

Ity lahatsoratra ity dia ho fisaorana azy t@ nahalalako azy, ny zavatra nentiny tamiko, dia ny fifankatiavana sy ny firahilahiana izany,

mahaiza mionona ry izy mianakavy

Mandria am-piadanana Shoan!


1 comment

13 mai 2010

Faly aho, izay no voalohan-teniko

Faly aho fa dia vita ny dingana faha 2 eo @ fiainana kristianina izay diavin’i Maeva zanako, tsy inona moa izany fa dia ny fandraisany ny komonio, natao komonio voalohany androany tokoa mantsy ikala e! mba efa niezaka sy nianatra nahafantatra ny tantaran’i Jesoa Zoky izy ary dia niteny fa vonona ny hanaraka ny diany koa dia roso koa izany ny dianay lehibe hiantsoroka izany miaraka aminy!

Hafaliana ihany koa satria dia natako fanahy iniana ho karazana ambohim-pihaonan’ny tiako sy ny tia ahy ity indray mitoraka ity, izany hoe niantso ny fianakaviana izay tratrako antso sy afaka namaly ny antsoko aho, ary ireo namana tapaka tsy mahafoy mifampizara ny manta sy ny masaka aty Lille, Isaorako manokana etoana ny mpianatra aty Lille ny @ izany izy ireo tokoa mantsy dia tanako faha 2 eo @ fiainako e! tahaka ny tsy irery ny zanako fa manana ireto zoky vavy maro sady taviny avy no volony hihihih. Noraisiko tahaka ny zandry zoky izy ireo mba hiarahana mamakivaky ny fiainana aty alavitra aty mantsy e!

Hafaliana ihany koa satria dia tonga tao ihany koa ny namako niaraka nianatra tamiko hatramin’ny 1990 ka hatramin’ny 1994, dia i Marie Noëlle izany. Efa somary ela ihany izahay mirahavavy no tsy nifankahita vatana na dia mifandray an-tsofin-davitra matetika ihany aza

Mbola fisaorana an’Andriamanitra ihany koa no atako nohon’ny fahatongavan’i Neny izay tonga nanotrona anay mianaka @ izao hafaliana izao, fahasoavam-pianakaviana tokoa ve moa ka tsy ho eo i Neny e!

Ny sary angamba dia mbola ho avy à manaraka ihany e!


No comments

Bad Behavior has blocked 1489 access attempts in the last 7 days.