Blaogin’ny Namana Serasera weblog

Sao mahasoa

Inona ny tokony hatao raha te hanana na te hanatratra tanjona ianao:

 

Isika rehatra izao dia mikatsaka ny hahazo tombontsoa eo @ fiainana avokoa, ary vao teraka isika dia misy ilay fomba fitenintsika hoe “samy nosoran-dreniny menaka” daholo. Midika izany fa ny Menaka na solika dia natao hampiodina ny fiainana, natao indrindra koa hampisosa ny fiainana mba tsy hisy rahoraho eo aminy fa hihodina soa ny milina rehetra tsy hisy ny sakana.

Rehefa vita ny fianarana fa tsy ny fanabeazana satria ny fotoana fanabeazana dia tsy mba mety tapitra, fa ny fianarana any an-dakilasy kosa ilay fanovozana na fandratoana fianarana dia mety hisy fetrany ihany, nefa moa raha tiana ny hanohy izany dia mety tsy hisy fetrany ihany koa io, ka hoy aho hoe, rehefa tonga eo @ ilay fotoana hijabahana @ asa fameloman-tena aza ianao dia indreto misy toro-hevitra vitsivitsy mety hahasoa anao.

  1. Voalohany aloha dia ezaho ny hanana tanjona eo @ fiainana. Izany hoe isika rehetra ireto dia tsy miaina fahatany fotsiny ety an-tany, fa samy manana ny diantsika avy nefa dia samy manana lalana ahatongavana @ izay tanjona izay isika, fa ny tena zava-dehibe dia ilaina abaribary izy io aao anaatinao ao hoe ity ny ahy ny tanjoko, ohatra tiako ny hanana zanaka hendry, na koa hanana trano be sy vady tsara, ary asa……(ambition)
  2. Faha roa indray dia tiavo ary aza atao ambanin-javatra ny fitiavana io asanao io fa io no fidiram-bolanao, izany hoe mila ovanao ho fitaovana mihintsy io fitiavanao ny asa fivelomanao io mba tsy ho monamonaina ianao ary tsy halaina rehefa handeha hamonjy azy, ohatran’ny mpifamofo handeha hifamontoana, mangitakitaka ery ary maika ery ny hihaona, ary tokony ho tahaka izay ianao rehefa hiomana ka handeha hamonjy ny asanao. Raha tsy ao am-ponao mantsy ilay fitiavanao ny asanao dia ho diso tetika ianao satria dia ho fati-antoka be ho anao izany, diso planina ianao tsy misy fitiavana tsy misy fankasitrahana io asa io. Omeko ohatra kely ianao, izaho dia fony mbola kilasy faha 5 T5 raha tany Madagasikara  tao @ La Providence Amparibe dia efa fantatro fa hanao dokotera aho, nandeha ny fotoana dia teo à kilasse faha 8 na 4ème dia natahotra aho fa nahita olona nianjera ary tapaka ary hita tety ivelany ny taolany torak’ovitra aho ary teo dia nisinda ny nofinofiko sy ny tanjoko ho dokotera ary vetivety monja dia nahita tanjona ho tratrarina vaovao indray aho dia ny hoe hiasa amina hotely aho tsy mbola fantako na hoe ho mpahandro aho na ho mpandray olona t@ izany fa hoe hanana izay fanomezam-pahasoavana izay aho…. tojo ny tanjoko aho ankehitriny, tratrako izay, mila manatratra tanjona vaovao hafa indray aho izany fa tsy mbola lazaiko anareo aloha…..Ka izay no ataoko hoe io tanjona io dia mety tsy volena fa mety efa ao anatinao ao, ary raha efa ao anatinao ao izy io dia ho mora foana aminao ny hanatateraka izay. (Passion du métier–> bon plan de carrière –>bonheur –> réussite)
  3. Faha telo indray dia ny finiavana ary fahasahiana mandray fanapahan-kevitra henitra eo @ fiainana na aka’asa izany na eo @ fiainana manokana, Tsy mora ny mandray izay andraaikitra izay eo à fiainana nefa raha tianao ny handroso dia tsy misy afatsy ny tenanao ihany no afaka hanampy anao, tsy afaka ny hihaino ny hevitry ny hafa ianao satria tsy ireo no hiaina ny misy anao fa ianao ihany, azonao atao ny mangataka hevitraa fa anjaranao kosa ny mandanjalanja hoe aiza ny lalana mora sy ara-dalàna ahatratrarako ny tanjona tiako ho tratra.(prise de risque)
  4. Ny faha efatra farany dia ny fahaizana mandanjalanja ny toerana misy anao, sy ny ametrahanao anao sy ny manodidina anao, rehefa miasa mantsy isika dia tsy hoe ny asa ihany sisa no misy fa mba jerena ihany koa ny manodidina sao dia lasa andevozin’io asa io indray avy eo ka tsy hahay intsony hametraka ny tena sy ny manodidina @ toerana misy azy avy. Mahaiza misaotra ilay Mpahary fa izy no nanome anao, ny fianakavianao satria izy ireo no miahy anao, ary koa aza atao an-tsirambina ny vatanao fa io no tempolinao, omeo sakafo araa-pahasalamana izy ary taizao @ fanatanjahan-tena araka ny fahafahanao @ fandaharam-potoananao.(l’équilibre)

1 comment

Fiaraha mientana

Tsy hita ny hambara……………….. izay no azo hanombohana ity lahatsoratra ity, satria tokoa dia zaza niaraka notaizaina t@ zanaky ny tena no namoy ny ainy ny faha 12 /01/2017 lasa teo tanora vao 15 taona monja. Tsy hay faritana mazava ny antony nandaozany ity fiainana an-tany mamintsika ity, fa ny hany haiko dia kepoka aho, gina tsy nahateny raha vao nolazain’ilay ankizy tato an-trano ny vaovao ratsy.

Ny tadidiko hany naverimberiko tao @ efitra fandroana satria tao ao no naheno ny vaovao ratsy dia ny hoe mba miangatra izao Any Ambony any izao, fa dia nahoana loatra re? nipararetra, nangozohozo ny lohaliko, tsy tsaroako mbamin’ny tokony hataoko akory aza, nivoaka avy tao aho dia nandefa SMS tany @ i Max sy Lydia fa tsy ho sahiko akory na ny haheno ny feon’izy mivady aza. Atao ahoana ny ho eo @ toeran ny olona namoy ain-janaka izany? ‘saika’ efa teo ihany koa aho mantsy ka haiko tsara izany, Tompo ô!  Ianao mahay ny fiainanay, mpandahatra anay, nahoana tokoa reh e!.

Tsy hiditra @ antsipirihiny aho fa dia aleo hijanona ho ahy samy irery izany, fa ny fiaraha mientan’ny mpiara belona kosa dia tsy azoko odiana tsy hita, na teo @ mpiara miangona izany, iny moa dia efa mahazatra anay satria dia tanana havia sy havanana izahay ao am-piangonana na ao @ fiangonana FPMA io na ao à fianfonana CCML, fa dia tsapa tokoa izany firaisan-kina izany, fa dia tonga @ ilay fitenenantsika hoe: ‘voin-kava mahatratra’. Tsy nijanona ho irery tokoa mantsy ny fianakaviana fa dia notronona hatramin’ny fampodiana ny razana hatrany an-tanàna.

Nanomana dia mangina ny fianakaviana ho fanomezam-boninahitra ho azy, ary dia tonga nanotrona izany daholo izay olona akaiky nahafantatra na tsia, azy.

Nisy ihany koa ny fiaraha mientana ara-bola izay natao hampodiana ny razana satria na dia eo aza ny Mutuelle dia nangataka ry zareo mba ho aloha mialoha aloha ny vola vao hamerina ry zareo, nefa manoloana ny vola miavosa atrehana dia mbola nisy ihany koa ireo mahalala tanana eran-tany tonga nanotrona ity fianakaviana namoy ny menaky ny ainy, Tsy ho hay ny tsy hisaotra antsika rehetra ny amin’izany, onera be ny lany ary ho hataon ny fianakaviana ho tsara levenana ny maty Tompoko. Raha 9000€ no nangatahan’ny fianakaviana, dia nihoatra lavitra noho izany no tonga tao amin’ilay fiaraha-mientan’ny mpiara-belona, Ny Tompo, anie hitahy anareo.

Ry zareo moa izany avy any Ambatondrazaka, tany nihavian’ilay nenitoako lasana t@ herintaona ihany koa, i Max dia isan’ny nivezivezy tsy sasatra tany @ hopitaly fony ilay nenitoako tany, ary nony lasana izy dia mbola izy ihany koa no niaraka tamiko nikarakara ny fotoam-pivavahana tao am-piangonana ho fanaovam-beloma farany azy.

Maharary ary fery tsy hikatona intsony ny nilaozan-janaka, ny fotoana anie hanamaivana ny fahabangana raha efa nihatra taminao mpamaky izany.

 

Teny kely natolotro ho faampaherezanaa notsongaiko tao amin’ny baiboly:

  • Salamo 73 , 23 :
    Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
    Salamo 73 , 26 :
    Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
  • Joba 23 , 14a :   Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy

 

 

 

 


No comments

FItaizana

Ela aho izany tsy teto,

 

Resaka rediredy @ fitaizana indray ity, mahay mitaiza ve aho?

Handray 18 taona atsy ho atsy ny zanako…..efa lehibe aho hoy izy izany foana no ambetin-teniny, inona moa no mahalaza fe lehibe ny olona iray? izaho anefa toa tsy mahatsiaro tena akory fa efa lehibe izany na dia efa mananika ny 50 taona aza, ny taona ve no hamaritana ny maha lehibe ny olona sa ny toe-tsaina sa ny toe-batany?

Fony mbola velona i neninay dia tsy nisy zavatra niafina taminy ny mahazo ahy na tsara io na ratsy,  na an-kafaliana na fahoriana, indrindra moa fa fahorian-tsaina izany, fa ny ankizy ankehitriny kosa dia mahazendana ahy fa dia izao namany izao lava hono no hifampizarany ny manjo azy, ary ny zanako manokana indray ankoatran’ny namany dia mba misy ihany koa fotoana moa natokanay hiresahana @ manaampahaizana dokotera mba hitantarany ny fiainany manokana, ka manampy azy io @ lafiny ara-batana aloha ary ara-tsaina ihany koa. Ka raha misy resaka tsy tiany ho resahana amiko dia mba milamindamin-dratsy aho fa tsy hanoro vohona azy io manam-pahaizanaa io fa anisan’ny mpanabe ihany koa ary mpitaiza, izay no asany tsinona. Tsy ahitana izany moa any @ firenentsika fa aty @ misy anay no tena ahaitana izany ka dia manararaotra mihintsy izahay mianaka noho izany, sady hitanay ihany koa fa manampy anay ilay firesahana aminy.

Tsy misakana ny fananany ny tsiambaraa-telokeliny anefa izany raha aminay mianaka maanokana, fa hafa ihany ny sain-dreny tia hahafantatra ny zava-drehetra miseho @ fiainan-janany, izay aloha ny aahy fa ny anareo no tsy haiko, sa ve izaho no zatra nahatrizao aza mitantara ny rehetra miseho @ fiainako @ i neninay???

Hatreo indray aloha ny @ iny fa tsy ho voavahako ity olana ity……


No comments

Fitiavana

Misy amintsika ve tsy mbola nitia? ataoko fa tsy misy izany…… raha mbola nateraka ihany dia misy izany fitiavana izany fa mety hoe modiana tsy henoina, na ampanginana ngamba raha mihaino sy mijery ny vaovao maneran-tany @ izao fotoana izao isika….

 

Ny fitiavana dia tsy ho voatery ho foafaritra ho atokana amin’olon-tokana ihany, azo atao tsara ny mitia olona maro fa tsy mitovy kosa ny tsapa amin’izy tsirairay avy. Misy ambaratongany ihany koa izy io, ambarako aminao anie e!

Ny fitiavana ny ray aman-dreny aloha raha mbola kely ny zaza, satria dia ireo no nahitany masoandro, nahitany ny tsimbok’aina, ahafahany hirehareha eto an-tany. Azo ampidirina ao izany ny fitiavana ny mpiray tampo, satria dia iray aina iray vatsy ireo.

Manaraka indray dia ny fitiavana ny mpiara-belona: satria dia ireo no mpanabe voalohany, sy hifaneraserana voalohany ihany koa, ny fiaraha monina indrindra no sokajiako eto ary azo atao anatin’izany ny fiangonana sy ny toeram-piasana.

Eo ihany koa ny fitiavan-tena, satria nahoana hoy ianao? raha tsy tianao aza ny tenanao sy ny maha ianao anao, ahoana moa no hitiavanao ny manodidina anao? Somary sarotra ihany anefa izany satria dia eo @ fitaizana hatrany @ fahazazana no zarina ho tia tena nefa tsy ho diso tafahoatra ihany koa isika….. Ahoana moa izany? Fitiavana toy ny rehetra ihany izy io saingy miavaka kely, eo no ataon’ny vazà hoe ‘estime de soi’ ihany koa. Mahalaza zavatra betsaka izany, milaza ihany koa fa hainao ny mandanjalanja ny fitiavana omenao sy raisinao avy @ olona manodidina anao, na @ toetra izany na @ asa vita izany….Io fanomezan-danja ny fitiavanao io ihany koa dia ahafahanao manome ambaratongam-pitiavana ny olona mifanerasera aminao, tsy ho voatery tiavina daholo akory ny olona rehetra….

Ary raha hiditra @ fitiavan’olon-droa indray isika dia mmhh, misy ambaratongany izy io. Misy anefa olona  ao anatin’ny androm-piainany dia tsy handalo izany ambaratonga rehetra izany fa mety ho ny 1 na ny 2 @ izay fotsiny ihany, fa rehefa miaina anaty fitiavana dia izay no izy e!

Tsy tokana hoy aho teo ambony ny fitiavana, ary tsy hitovy na oviana na oviana ny hitiavanao olona tsirairay avy, tsy hoe akory izany dia misy ny fiangarana eo @ fitiavan-janaka sanatria ho an’ny ray aman-dreny fa ny fanehoana izany fitiavana izany kosa no tsy mitovy.

Raha eo @ olon-droa ihany koa dia misy ambaratongany izy io:

  • Ny Fitiavana miredareda: mmhh iza t@ mpifankatia no tsy mbola niaina io?? toa zary ziona ny manodidina fa tsy misy afatsy izy roa irery no ety an-tany. Ny tsara ho fantatra anefa dia tsy maharitra io fahatsapana fitiavana miredareda toa afo io fa miserana ihany, mety ho 1 taona na 1 volana fa an’ny tsirairay moa iny… mankaleo ny miaraka miresaka amin’olona ao anatin’io fitiavana io ann, satria dia tsy misy afatsy izy 2 no ambetin-dresaka hihihi.
  • Ny Fitiavana mambabo-fo: izany hoe tsy misy afatsy izy 2 ihany tsy mila olon-kafa ry zareo, mihidy ao izany izy, tsy manaiky ny fidiran’ny hafa à resaka ataony na ny fiainany akory ……ohatra hoe miaraka mifanjohy eny foana, miantsena, manao fanatanjahan-tena, na miaraka mivoaka fa tsy mba misy fotoana hoe iny eny i ramose fa mandeha irery na koa i madama fa mba niaraka niantsena t@ namany, tsy haindry zareo izany izay e!
  • Ny Fitiavana mahafatifaty ilay feno angolangola iny: eto indray dia mazàna olona efa somary nandia fiainana no ahitana azy, efa tsy ao intsony ilay fitiavana naha taitaitra tany am-boalohany nefa tsy maty ihany koa na tsy azo atao koa nefa hoe miredareda…. mitady antoka ny roa tonta, izany hoe efa eo @ rotorotom-piainana sy fitiavana ka mitady toerana tsara amaharana.
  • Ny Fitiavana miaro ady: misy amintsika ngamba mahafantatra olon-droa tsy ialan’ady nefa dia indreny mifanjohy eny ihany fa tsy mahasaraka, dia izay ilay izy. Tsy hoe tsy tiana akory ilay olona ialàna ady.. tsia… fa zary fomba fiaina ilay izy.
  • Ny Fitiavana ara-nofo: mmhhh tsara be izany, ary izay no tena izy, tsy ampy anefa raha izay ihany no ataao lafika hanorenana tokan-trano. Tsy misy maha menatra io fitiavana io nefa kosa tsy ampy, azo atao tsara ny manampy azy @ filàna hafa iarahan’ny mpivady.
  • Ny Fitiavana  nofisina: izay eritreretina mafy ho tanteraka, tsy misy fifampikasohana ara-batana mihintsy fa dia ara-tsaina sy valan-dresaka no betsaka aloha. Mety ho hita izany eo à olon-droaa miara miasa ohatra, izay io asa io no ifantohan’ny fiainan’izy roa manontolo, na koa hoe miaraka manao fanatanjahan-tena na miaraka mivoaka any à tranom-boky dia efa mahazo fahafinaretana à izay ilaay olona anankiroa dia ampy ho azy ireo izay, raha tsy mitandrina anefa ry zareo dia mety ho ritra tanteraka ny fitia ary ho tonga à fisarahana izany.
  • Ny Fitiavana diso fatra: na koa hoe diso mihoa papana loatra, izany hoe lasa misy fandeferana eo à ankilany ary fanomezana vahana ny an-kilany kosa ilay fitiavana, mandeha ila ny mizàna eto. Lasa manadino ny tenany mihintsy aza ilay olona eto fa lasa hoe miaina ho an’ilay silany……mahalasa saina ihany nefa dia misy tokoa izany… manao sorona ny tenany izany.

Misy ihany koa anefa ireo mpifankatia tsy miaraka mitoetra fa samy manana ny ankaniny, toa zary lasa fiainana izany ankehitriny satria mahaleo tena ny tsirairay avy, ireo voatanisako eo ambony akory tsy midika fa tsy misy fahaleovan-tena ara-bola ny tsirairay an, tsia fa ireo ambony ireo dia miara-monina ny mpifankatia. Amin’ity sehom-pitia ity dia efa olona matotra no mampiasa azy, sy miaina azy, satria mila fahatokisana 100% eo @ ankilany aavy izany, tsy hoe akory rehefa tsy iray trano ihany no atao hoe mpifankatia, misy ny tokan-trano miaina tahaka izao, ary mateza sy maharitra satria misy tokoa ny fifanajana eo à roa tonta. Tsy hoe akory tsy misy fifanajana @ iretsy eo ambony fa ity seho ity dia miavaka satria tsy miaina afatsy ny lafi-tsarany ny mpifankatia, na misy aza ny lafi-ratsiny dia ezahin’izy ireo ho ny tsara hatrany no hihaonany…..

 

Raha misy azonareo anampiana ny voasoratro dia aza misalasala fa tsy nandalina io aho akory fa mba namakivaky boky teny dia hitako nisongadina ireo ary tsy aritro ny nizara azy taminareo.

Misaotra.

 

 

 

 


No comments

Lasa i Solo e!

Dia tsy hanoratra ve raha tsy hilaza manjo foana izao e! ggrrr inona ary ity tsss

 

Dia akory atao fa dia lasa very namana iray indray izahay aty Lille aloha…… tsy iza moa izany fa i ‘Solo’ izay nenitoako moa izany raha ny rohim-pihavanana no zohiana misy eo aminay nefa dia tsy tena tahaka izay ny fifampitondranay fa tahaka ny mpirahavavy ihany, ary raha taminy sy i Maeva zanako kosa dia tahakan’ny zaza mifanarakaraka izy miafy fa tsy mba nisy ambaratonga teo @ izy ireo.

Somary efa narary ihany izy volana vitsivitsy lasa izay ary nitarika tsy fahafahana miasa izany… Ny alarobia 23/09/2015 izahay dia mbola niaraka niantsena ary tsy dia hitako loatra nisy fiovana izy akoatran’ny hoe tsemboka be izy nefa dia niteny ahy fa tsy maninona loatra fa mbola mikohaka sy mbola misy hafanana aloha @ ilay ngamba misy tazo fa efa nahazo fanafody aloha…, tsy nety nateriko hatrany an-trano izy fa niakatra irery niaraka t@ entany. Izaho moa rehefa maka azy hiantsena dia miantso azy an-tsofin-davitra dia midina izy ary miandry ahy tonga @ fiara aty ivelan’ny trano, ary mazàna rehefa avy miantsena izahay dia tsy mamela ahy hiakatra izy fa tateriko hatreo @ ascenseur ny harona dia iny aho no miverina mody…dia tsy niova t@ izay ny nataonay farany…. indrisy…. tokony niakatra aho….

Ny zoma sy sabotsy manaraka an’io izy dia niantso ahy ary somary nitaraina fa vizaka fa niteny azy aho hoe, mihinana voankazo @ ireny niantsenana ireny fa mila vitamines ianao, sns , ary mila misakafo tsara ihany koa…. efa mihinana aho hoy izy fa ohatran’ny mahatsiaro vizana izany. Tokony nandeha notiliana rà ihany koa izy fa tsy nandeha fa vizana hono ary niantso infirmière ho avy ary @ talata 02/10/15 ny fotoana nomen’io, tokony natao radio ihany koa ny kibony lazainy fa maharary azy fa efa nahazo ordonnance ny @ izay izy fa mbola nangatak’andro ny ho any fa tsy mahavita mandeha hono, dia somary notezerako moa hoe ka maninona no tsy manontany ahy?????; dia teo vao nifandamina ny @ fotoana izahay, ny alatsinainy maraina izy niantso ahy fa tena tsy zakany ny fanaintainana manjo azy @ tongony fa dia mianjerazera foana izy….. Nilaza taminy aho fa ny hariva aho vao malalaka ny ho any fa mbola nisy RDV t@ sekolin’i Maeva.

Nony tonga aho ny hariva tokony ho tà 17h teo ho eo dia tsy tafiditra ny trano (satria aho manana ny fanalahidy ihany koa) dia voatery niantso azy hamoha ahy, tsy henony anefa ny sonnerie, dia nantsoiko t@ finday izy, ary naharitra 5 minitra izy vao tonga namoha varavarana ahy, ary nandritra izay dia in 2 nianjera t@ tany izy, nolazaiko moa izy hoe aza miezaka mitsangana fa mandadiza……

Nony nivoha ny varavarana dia gaga aho nahita azy tsy mahatsangana, ary tonga aho dia niantso ny mpitsabo azy… rehefa tafaresaka taminy aho dia niteny io farany io fa tonga dia mila ampidirina hopitaly maika izy. Rehefa avy niantso ambulance aho dia niteny ity farany fa mila mandoa 70e aho sarany satria tsy manana bon de transport izahay, tsy nanaiky anefa aho fa niverina niantso ny mpitsabo indray ary nangataka io taratasy io, tsy ny mpitsabo anefa no azoko fa ny secretaire ny ary tsy nety hanome ahy hiresaka @ mpitsabo ity farany fa efa niresaka ela hono izahay teo nefa ny olona betsaka no miandry azy ao, ka tsy afaka ny hanome ahy alalana hiresaka @ mpitsabo izy, nolazaiko azy fa mila ttsy ahafahako maka ambulance fotsiny aho dia, eny hoy izy rahampitso izay azonao, tsia hoy aho izao dieny izao ny nolazain’ny mpitsabo teo, narirarirany teo aho fa tonga dia nitongavako tany izy ary azoko ihany ilay ttsy ary niantso ilay ambulance aho dia niaraka tonga izahay.

Nony tonga tany @hôpital izahay dia tonga dia tany @ zone4 n’ny urgence no nampidirana azy izany hoe tena faran’ny maika indrindra, nametrahana fanontaniana maro aho, tahakan’ny hoe: ngah avy nivahiny tany afrika izy, sns…. naharitra ela ny fitiliana tao, natao ny fangalàna rà ny echographie reins sy abdomen,  fa tsy nahitandry zareo inona!!!! nony efa nandroso alina ny andro tokony ho t@ 1 ora maraina teo dia nafindra toerana ho any à déchocage manuel izy ary dia nasaina nody aho fa tsy misy azoko atao eo tsinona.

Nony maraina tokony ho t@ 7h30 teo ho eo dia naneno ny findaiko ary dokotera no tao nanontany ahy hoe aiza ho aiza ny misy ahy….. efa akaiky eto aho hoy aho, fa mametraka fiara dia tonga… miandry anao ary aho hoy izy…., nony tonga aho dia nasaina niandry tao à efitra iray fa hisy mpitsabo hiresaka amiko. Niandry ela tokoa aho satria efa t@ 10 ora mahery tany vao nisy dokotera tonga niresaka tamiko, nanazava ny toe-draharaha…… izaho moa nandritra izay dia nitsanga-nitoetra nijery nanarangarana tety alavitry ny varavarana izay tsy azoko nidirana, izay ahitako irika kely monja ny efitrano nasiana an’i Solo. Nilaza sy nanazava aza io mpitsabo io fa mila fandidiana maika izy fa misy tritra ny aorte izay lalandrà mitondra ny rà mankany à vatana ary tsy afaka ny mankany @ reins sy ny tsinay intsony izay ary dia nahafaty ny reins anankiray ary tsy namelona ny tsinay ihany koa ka lasa mangana ‘nécrosé’ ny tsinainy ary tsy maintsy ho esorina ny simba @ izany, nambarany ihany koa fa ho sarotra ny fandidiana fa mety tsy hifoha @ izany izy nefa mahatoky ny mpandidy isika…..tankina tsy nahateny aho…. ny voalohan’ny tonga tao an-tsaiko dia ny hiantso an’i Tonton Pasy, haka hevitra sy hanoro ahy ny tokony hataoko……i tatie Caro moa no azoko ary nilaza fa hampita ny hafatra, teo no eo moa dia niantso ahy izy, ary niresaka izahay mianaka, nazavaiko azy ny nolazain’ny dokotera tamiko………, ilay dokotera moa mbola niteny ahy fa ho avy hijery ahy ny mpadidy hanazava izay hataao aminy, dia niandry aho ka niandry ary nivezivezy nanoloana ilay varavarana tsy azo hidirana foana, tsikaritr’ilay dokotera niresaka tamiko izany ary nanontany ahy izy raha efa taharesaka tà mpandidy aho, novaliako fa tsy mbola….. dia tonga dia nolazainy aho hiditra haingana ny efitre misy an’i Solo sao ho tara hoy izy fa efa nidina any @ bloc izany ny mpandidy fa sao tara loatra raha mbola hiresaka aminao…..dia akory ny hatairako nahita azy feno milina manodidina azy sy aminy…. fa mody tsy taitra aho satria hitako ny masony manaraka ahy ihany, ny mason’i Solo io, dia mbola nivazivazy taminy aho hoe mahay ny mpitsabo fa tsy misy atahorana fa mbola miverina ianao avy eo fa tsy mijanona any ambany any fa maika aho annnn, sns….. dia izy mamaly ahy moa hoe an an, @ vavany fa tsy afaka miteny intsony izy fa efa misy tube ny vavany, miresaka à maso izahay ary fantatro faa natahotra izy, nolazaiko izy fa miaraka @ Tompo hatrany isika ka tsy misy manahy ny @ izay hitranga, nitsiky izy…….. dia nony afaka 10 minitran’ny firesahanay teo dia nolazaina @ izay aho fa tsy maintsy mandeha ry zareo fa efa miandry ny mpandidy….. dia mbola nanofahofa tanana azy aho…….izy mbola afaka naninga ny rantsan-tanany……… dia izay….

Nidina ny bloc izy tokony ho t@ 14h teo ho eo ary tsy niala tany raha tsy t@ 21h30 tany ho any.

Izaho moa nony nidina izy dia nasaina nody fa tsy navelandry zareo nijanona teo satria tsy fantatra hafiriana ny faharetan’ny fotoana fandidiana…., nolazaiko azy ireo moa fa misy fotoana tsy azo iodivirana aho ny hariva ka avy any aho vao tonga…… I maeva no niantso ilay laharana nomena ahy nanontany ny fizotran’ny fandidiana ka izay no nahafantarana fa t@ 21h30 izy no tafavoaka ny bloc, tokony ho t@ 21h45 teo i Maeva no niantso ny tany fa efa tsy ariny intsony hono hoe tsy misy miantso izahay…. avy teo moa izy niantso ahy dia tonga aho dia nandeha tany @ hopitaly tokony ho t@ 22h30 tany ho any. Nony tonga tany anefa aho dia nolazaina anay fa niova toerana izy fa tsy ao @ déchocage manuel intsony fa any @ déchocage chirurgicale indray, dia nazavaina anay teo ny lalana mankany dia lasa izahay sy José nandeha tany.

Rehefa tonga tany izahay dia tsy tonga dia nahazo niditra fa mbola nazavaina taminay ny natao taminy, izany hoe nesorina ny rein anankiay ilay maty ary nesorina ihany koa ny 3M t@ tsinainy, raha manana 4M @ tsinay isika olombelona, nolazaina taminay fa tsy afaka miaina tsy misy tsinay isika olombelona ka noho izany dia najanona ny 1Metatra ary dia ho jerena @ fandidiana manaraka raha hihaina io na tsia, fa raha sanatria tsy miaina io ao anatin’ny 24H na 48H taorian’io fandidiana voalohany io dia tsy ho fohazina intsony izy……. tankina tsy nahateny aho……… manamboatra saina miandalana ihany koa aho,…

Nahita azy ary izahay……. mila miomana moa rehefa hiditra ny efitra misy azy, izany hoe misasaa tanana tsara @ savony sns, mba tsy hitondra mikroba…. dia akory ny fahatairana fa dia mody tony ihany e!!! milina tsy milina re izao e!!!! fa dia jerena hoe miaina izy dia mionona fa hoe mbola velona izany…..

Niandry ny fandidiana faharoa izany dia natao io ny alakamisy, rehefa avy nazavaina tamiko ny tokony hatao azy, dia ny hoe hitondra poche izy, ary mila ahy eo aaminy hikarakara azy rehefa hivoaka ny hopitaly izy, tsy nanisy olana ny @ izany aho fa tonga dia nekeko. Nidina ny bloc indray izy tokony ho t@ 9h maraina ary tsy niakatra raha tsy t@ 12h30-13h tany ho any, niandry azy tao moa aho satria niasa hariva aho io alakamisy io, niandry azy ny hifoha à izay satria tokony hifoha izy taorian’io fandidiana faharoa io. Tsy mbola nifoha anefa izy talohan’ny niaingako tany, ary dia tsy nistahatry ny niantso aho taty am-piasana mandra-piveriko tany indray ny alina…..tahaka izay ihany koa ny zoma, tsy niasa aho moa fa tany tontolon’andro, niteny ahy ny mpitsabo fa raha tsy mifoha izy dia ny alatsinainy dia hanao scanner/irm ry zareo ahitana ny tsy mety aminy, satria nandritra izay dia natao dialyse izy moa izany, nolazaina ahy ihany koa fa misy olona sasany maharitra vao afaka aminy ny tahan’ny fanafody fampatoriana ampiasaina mandritran’ny fandidiana. Nandritra izay fotoana izay moa dia tsy tapaka aho no miresaka à dadatoa Pasy manome vao² azy, izy rahateo koa efa tafaresaka t@mpitsabo azy, ny sabotsy izy no nandalo nijery azy tany @ hôpital niaraka t@ i Titsy sy Raivo ary i Hoby, nitsodika azy koa i Tiana, i Nanick sy Vavah moa nijery azy ihany koa, tsy adinoina ny mpiara mivavaka tao @ FPMA izay tsy nitandro hasasarana tokoa nifandimby niandry azy teny @ hopitaly, ary indrindra koa i Pastera Miora, izay zoky ray aman-dreny tokoa, nitrotro azy am-bavaka sy nitarika fivavahana ho azy ihany koa….

Tonga ny alatsinainy, izaho moa niasa maraina ka tsy afaka tonga tany fa tsy mitsahatry ny miantso aho nanontany hoe efa nidina natao scanner sns veh , nidina tokoa izy tokony ho t@ 8h-9h teo ho eo, dia niverina niantso aho tokony t@ 11h30 tany ho any nanontany ny valiny, fa nolazaina ahy fa mbola tsy azo izany, namerina niantso aho t@ 15h satria efa hirava, dia nolazaina fa tsy mbola ao aloha. Nambarako aza fa manana rdv any @ kiné aho ka somary ho tara kely vao ho avy, tsy misy olana ny @izay hoy izy fa ndana fa avy eo miandry anao aho hoy ilay mpitsabo azoko…..

Nony efa akaiky ilay toerana hanaovako kiné aho dia naneno ny findaiko ary ilay mpitsabo vao azoko vao teo no teo, nilaza izy fa tsaratsara kokoa raha tonga any izao dieny izao aho raha azo atao satria efa minitra na ora vitsy sisa ahafahako mahita an’i ‘tante’ nao hoy izy, saika tsy hitako ny lalana nombana fa tonga dia nahodiko ny familiana ary nirifatra aho nitodi-doha ho any @ hôpital teny an-dalana aho dia niantso an’i Dolly hiaraka amiko fa matoa ny mpitsabo miantso dia efa tsy izy intsony izay hoy aho, niantso an’i Haja ihany koa aho. Nony tonga aho dia nasaina niditra tahaka ny mahazatra ary nolazaina fa ho avy ny mpitsabo……. ora 1 taty aoriana dia tonga izy ary niteny tamiko fa afaka mankao @ bibliothèque @ izay izahay fa hiresaka, nanaraka azy aho, fa nony tonga tao @ couloir dia iny i Dolly sy Manitra ary i Lydia (Max) sy Liva ary Pastera niaraka nivoaka avy tany, tonga dia nasaiko niaraka niditra niaraka tamiko ry zareo, rehefa vita ny fifampahafantarana anay, dia nandray fitenenana ny mpitsabo, nilaza izy fa novoriana izahay fianakaviana satria nivaly ny scanner natao ny maraina ary hita fa ‘tsy misy activité cérébrale’ intsony izy, tahaka ny mahazatra moa rehefa misy valan-dresaka ataoko @ mpitsabo dia efa mivonona @ ttsy sy stylo aho handray note, fa teo dia tankina aho tsy hitako izay nosoratana, tonga dia dia latsaka tety an-tanako ny stylo ary nofihiniko sy nopotseriko mafy ny tanan’i Manitra sady mbola naka toky t@ mpitsabo aho nanontany hoe inona tsara ny dikan’izany????? dia hoy izy namaly ahy hoe…. ‘elle est morte’…… tsy fantatra hoy izy na ovina na ovina izy no maty na t@ fandidiana voalohany fa taorian’io na t@ fandidiana faharoa na taorian’io fa tsy misy asa intsony ao anatin’ny lohany,…. lasa izy izany……..tankina aho……… efa nitsabo isika hoy izy ary izay ny namindrana azy taty satria mbola tanora izy fa raha ny fahitana azy hatrany am-boalohany raha olona efa voky andro izy dia tsy notohizanay akory ny fitsaboana azy, fa @ naha tanora azy dia nataonay izay rehetra tokony natao nefa indrisy izay no lahatra….. lasa ny alatsinainy 05/10/2015 izy izay,  ny ora napetraka diaa 15h satria izay no nahitana ny valin’ny IRM natao taminy…….

Veloma indrindra e!!!!!!!!!


No comments

Fahabangana!

Tsy haiko ianareo , fa izaho tato ho ato izay dia mahatsiaro tena ho ‘foana’ tanteraka any anatiko any. Mifangaro ao daholo na ny tahotra na ny hafaliana na ny ahiahy, tsy hay ny hamborahana azy na iza no hizarana azy.

 

lasa fenoiko @ fihainoina hira izany nefa toa tsy mety feno fa vao maika aza mandoaka ny anatiko miafina any…

 

.

 

Misaotra an’i KR ihany koa anefa aho nampahatsiahy ahy ireo hira t@ taona 80-90 fa tena ohatran’ny nanova ny fomba fijeriko kely ny fiainako an-davan’andro ny fihainoana ireo hira ireo, nahatsiaro tena ho ‘mbola velona’ aho hahaha, (crazy me).

Niasa kely ho azy aho mantsy t@ volana Avril 2015 ary dia nahafinaritra ny fiaraha-miasa na dia tsy mbola nifankahita aza izahay, sarahan’ny elanelan-tany. ny andron’ny Paka no nila fanampiana izy ary sendra teo @ tandrifiko izany ary dia noraisiko, maimaim-poana, vita ny asa dia mbola nitohy ihany ny fifandraisana aloha hatreto.

Misaotra an’i Zoky Fanja ihany koa @ resaka nifanaovana rehetra fa nampisokatra ny masom-panahiko izany.

 


1 comment

Tra-boina ny fireneko!

Tsy hita ny hambara fa dibo-drano Antananarivo, mihotsaka ny tany etsy sy eroa. Ankoatran’ny hoe fanamboaran-trano kitoatoa tsy nahazahoan-dalana dia eo ihany koa fahaiza mitantan’ny fanjakana no tena nahatonga izao, raha mba efa nandray fepetra hatramin’ny taloha nisian’ny tondra-drano t@ taona 1950 tany ho any mantsy ry zareo ngamba dia tsy ho voa mafy tahaka izao ny vahoaka madinika fa indrisy ny famenoam-posy hatrany ho an’ireo izay nifandimby teo no betsaka ka dia izao no vokany, tsy nisy nijery izany plan d’urbanisation sns izany fa samy nanao izay saim-patany ny rehetra na ny mpanamboatra trano izany na ny mpanome fahazahoan-dalana ihany koa, na ireo mpanototra tanim-bary na ireo mpanary fako etsy sy eroa kaa mameno ny tatatra izay tsy misy mpikarakara intsony…..

Iza no tena diso? ny vahoaka avela hikarakara tena irery sa ny fitondrana avela hameno posy irery??,


No comments

Charlie/Malagasy aho……

Ela no tsy nanoratako, efa tsy haiko intsony angamba fa variana loatra atsy ambadika atsy aho ggrr,

 

Tsy mba naneno ny hevitro teto aho mantsy tà hotakotaka niseho taty Frantsa, tany onenako sy mandray aho t@ zava-nitranga ny 07/01/2015 teo ireny, onena tokoa aho, satria dia resaka politika, resaka an-tsary no dia amonona olona, andatsahan-drà tahaka izao, tsy hiditra lalina aho satria efa betsaka ny voasoratra t@ izay andro sy fotoana izay.

Ireo mpanao kisarisary mpanao gazety ireo tokoa mantsy no lasibatry ny ‘terroristes’ nefa dia maro ny namoy ny ainy tao anatin’izany… Maro ny hetsika naneran-tany niseho nanoherana izany toe-draharaha izany, nisy moa ny niteny hoe voakitika kely ny frantsay dia ny vahoaka ambany lanitra rehetra no miaraka mientana, ENY marina izany satria efa samngy mihoatran’ny loha no miseho satria dia voantohintohina ny fampahalalam-baovao, ny fanehoan-kevitra, nahoana tokoa moa raha toa ka tsy mitovy ny hevitra ka rà mandriaka no miseho?? betsaka ny tranga tahaka izany ety an-tany, nefa dia ny teto Frantsa ihany no nisy fiaraha-mientan’izao tontolo izao, satria ngamba hoe firenena matsanjaka izy…….Tonga taty daholo nilahatra an-dalam-be ny lehibe na ny mpisolo-tenan’ny firenen-dehibe nahatsapa tena fa tsy mety ny famoretana na ny fanam-penam-bava ny fampahalala-baovao…. nefa anie dia maro amin’ireo tonga teo ireo no tsy mamela akory ny fampahalalam-baovaondry zareo hampita malalaka izany any amin’ny taniny e!…. ppff mpitari-baato vilam-bava ihany izany amiko…. fisehosehoana ivelany ihany koa…. nefa moa ho afaka ny hanao inona isika…. efa rano indray mitete tao anatin’ny ranomasim-be aloha iny fiaraha mientana iny… efa dian-tongotra inndray dingana aloha iny vita iny…. enga anie tsy hisy intsony ny manaraka……izany hoe ny tiako hambara, tsy hisy intsony ny sahotaka….

Tsy hanoratra lava aho fa tsy hahita hambara amin’io akory moa…….


No comments

Fikarakarana ny dianay!

Tsy haiko hoe atomboka aiza izy ity fa dia atomboka fotsiny aloha, efa nambarako ihany koa fa ‘diary izy ity aary Diary mipetraka indrindra ho an’ny zanako’. Mba ho vakiany any aoriana any sy ho tsiahiviny ihany koa………..

Vao maraina ihany koa aza ny alatsinain’ny 17/03/2014 dia naneno ny findaiko, sahalan’ny nanonofy ihany aho no somary taitra ihany koa satria tena tampoka be fa tena vao tokony ho tamin’ny 6h35 teo ho eo  ny ora, niarina aho nipetraka no naheno an’i Nanick somary nitomany sady niantsoantso ny anarako, taaitra aho sady nampanginiko aloha izy, noheveriko fa misy tsy salama ny zanany aloha ka hoy aho hoe fa misy inona? salama tsara veh ianareo ao? manao ahoana izy dahy? henoko mantsy talohan’io fa tsy salama i Elodie fa folaka ny tongony ka izy irery no nandeha tany à hopitaly sy nitady farmasia nivoha alina, ka noheverika fa nila ahy izy ary nanontany azy aho fa misy inona no mitomany izy, dia sady mitomany izy no miteny hoe i mamanareooo, no averimberiny, avy eo aho miezaka mamantatra hoe ahoana?? niditra hopitaly veh? annn ann ann hoy izy tena tsy takaatry ny saiko ny zavatra nolazainy ahy, farany dia nolazainy fa maty i mamanareo, teo aho vao tafapetraka satria somary saika nitsangana aho sao manaitra an’i José mbola matory ny resakay, tsy nahateny segondra vitsy aho aloha. Ny voalohan’ny zavatra nataoko dia ny namelona ny solosaina aloha, vao nitsangana aho, tsy niteny t@i José akory aho fa tonga aho dia nitsangana nandeha tany an’efitra aloha, ary notapahiko ny resakay sy i Nanika, teo aho vao nalemy ny lohaliko nahita ny Facebook tsy nisy na inona na inona, tampoka teo koa moa hitako ny ‘post’ nalefan’ny zandriko Ilaidama milaza amiko hoe ‘Ilazao ny fianakaviana sy ny havana any fa maty i neny’ niverina haingana tany am-pandriana aho sao ho fanina irery tao an’efitra tao sady niteny ny zava-misy t@ i José, nitsangana ihany koa izy, nankahery ahy dia lasa nanamboatra sakafo marainanay………………. Avy teo aho vao nilaza teo @ FB ny zava-nisy……………………….

Niezaka niantso ny tany an-tanàna aho ary dia nahazo an’i Faly ngamba raha tsy diso aho izy dia “iehhhh lasa izany izy e!!!’ hoy ny navaliny ahy sa moa i Dama no azoko tsy tsaroako intsony, dia hiantso ny olona aty aho izany hoy aho dia mamerina miantso avy eo.

Nijanona kely tao an’efitra fatoriana aloha aho nivavaka mangiana nalahelo sady somary tezitra t@ Tompo ihany koa hoe NAHOANA? no dia nompatra tahaka izao ny fiainanay??? tsy izy no tokony hiala ity tany ity voalohany tsy izy mihintsy nefa dia izay moa no lahatra sy efa vosoratra ihany koa angamba, vita izay dia nijery an’i Maeva aho niteny azy ny zava-misy, taitra tokoa izy, sady nigogogogo nitomany, efa henony ihany aho misomebiseby fa tsy nihetsika tao am-pandriany izy hono…… efa t@ 7h00 tany ho any aho vao niantso an’i tatie Farasoa aloha tsy nampoiziny ny antsoko, vao naheno ny feoko izy dia hoy izy hoe:”allo zoky, joyeux anniversaire zoky” miaraka à feony annn, dia izaho mitomany dia oayyeeee hoy izy fa maninona anie no mitomany i zoky e!!!! dia hoy aho hoe nenifara aa nenifara ann lasa i neny dia hoy izy hoe lasa ahoana, maty neny hoaaaa, dia taitra be ihany koa izy … fa ahoana annnnnn hoy izyyy, izay ny téléphone vao azoko vao teo hoy aho, samy nangina izahay mianaka dia hoy aho hoe avelako ianao fa hiantso ny hafa aho aloha…. dia niantso an’i tatie Zoany indray aho dia hoy aho mantsy azy hoe lasa i neny ry toutou ann dia hoy izy hoe ééé efa azoko an-tsaina ihany anaaka fa dia mahereza annn, dia somary nihato kely aho aloha vao niantso an’i Hoby zandriko satria tena tsy ho haiko ny hilaza aminy hoy aho nefa dia tsy maintsy ho izaho ihany ny hilaza aminy. Nony niantso an’i Hoby aho dia mbola anaty torimaso ihany koa moa izy dia taitra aoka izany izy, nony nilazako ny vaovao ratsy, fa ahoana izany?? izany foana no naverimberiny……. dia ahoana izany????….. izany ihany ny nolazainy……..rehefa avy nanomana an’i Maeva handeha hianatra moa aho dia i José no nanatitra azy. Izaho koa avy teo moa dia nampandre ny tany am-piasana ………………………..Nandalo ihany koa i Nanick nijery anay alohan’ny handehanany hiasa

Vao lasa kely ry zareo dia efa nanomboka tonga tao an-trano ny namana eto Lille ny mpianatra sy ny mpiara mivavaka ao @ fiangonana katolika, mbola pyjama aho à izany fa dia nahafinaritra fa dia tena hoe tsy irery aho fa dia trano iray ihany izahay rehetra aty ireo. Tena hoe voin-kava mahatratra tokoa, tao ny nampirina ny trano tao ny nikarakara entana tao ny tsy haiko intsony fa tena tsy irery aho nandritra ireny fotoana ireny nisy an’ireo namana/havana ireo.

Tsy nisy fisalasalana ihany koa moa fa dia tsy maintsy hoe hitady billet maika dia maika izany, efa nijery ihany i José alohan’ny handehanany hiasa maraina, fa naleoko ihany niantso an’i Hélène vadin’i Arnaud mpiara miasa aminay izay miasa ao @ Voyage Mariot fa ananako fahatokisana kokoa toy izay hijery billet @ internet. Ry nenifara sy nenitoa isany ary Hoby ihany koa dia nanao fifidianana billet mitambatra ho azy 4 mianaka, izany hoe 6 miafy izahay no niainga taty Frantsa ny Talata 18/03/2014. Mbola nandeha niaraka tà i Ninie ihany aloha tany à agence hafa nampitaha vidin’ny billet, ny talata dia i Nanick no nanatitra anay teny à Bus izay namoa-tsampona ihany koa satria tsy maintsy nivily lalana satria nisy manifestation io andro io teto Lille, izaho anefa tsy maintsy mbola nankany am-piasana naka ny billets-nay mianaka satria tsy misy imprimante ao an-trano re grrrrrrrr

Ny alatsinainy hariva no feno olona nandalo tao an-trano, ny mpiara mivavaka ao à FPMA izay notarihan’i Pasteure Miora ary teo ihany koa ny namana aman-tsakaiza teto Lille, tonga taty moa i Mme Tiana sy ny zanany, ary tonga tao an-trano ihany koa i Brigitte sy ry Dolly mivady,

Izahay mianaka moa miainga avy aty Lille dia nandeha IDBUS ka nanondrana koa ity izy fa navilin’ny douane lalana ary dia nasaina nidina daholo ny mpandeha tao anatiny sy ny entana ary satria ny entanay mianaka no lehibe indrindra tao dia nasain’ilaay polisy natokana ary navoaka ny aliaka nioroka azy teo, sady sorena aho no niteny ilay polisy anankiray hoe handeha handevina ny reniko anie izahay fa tsy hilalao akory e! dia novaliany hoe tsy misy atahoranao ny à izay atao eto akory raha izany kann, tsy tiako ny entako kasihin’ny aliaka hoy aho…. sady nangarihako ilay polisy ggrrrrr , efa nisy fotoana very izany aloha ny anay teny an-dalana fa tsy natahotra ny ho tara aloha izahay satria niala maraina izahay ary ny hariva anefa ny fiara manidina vao miala.

Tonga teny Orly ary dia nisy ny fianakaviana teny ary nisy ihany koa ny namana teny, i Harybe, Rakaroka ary i Mama Ida, nitondra ny teny fampiononana izy telo mirahavavy ka tena nampahery tokoa, ireny namako ireny moa na tsy mifanerasera vatana isan’andro aza dia mifanerasera virtoaly isan’tsegondra kosa ato anatin’ny foko, maro izy ireny, ary dia tena namana tokoa, na @ andro sarotra na à andro an-kafaliana, fa dia miaraka misary gaigy eny izahay mirahavavy sy mianadahy avy………….

Mazava ho azy moa fa tsy maintsy hoe niandry an’i Hoby izay tara lava ny mpianakavy vao nanao ny fombafomba atao alohan’ny fiondranana, izahay no fara olona nanao izany………… fa nony tonga tao anatin’ny tao ihany koa anefa dia mbola tantara hafa ihany koa satria nisy fahasimbany ny fiara manidina ka dia niantsona ela tao aloha ny mpandeha nasaina niova toerana izahay aloha, dia nomena sakafo aloha fa tena ho alina vao hiainga, fa dia niainga ihany rehefa nisy fahatarany efa ho adiny 4 sa mihoatra akory aza………

Nony tonga tany Ivato dia i dadatoa Pasy no nitsena anay tao anatiny ary nomena azy ny passeport rehetra ary ny mpanampy azy no nisahana ny tokony natao rehetra tany, izaho moa tsy nahahetsika intsony fa dia nalemy ny lohaliko, no nitantara taminy aho hoe tsy tokony nandeha izy fa tsy hitany akory anie izao ilay sary nandrasany sns e!!!! nampionona ahy moa izy hoe efa izay no nalahatry ny Tompo ho antsika ka dia mahaiza mionona, ………..

Rehefa tonga tao an-trano dia mbola niandry kely teo an-tokontany izahay fa mbola nisy olona namangy tao an-trano i tatie Zéline no namoha ny fiara, sy niantsampazako voalohany, ny hafa tena tsy tsaroako hoe iza avy ny teo, avy teo aho vao nandeha teo à i neny e!!!!! ny hany teny tsaroako naloaky ny vavako dia hoe ‘tsy tokony mbola nandeha anie i neny e!!! tsy tokony mbola nandeha’…..hitako i dada nitsangana avy teo vao niala teo aho satria niandry koa i Hoby teo akaikiko, “aoka izay” hoy i dada “fa efa lasa izy ka atao ahoana aza” dia nangiana aho tsy tsaroako hoe latsa-dranomaso be aho fa nofokofoko kely fotsiny dia namonjy seza aloha, dia tonga koa i Hoby nipetraka teo akaikiko, dia i Maeva, ……………………


No comments

Lasa i Neny e!

Lasa i Neny!

 

Kepoka tsy mahita hambara aho, lasa ilay kibo nitoerana, ilay nandatsaka an-tany, ilay nampianatra nandeha, ilay nitarainana, ilay nanambitamby, ilay nihantahantana, ilay nibedibedy, ilay nasiaka ihany koa matetika, ilay tsy nanam-paharoa; ilay tsy azoko soloina akory……. lasa izy, namela anay zanany aman-jafiny ary i dada, mbola hiady @ ity fiainana ity!

Iza intsony no hitantara amiko ny zavatra miseho rehetra ao @ fianakaviana izao? iza no hampahafantatra ahy ny zava misy any an-toerana sns izao?? very aho ry neny lasa ianao tsy misy hahasolo ny toeranao…..

Andro tsy mbola tokony handehanany akory no nandehanany nefa moa dia izay no andro tian’Izy Tompo nangalana azy ho any aminy ka dia nalainy mba ho any Aminy indray izy fa noheveriny fa efa vita ny adidiny aminay ety.

Vao tsy ela anefa izy no niverina avy tany Antsirabe avy nanao cure, ary dia afaka nandeha soa aman-tsara indray na dia somary ataontsika hoe somary mbola miadana sy mila fanampiana ihany aza matetika, ny tosi-drà ny no efa somary nihatsara ihany koa niverina avy tany ilay somary niakatra ambony be teo, efa niverina nihatsara ihany koa izy iny tàizy ilay nihotra tany Tsimbazaza t@ tany @ ndry Fara be iny fa nohon’ny fitaintainany lava dia miaka-midina eo ihany ny tosi-dràny. Tany @ ndry Lanto moa izy sy i Raelina no nipetraka nandritran’ny roa ambiroampolo andro naharetan’ny fitsaboana azy tany, naharitra ihany ny fitsaboana ary dia izay nahitana rirany kely izay, ary tokony hoe niverina indray izy mianaka ny volana Mai, nefa dia indrisy, izay ny fandaharana.

Ny herinandro mialohan’ny niambohany dia izay olona tonga nitsidika azy ka nahita azy anefa dia nahatsikaritra azy ho miran’endrika sy sariaka aoka izany, ary dia nanafatrafatra izy ny hifankatiavan’ny samy mbola velon’aina ihany koa, fa tsy ho fantatra izay ho avoakan’ny ampitso, ary ny oroka nataony dia oroka mamihina tahakan’ny “hoe tsy avelako ianao fa tiako sady mamiko tokoa!”

Roa andro talohan’ny nahalasanany moa ny tsingerin-taona nahaterahako, tsy afaka niresaka t@ sofin-davitra na Skype akory izahay fa dia teo à mailaka sy Facebook no nifampiarahaba kely sy nifanao ‘coucou’ dia vita fa tsy nisy fotoana firy aho ny 15/03/14 fa niasa ary ny 16/03 izy no nitenenako hoe androany izahay vao miaraka misakafo fa tsy miasa aho nefa koa sady mitondra ny tanora manao fanazarana hira ho @ fety izay karakarain’ny fiangonana katolika eto Lille,  dia eny hoy izy fa miandry ny sarin’ny mofomaminao tahakan’ny mahazatra ihany aho izany, kinanjooooooooo, efa tara loatra ny alin’ny 16/03 dia tsy nahavita nandefa sary intsony aho, izy koa kay tany an-tanàna efa somary tsy dia salama ihany fa dia avy nisakafo izy sy idada ny hariva dia niakatra toy ny fanaony i dada nanohy ny bokiny, moa i neny mbola nijery ny fahitalavitra tao an-dakozia, kelikely taorian’izay, dia niantso an’i dada izy fa tsy vitany intsony ny mamindra hatrany @ WC fa mila fanampiana izy, dia tonga i dada namonjy azy, akory anefa ny fahatairany fa olona efa eo @ tolanam-baravarana eo an-dalatsara no hitany mila hitambotsitra @ tany, no injay nakany seza haingana mba hipetrahany, teo izy vao niantso fanampiana tany @ i Raelina, andro tokony ho t@ 7 ora hariva mahery tany ho any izay.

Rehefa vita izay dia naharitra adiny iray mahery izy mianaka vao tafiakatra tany am-pandriana, tena vizana i neny izany e! Ny alina kosa dia sahirana izy sy i dada raha ho any à WC izy satria dia nila ho antsasakadiny mandeha ary tahaka izay ihany koa miverina nefa dia in dimy mandingana fotsiny dia tonga. Tokony ho @ iraika amin’ny folo tany ho any dia hoy i neny hoe ndao antsoina i Pasy fa tsy azoko ny aiko izany, dia novalian’i dada izy hoe tsy hisy olona ho avy à izao ora izao fa aza manahy ianao faa dokotera roa no ho entiko aminao eto rahampitso maraina koa, satria tokoa mantsy dia nisy fahoriana koa tao àfianakaviana ka nifamontoana izy efatra mirahalahy ny maraina fa hamangy any.

Ny maraina tokony ho t@ efatra sy sasany aloha kelin’ny ora fifohazany mahazatra dia nitsangana izy ho eo à solosaina tahakan’ny fanaony, ary dia ohatran’ny nitaraina ho fanina angamba hoy i dada fa dia nanara-drindrina izy tà izany, nefa dia tongany ihany teny à seza ary dia teny izy no nianjera, novonjen’i dada nefa dia indrisy…….niantso ny dokotera rahalahiny i dada nanazava ny toe-javatra, ary dia naniraka ny ambulansy izy ho avy haingana, nefa efa tara loatra izany,

I tonton Jean Bà no tonga voalohany tao an-trano satria tonga dia nasain’i tonton Patou nivily izy satria izy no akaiky avy any Mahitsy tsinona, dia avy dia hitany fa tsy ao intsony i neny, ary niteny t@ i dada izy hoe amboary ny saina fa i dada no tsy dia mbola nety loatra ary dia niteny taminy hoe ny ntaolo dia nila fitaratra ary natao teo akaikin’ny vava orona ary dia natao izany, nilaza ihany koa i dada fa raha nokasihiny ny faladian’i neny dia tsy nisy famaliana intsony avy taminy tahakan’i” mama” i bébé Tiana izany izay renin’izy ireo, efa nampahery azy ihany moa i tonton Jean Bà, fa dia naleony niandry ny fahatongavan’ny ambulansy ihany, tonga anefa ireto farany niaraka t@ i tonton Pasy ary tsy nisy afaka natao intsony afatsy ny famenoana ny taratasy nandehanany sisa………… izay ny lahatry ny Avo, manaiky izahay Tompo ô!

 

Izay aloha ny @ iny fa ho tohizako manaraka indray ny fizotry ny fandaharam-potoana tà izay andro izay

Lasa ny 17 Martsa 2014 i Neny Bodo RAJAONARISON

teraka RANDRIAMIHOATRA Rabodosoamanalina  teraka ny 19 Oktobra 1949

 

 

 


1 comment